RAVALOMANANA LALAO : FAHOMBIAZANA NY DIANY TANY BOINA

DSCN9892

DSCN9892Mahajanga no nosafidian’ny kandidà Lalao Ravalomanana ny fanombohana ny fitetezam-paritra ataony. Omaly tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany  no nigadona tao Mahajanga ny tenany niaraka amin’ireo delegasiona miaraka aminy. Nafana ny fandraisan’ny vahokan’I Boina an-dRamatoa Ravalomanana Lalao tany an-toerana. Rakotra olona avokoa ireo toerana
izay nandalovany toy ny tao Ambalanjanakomby, ny tany Maevatanàna ihany koa. Fitsidihana nivoaka ivelan’Antananarivo ity nataony ity, ary fahombiazana hatrany izany.
Ankoatra izay dia nanatrika ny fanompoam-pivavahana notanterahana omaly hariva tamin’ny 6ora Ramatoa Lalao Ravalomanana. Tao amin’ny Fjkm Ziona vaovao synodam-paritanin’I Boina no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana. Nanatrika tao ihany koa ny filohan’ny synodaly,
ny tonian’ny departemanta Radimison Jonah, ny solontenan’ny mpiandraikitra foibe ny Pasitera Mamy Tiana RAVELONANOSY ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana.Fiaraha mivavaka famaranana ny fiofanana komity foibe FJKM no natao tamin’izany. Raha nandray fitenena Ramatoa Lalao Ravalomanana dia naneho fiarahabana ny mpino kristianina rehetra
nahatratra ny pantekosta. Nisaotra ihany koa ny tenany noho  ny fitondrana am-bavaka ny firenena ary ny fangataham-bavaka amin’ny fanoloran-tena ho an’ny firenena. Nampirisika ihany koa ny tenany hijoro hatrany amin’ny fijoroana vavolombelona eo amin’ny fahazavana
eto amin’ny firenena. Noraisin-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny tenin’ny soratra masina hoe :”  fa maty ny tena raha tsy misy ny fanahy, ary maty toy izany koa finoana raha tsy misy ny asa », Jakoba I : 26. Mbola mitohy aty an-toerana moa izany fitsidihana ataon-dRamatoa Lalao Ravalomanana izany, ka entinay eto ihany ny tohiny diany  .

16 pensées sur “RAVALOMANANA LALAO : FAHOMBIAZANA NY DIANY TANY BOINA”

  1. TOKONY HANGATAKA ARY MITAKY VALINY amin’ireo vondrona maro isankarazany ireo

    Io fanontaniana io
    Fa nahoana no sakanana ny filatsahan-kofidiana an’i Lalao Ravalomanana
    Fa nahoana no tampoka tao aorinan’ny filatsahana tsy ara-dalana nataon’i Rajoelina no nanaovana ny fanambarana

    Mazava anefa ny valim-panekena nataon’i CES mikasika ny filatsahany ; fa tsy fidiny azy mihitsy no tsy nahafahany nahafeno ny fepetra mikasika ny fipetrahana teto Madagasikara ; ary maro sy hita maso ny porofo mikasika izany

    Koa miantso ireo vondrona maro ireo hanala ny anarany ho lazaina fa sakana.

    MILA ATAO IO FANAMABARANA OFISIALY IO ARY ATAO MAIKA
    atao amin’ny anaran’i Rtoa Lalao RAVALOMANANA mihitsy fa tsy amin’ny GTT

    Sode karazana fanontaniana mila valiny ihany manko ireny fanambarana nalefan’ireo vondrona ireny; ka rehefa omena azy ny valiny dia mahazava ary mety handraisany fepetra hafa

  2. mba manaova dokambarotra à fahatongavana fa tsy asiana artiste de maba mahita zahay fa tena mba te hanotrona ny Filoha vehivavy voalohany oo!!!

  3. Misy karazan’olona tsy mila manao concert gratos ataon’i Rossy dia mahavory olona be dia be eto Madagasikara.
    Izay no antony hanidiana ireo radio sy televizion. Raha sanatrian’izany misokatra malalaka ireo dia vao misy mahare fotsiny fa ho avy i Lalao Ravalomanana dia hipoka olona ny tanana ary tsy misy azo atao fa dia fanamafisana ny maha-filoha azy no sisa atao amin’ny fifidianana.
    Izay no anton’izao fanazimbazimbana rehetra ataon’ny firantay izao.
    Tokony hisaina ihany anefa ny firantay fa ny malagasy dia somary malemy izay fa tsy azo avily vetivety raha vao miova famindra. Efa eo ampiovana izany famindra izany amin’izao fotoana izao.
    Lasa ‘zao raha tsy mibolisatra ka dia asakasak’izay tsy te hahalala.

    http://www.gttsra.org

  4. Ataon’ilay apondra izay tsy hisian’ilay fifidianana ! Ary rehefa tsy ho tanteraka ihany ny fifidianana, dia « avelao hifanjevo ao hono », ary tsy hametra-pialàna ilay apondra nasiônaly ! Hi han hi han, hoy izy !!!

    Efa fantatra eran-tany anie fa ny Filoha Ravalomanana mivady no tsy tian’ny frantsay hiverina eo amin’ny toerany ê ; na eo amin’ny lafiny paolitika izany na toe-karena !

    Raha misy fanontaniana tsara apetraka amin’ny CI, dia ireto :

    – Maninona ilay tondrozotra izay nasain-dry zareo arahan’ny vahoaka malagasy, no mifanipaka amin’izay Fifanarahana rehetra nosoniavin’i Madagascar ( anisan’izany ny Accord de Cotonou ), ary koa tondrozotra tsy ara-dalàna ?
    – Voasoratra tao amin’io Tondrozotra io ihany ny hoe saziana izay tsy manaraka sy izay minia manakana ny fanatanterahan’azy. Tsy nitsahatra nandika an’ilay izy ireo mpanongana rehetra, taiza ry zareo tamin’ny ora nidona ? Ny zavatra hitan’ny vahoaka dia ny fanampiana sy fanomezana avy any aminy, ary nampiasain’ireto tsy valahara, nentiny nandrahonana sy namoretana ny vahoaka !

    Noho izany rehetra izany, dia meloka ary miara-mitsikombakomba amin’ny mpanongam-panjakàna ny CI. Ny vahoaka no tokony haniratra ny masony, sy tsy tokony hanaiky lembenana lava izao !

    Aiza ianao ranavalona ô ???? Mihidira an-tsehatra fa aza mangarangarana eo ambaravarakely eo fotsiny ê !

  5. Araky ny voalazako etsy ambony, dia mihevitra ny handika ny Loi électorale indray ilay apondra vendrana ! Hampiseho ny maha « tsy mitanil’azy » ve ny CES, sa hanaraka ny sitrapon’ilay domelina ?

    Izany rehetra izany, miampy ireo fanontaniana eo ambony ireo, dia tokony mba aroson’ny Filoha Ravalomanana rehefa miresaka amin’ireto UA ireto izy androany.
    Resaka ny ahy, fa mino dia mino aho fa efa tao an-dohany daholo izany rehetra izany !

  6. Malgaches réveillez-vous, avant qu’il ne soit vraiment trop tard !!!

    En hommage à ce grand poète et humaniste qui vient de nous quitter ! Reposez en paix Mr G. Moustaki ! D’un de ceux qui ne vous oublieront pas, et qui s’évertue chaque jour, à détacher cette liberté que d’autres avaient enchainée ! !

  7. Faly miarahaba antsika indray , faly koa mamaky fa efa mitovy hevitra isika mianakavy fa tsy ilay mifanenjika botolo fotsiny , ilaina ny mifampiteny , fa ilaina koa ny mifandefitra e ! misaotra antsika mianakavy e!
    Ny ntolona ataontsika izao dia tena mihamafy ary deraina i Ramatoa Lalao Ravalomanana fa matanjaka tsara sady mahery saina , ka dia misaotra an’Andriamanitra.
    Efa tena tsy miafina intsony mantsy izao ny frantsay fa tena miharihary misakana ny filatsahan’i Ramatoa Lalao Ravalomanana ka izany fisakanana izany dia ataony amin’ny fomba rehetra , raha dinihina mantsy dia tsy misy mihitsy làlana misakana azy tsy hilatsaka fa ny hita dia amoronana làlana tsy izy eo , dia mody harotsaka i ingahy Ratsiraka , dia avy eo indray ingahy Rajoelina, ireo olona roa ireo izany amin’ny frantsay efa vato maty naroso ireo ho entina hanalana an’i Ramatoa Lalao Ravalomanana, ny frantsay izany dia tsy mila malagasy mandroso izany ka Ravalomanana no tena fahavalony amin’izany, amin’izao fotoana izao dia ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena dia miady mafy daholo manao izay fomba rehetra hanerena an’i Lalao Ravalomanana hanala ny filatsahany, ny miaramila, ny FFM, ny Cenit, ka izay no ilaina antsika mianakavy hanambatra ny hery , mba tena hijoro fa tsy ho kanosa fa tena ady mafy io, ka mirary antsika havita be e!

  8. ka asa fa tsy kabary e

    Alefaso ny fanambarana ofisialy mitaky valiny hoan’ireo vondrona irteo hanitsiany ny fanambarana diso nataony e

  9. tsy hikahika tsy (feu) d’artifice tsy en pompes

    Efa gidraka be, sakoroka, fiainana mahavaivay no atolotr’i Andry Rajoelina & RatsianaOrana eo ambany fahefan’ireto MITANA BASY
    ___

    Ireo olonkendry mahatsapa fa miova MILAMINA ny fiainany
    isaky ny mandalo ny cortège Ravalomanana

    Alefaso moramora ao ny diantsika ry Neny an: TAFA IZAO!

    Ianareo lehilahy miara-mizotra miaro mitaky mametraka @ toerana.

    AOKA TSY HISY HIVAHOTRA fa efa voasoratra sy raikitra ao an-doha ny MARINA ny METY amin’ny maha-olona sns

  10. Pas assez de Sécurité autour de Lalao
    Les Bains de Foule … C’est bien
    Mais nos Adversaires ne sont pas des enfants de coeur
    Sans Foi , ni loi , et déterminés
    Evitez le Sud , et en Particulier Tuléar
    Les Dahalo sont à la solde de Rajoelina
    Donc Prudence …

  11. La Mouvance RAVALOMANANA MARC ,par la voie de son dé:égué général ,s’exprime et met à jour et rappele à Tous ses profonde s convictions sur se s motivations pour défendre la souveraineté nationale les libertés fondamentales à travers la candidature de
    Madame RAVALOMANANA née RAKOTONIRAINY LALAO..

    La Mouvance constate avec surprise et colère l’entêtement des commanditaires de rajoelina de chercher tous les moyens qui vont invalder la candidature de NENY..
    Car NENY représente la ferme volonté de la Mouvance RAVALOMANANA MARC de poursuivre les efforts socio-économiques réalisés de l’année 2002 à décembre 2008 par les Malgaches sous la conduite de Monsieur le résident de la République RAVALOMANANA MARC..
    Nous avons tous enregistré la forte croisance économique du Pays et la grande amélioration relative du niveau de vie des Malgaches durant ces sept années !
    Ce grand bon effectué par les Malgaches contraste avec la situation socio-économique vécue par les Malgaches en quarante ans avant l’élection du 16 décembre 2001..
    Les mermbres du padesm instrumentalisés par françafrique a lamentablement échoué dans tous kes domanes après la fameuse rébellion qu’ils ont fomentée pour parvenir à une indépendane coquile d’ouef vide !
    Les conséquences désastreuses , catastrophiques de présomption de pouvoir gérer Madagascar et faire marcher les Malgaches n’ont pas cesser de prouver au fur et à mesure l’incapacité , l’incompétence et la non fiabilité de cette équipe (le padesm) programmée artificiellementet contre la sagesse ^des Malagasy ,qui ne supportent ni l’injustice , ni les passe-droits ni surtoutle colonialisme qui a perverti de nombreux Makgaches qui ,toute honte bu , ont aidé ces colonialistes à prendre la gestion du Pays pour faire ma

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *