Prémié mé : andro tsy maintsy iasana

“Ianareo rehetra mirana, faly mitsinjaka koa…Izaho irery no sahirana, reraka sy marary an-doha.” Efa tamin’ny taona 1884 tany Chicago, Etazonia, no nanombohan’ny hetsiky ny mpiasa ka tamin’izany,
no naneren’ny kongresista ny mpampiasa mba hampihena ny ora fiasana ho hatramin’ny adiny valo isan’andro. Tamin’izany dia nitomboka tny 1 mey 1886 izany hoe roa taona taty aoriana, ny fitokonana
sy ny fitakiana izay marobe ny mpanohana azy ary nahatratra hatrany amin’ny 340.000 manerana nan’i Etazonia iray manontolo. Toy izao ilay soratra nirantiranty tamin’izany, ary toa manamafy iry
tonokiran’i Dadah Mahaleo ery ambony iry ny resaka: “Ho avy ny andro iray hahery vaika noho ny feo nanakendainareo ny fahanginanay”. Hiakiaka tsy misy farany izany fitakiana izany ary niafara
tamin’ny ady sy fahafatesan’olona, ary telo taona taty aoriana, ny taona 1889, dia niotsiahivin’ny kongresin’ny international sosialista frantsay tany Paris io vanim-potoana io, ary raikitra teo
fa atao ho andro maneran-tany ho amin’ilay tolona hiasana manditra ny adiny valo ao anatin’ny iray andro. Lasa andro tsy iasàna kanefa tsy andraisan’karama ny andron’ny 1mey maneran-tany ho
an’ireo fireenena milaza ho manaja izany zon’ny mpiasa izany, ary managedraka ny setrasetran’ny “paron” izay mpampiasa sy manana ny renivola ampiasaina. Fa ny Gasy dia mba te-hiseho milay ihany
koa amin’ny fampiasana itony “haingo”-n’ny tandrefana itony rehefa mba andron’ny asa toa iny omaly iny. Fa hisy dikany inona moa izany fetin’ny asa izany? Tsy maintsy “miasa ny Gasy, ary miasa
mafy kokoa hatrany…Mila manao fitakiana goavana aza izy ankehitriny mba hiasany mihoatra lavitra ilay adiny valo. Olona kamo sy tsy mananan-atao mihitsy ireo tsy mivonona ny hiasa. Moa tsy
tsaroantsika ny resak’i Zokibe Raoul fa tsy maintsy miasa na dia kely aza ny karama . Omaly ny gasy dia: mbola samy nanao ny tokony ataony ihany (indray) ny iray tanàna ka tsy nifankahita ny
mpianatra (ireo manao cours sy manomana ny fanadinana) sy ny mpitsena azy, nitohana sy tsy nahita lalana ny mpivezivezy sy ny mpampiasa lalana, nikosoka mafy ny mpanao bizina sy ny mpikarama
isan’andro, saingy sorena ny mpitanin’andro sy ny mpiloka fa rava ny tsena, nalai-nihetsika ny mpitatitra satria voatery nihodina lavitra ny lalana. Tsy te-hiaina ireny “prémié mé” ireny ny Gasy,
tsy zakan’ny lohany ny miatrika fifanjevoana, ary mitaintaina mafy ho amin’izay ho ampitsony izy ka tsy hisary adala velively hitady aretina. Tany amabanivolo rehertra tany dia nibaiko tena ho
amin’ny raharaha andavan’anfrony ny Gasy. Raha tsy misa dia tsy mahazo akory ilay 0, 8 dôlara fandray isan’nandro. Tsy maintsy mamono tena amin’ny “fanompoana patirao” va misy atelina sy ho
sotroina.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *