RAVALOMANANA MARC : Rehefa mandresy i Neny dia mandresy isika !

dada 1

dada 1Nanantanteraka fihaonana tao amin’ny Madera Namontana io tolakandro io ny mpitarika ny zakan’I Dada boriborintany faha 4. Tamin’io fotoana io no nanentanan’izy ireo ny mpomba azy amin’ny fampandresena ny kandidàny. Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby nitafa tamin’ny vahoaka tonga maro teny an-toerana ny filoha Ravalomanana Marc. Faly aho maheno anareo mivory hoy izy. Ny tanjona dia fampandresena an’i Neny. Tiako  horesahina aminareo hoy izy dia fisaorana an’Andriamanitra. Fantatro hoy izy fa matoa tonga izao fotoana izao dia ataovy ao an-tsaina tsara fa rehefa mandresy I Neny dia mandresy isika. Nandritra ny efataona isika nampitahorina ary indrindra fa tsy afa nianatra ny ankizy.Tsy ampy vola ny ray amandreny hoy ny filoha Ravalomanana Marc.  Tiako horesahina ihany koa dia manana mpitarika ianareo dia miraisa hina. Isika rehetra kosa hoy izy dia tokony handray an-tànana ny toromarika omen’ireo mpitarika ireo. Tsy maintsy miray hina sy mitambatra isika fa izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika. Aza matahotra ianareo fa tsy ho ela dia ho avy koa i dada.Hamafisiko hoy izy  fa tsy maintsy ataontsika izay hampandresy an’i Neny. Tsy maintsy esorina ny sakana politika manjo ny firenena. Isika Hoy  Ravalomanana Marc dia mijoro amin’ny fahamarinana sy tsy mamela ny rariny hangina ary isika mijoro amin’ny fahamarinana. Tohizo ny firaisankina, entano ny olona ary  jereo tsara ny paikady amin’ izay fomba rehetra hampandresena an’i Neny.

8 pensées sur “RAVALOMANANA MARC : Rehefa mandresy i Neny dia mandresy isika !”

  1.  » ny @ fomba rehetra hampandresena an’i Neny dia miatomboka aloha @ zavatra efatra. 1) fampitomboana ireo vondrona fampielazan-kevitra isaikin’ny firaisana. Ary mila hafangainina izany 2) ny votoanian’ny fampielazan-kevitra dia mila hatao tsotra sy mazava, ny hoe « movansy Ravalomanana  » dia tsy tsara fa ilay hoe « movansy » manembatsembana Sofina be, ary tokony tso riant mafy ny hoe Lalao RAVALOMANANA fa tsy ny hoe lalaharivelo Rakotonirainy, manjary tsy mazava @ olona izany 3) mila miaraka miasa (alliance) @ ireo mitovitovy hevitra @ ankolafy Ravalomanana, ohatra ny Hetsika vonjy aina, Mananjary vahoaka, sns…4) ary mila fahitalavitra sy radio maromaro.

    Raha ireo no tafapetaka aloha ny datin’ny fampielezan-kevitra dia mba afaka MIADY isika.

  2. I Neny aza nahazo fihofanana ara-politika tany SudAf – Mila formation toa ireny nampiarinao teo @ sefoFokontany ireny ny olona, entanina hivondrona fa ny « Omby indray matory tsy iray mifoha » sns

    Raha afaka mifanaraka @ Vony Aina: araka ny hevitro io no MAZAVA kokoa, fa raha
    misy ny hevitra madinika tsy iombonana fa indrindra tsy mankany amin’ny tombotsoa iombonana, dia aoka ny tsirairay ho afaka manakiana mba hanesorana izany tsotra izao ê!
    Dia : De miombon-kevitra amin’i Laza2 etsy ambony

    Aleoko izay,
    fa ny haihay tsy hiavanana toa ny mianjady @ ireo leaders ny mouvance ra8

    Ny démocratie ny devoly eto mantsy dia : mampandatsa-bato ny sadasada sy maloto rehetra, mba tsy ho afa-pofona FOZA i Gasikara!

  3. TEna mila radio sy tele MBS mandeha isika e TENA TSY MAINTSY

    Mila birao matanjaka feno efitra fivoriana sy fitaovana ; ordinateur logiciel internet téléphone fiara 4*4 ampiasaina isika

    Ireo fitaovana ireo dia azon’ny orinasa tiko ampiasana daholo ihany rehefa vita ny fampielezan-kevitra

    fa mila mampiseho ny fahavononana sy fahatanjahana mihoatra ny hafa isika e

  4. MArefo sy maivana loatra hatreto aloha ny fomba fisehoan-tsika
    Mila zavatra mipoaka sy mandona bebe kokoa

    Aza atao hoe kihana io fa tsikira hantsarana zavatra

  5. Tsy dia fantatro loatra izay votoatin’ny fifanarahana nisy teo @ mydago.com sy ny gazety basy vava fa raha tena mbola Zanak’i Dada ny mydago.com dia tsara dia tsara ny fiarahany miasa @ gazy basy vava satria mampitombo kely ny fanatsarana yn serasera sy fifandraisana indrindra mandritra ny fampielazan-kevitra. Saingy indrisy..mbola dingana kely izany, fa izay afaka manatsa @ fifandraisana rehetra dia aza misalasala. ireo Zanak’i Dada mana blog ohatra dia tokony hifanerasera sy hanaparitaka izany blog izany ka hilaza mazava tsara fa Zanak’i Dada. Tsy ny dokam-barotry ny blog no atao fa ny fampielazan-kevitra hoan’ny Neny.
    Misaotra an’i mydago.com aloha satria mbola mitohy soa amn-tsara ny tolona entiny hatreto. Voasaka kosa ny topmada.com sy ny collectif-gtt.org
    Hamafiso ny serasera sy ny fifandraisantsika.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *