RAVELOSON CONSTANT : Efa tonga eo amin’ny tetezamita tsy misy an-dRajoelina isika

raveloson-constan.-MyDago.com_

raveloson-constan.-MyDago.com_Misavorovoro tanteraka ny fizotry ny famahana ny krizy eto amintsika. Fanina ao anatin’ny sangodim-panina politika ny vahoaka Malagasy. Ho an’ny Ct Raveloson Constant dia nitondra ny fanehoankeviny izy tamin’ireo vahoaka teny amin’ny Magro Behoririka. Nambarany fa ny Ceni-T izany no  mandidy sy ambony noho n’ny CES amin’ny fanapahankevitra raisina eto amin’ny firenena.Ny Ceni-T izany hoy izy dia lasa mpanao politika ka hofoanany ao anatin’ny fotoana fohy ny fifidianana. Raha misy hoy Constant ny fanajanonana ny kandidà Lalao Ravalomanana dia tomponandraikitra izy ireo ary vao mainka  hitombo ny fiahiahiana amin’ny Ceni-T. Tokony hilaza izy ireo fa tompon’antoka amin’ny fanaovana biletà tokana. Izao no feo mandeha hoy izy  ary mampiseho ny tsy fitokisana azy ireo. Momba ny hoe hanatsoaka ny filatsahan-kofidiana. Efa tafarotsaka ho fidiana ireo olona ireo,   efa raikitra izany ary tafapetraka eny amin’ny fitsarana.  Na tamin’ny fifdiianana filohampirenena fahizay aza hoy Constant , rehefa voapetraka ary nekena fa ara-dalàna ary azo fidiana ilay olona dia tsy azo atao intsony ny  hikitihana azy  na tsy hanao aza ilay olona  dia any amin’ny propagady izy no milaza fa  ianona no fidiako. Tsy fotoanan’ny fanindritsindriana ny fitsarana intsony izao.Ny momba ny kandidà  Lalao  Ravalomanana dia tsy misy lalàna ary tsy misy fitsarana n’aiza n’aiza na eto an-toerana na ivelany hoy izy, manome na dia kely akory aza ahazoana mikitika ny kandidà. Rajoelina hoy izy  dia mety hipetraka ny hoe fitsarana Malagasy dia nametraka fa ekena ny kandidànao na dia mihoatra ny fe-potoana aza. Noho ny lalàna Malagasy sy ny fifanekena iraisam-pirenena,izay   nametraka fa ireo 109 ka anisan’izany Ingahy  Rajoelina dia tsy mahazo fidiana, fa manota fady teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.   Tsy azo ampitoviana hoy Constant eo amin’ny  tantara  ny olo-marina sy ny olona mandeha amin’ny tsy marina. Dikan’izany dia mandika lalàna. Tsy misy fifandanjana ny olona henjehin’ny lalàna iraisam-pirenena sy olona tsy misy irika na kely akory aza  azo idivirana ny kandidàny ka aoka handeha amin’ny lalàna. Ny momba ny  fametraham-pialana dia na tsia dia nambarany fa tsy ohatra izany ny lalàna eo amin’izao tontolo izao fa ny fampielezan-kevitra no mety mikisaka iray volana alohan’ny fifidianana.Tokony hajaina ny lalàna velona eto amin’ny firenena.   Rehefa mirotsaka dia miala iray volana mialoha, tsy fanonganam-panjakana akory  izany.Ko anjaran-dRajoelina hoy Constant  raha sady hanao ny filoha sady tsy ara-drariny  no tsy ara-dalàna izy,fa ny filoha ara-dalàna araka ny tondrozotra dia ny fiarahamitantana eo amin’ny Praiminsitra sy ny filohan’ny Ct ary ny filohan’ny Cst. Efa tonga ao amin’ny “Tsara”  na Tetezamita Tsy misy an-dRajoelina isika hoy izy noho ny nataony.

12 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : Efa tonga eo amin’ny tetezamita tsy misy an-dRajoelina isika”

  1. ANISAN ‘ny antony fangatahana ny fanemorana ny fifidianana dia ny hanamarihana fa tafiditra ao salam potoana voafetra ny fifidran i Rajoelina ho kandida .Ka tsy ho hors delai intsony izy.

  2. Tsy mahagaga koa raha mitrosona @’tany daholo ny Gasy dia
    mbola ho avy koa atsy ho atsy raha mbola i domelina no eo dia
    any @ Vava indray no mivoaka ny maloto dia ny ambany no mihinana.
    ny vatatay no efa mibaiko ny Jeneraly mantsy sns hatrany @ faran-tampony izany dia ny CENIT indray koa mibaiko
    ny CES, ka efa sokona mifankahita tay koa moa ireo di tsy misy mifanaja intsony satria samy MIBIZINA daholo sa samy
    BIZINA, lasa etam-barotra sisa ilay fahaizany ka varotana mora2 toy ny vary mora e!!!tsy ahy fa azy!!!MAHONENA!!!

  3. fa ho soroan @ inona ary ilay azavanin iny vao hiala eo e??
    tena mba tssssss tsy hitKo izay hilazana azy fa manome litika be

  4. Michel: ni ni…
    sinon et c’est leur but
    détourner l’attention (sic de la CI) des Conventions préétablies, à plus forte raison celles de liant toutes les nations africaines COTONOU
    et j’en reste là

  5. Mila technocrate hoy ny ffkm: i Sylvain Rabotoarison ao hoy ireto tsy vanona!

    C’est Andry Rajoelina en consultation avec France appuyé par Juriste Fou et coup de pouce par les Armes (éventuellement au cas où reste de la population se montrent récalcitrants)

    les postes clé de cette fameuse transition ne devant s’occuper que des affaires courantes
    étaient bel et bien réservés aux partisans du coup d’état de 2009
    en fait des groupuscules politiques crées par les putshistes à tout niveau

    C’est ça que Nandra Domelina Dégeneré d’Andry Rajoelina appelle CONSCENSUS?!
    Mouvance Ravalo a misé Botozaza pour PM
    cependant sous ordre de France l’on a mis Beriziky – suje(t)raineté oblige…

    à chaque coup y a groupuscules (démocratie version DJ prévaut)
    LE REFLET reste et bien vivant: 49 candidats !!!
    le record du jamais vu mondial
    un autre résultat mauvais très mauvais du pratique d’influence d’Andry Rajoelina
    politiquement parlant

    QUAND CESSERA T ON DE MENER LE PAYS ENTIER EN BATEAU
    par ces mpamarotra tanindrazana
    où le maître à bord est ce pion de France
    dégeneré mental
    dû parce que porteur de GENES-anti-GASY?

    UNE FOIS QUE L’ON A BAFOUE L’ORDRE ETABLI
    toutes les incohérences resurgissent pour accompagner un état hors la loi
    pouf de rire

    NO OTHER WAY na na
    To « Return to the State of Law »

    il faut et suffit que vous les putshistes
    vous vous alignez aux règles stipulées en Accord de niveau International « Cotonou » et ceux préalablement signés national (article 20, …)

  6. « Rehefa mirotsaka dia miala iray volana mialoha,… » !
    Iray sa ROA volana ê ?

    Tel Icare, ci-dessous relatée la situation de Baoby des Nandra, l’homme qui a voulu monter contre vents et chaleurs, très très haut ! Prétentieux, vaniteux et fanfaron, n’écoutant que son ego de putschiste, le voici qui se déplume petit à petit !!

    La chute sera terrible…. sans parachute !! Est-ce en prévision de cette chute, que les paras français..sont soi-disant en exercice avec l’armée malgache depuis un petit moment ?

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,787026

  7. Fifidianana manarapenitra sa tefy gasy sy tandrametaka ???
    Raha ny Lalàna no voadikadika isaky ny iray segaondra, dia tsy hisy raharaha ho vanonana mihintsy !
    Ka amin’ny fomba ahoana moa izany Lalàna izany no hisy hanaraka rahatoa ka ny mpitondra tsy ara-dalàna, ny mpiaro ny Lalàna toa manoa lohan-drongony, ny mazistrà toa azo vidiana toy ny mofo gasy,….!
    Ry zareo ao amin’ny CT dia misy hono izao mangataka ny fiaklàn’ingahy Beriziky ! Fa mba avy any anaty ala sa fotaka ireo CT ireo no tsy mahafantatra akory ny Lalàna mifehy an’ilay Tondrozotra ?
    Tsy hitako izay antony tokony hanesorana an’ingahy Beriziky, ary ny Tondrozotra no miaro azy !

    Mandeha koa ny resaka fa hoe hanova ny lisitra indray koa ny CES, izany hoe HANDIKA LALÀNA INDRAY !!!
    Mazava dia mazava fa ny valim-pifidianana dia tsy hanarapenitra mihintsy raha izao no mitohy ! Ny tena mampalahelo dia ity fisainana ratsy, tsy mijery ny tombotsoa sy ny hetahetam-bahoaka !

    Re mantsy fa ny fanovàna an’io listra io dia izao no antony :
    – Esorina ny anaran’ilay domelina mpanongana, satria mbola maniry ny ho eny Mahamasina angaha izy amin’ny 26 Juin, ary mi-manze faraparany !
    – Esorina ihany koa ny anaran’i Ramatoa Lalao Ravalomanana ( sy ny an’i Ratsiraka izay tsy dia hidiran-tsika )

    Fandikàna Lalàna daholo izany rehetra izany, ary efa mihintsy ny resaka hoe IZA NY OLONA HANOLOANAREO AN-DRAMATOA RAVALOMANANA ?

    TSY AZO EKENA IZANY !!! ATAOVY RAHA TENA MITADY ROTAKA MARINA IANAREO !! HO TAKIAN’NY VAHOAKA AMINAREO REHETRA NY VOLA AZONAREO NANDRITR’IZAY EFATAONA IZAY !!
    IZANY RY ZAREO AO AMIN’NY CENI-T, CT, CST,…ary ireo kiminisinistra tsy mazava rehetra ireo !!!

    Ho anareo mpandraharà : Raha tamin’ny 2009 ianareo no nanao izao hetsika izao, dia tsy ho tahak’izao ny fizotry ny raharaham-pirenena !
    Tohizo atramin’ny farany, na dia efa somary tara ! Aza atao « effet d’annonce » fotsiny !

    http://www.madagascar-tribune.com/Suspension-des-relations-avec-les,18792.html

  8. MON ESPOIR QU ON OSE ACTUELLEMENT A ATTAQUER RAJOELINA DE FACE ,PAR DES MOTS maintenant ,….mais allons y plus loin.

  9. Pourquoi « ose actuellement à attaquer de face, par des mots maintenant » ?
    Les malgaches n’avaient jamais cessé de le faire, par les mots ! Les manifestations ont été réprimées de manières violentes comme chacun le sait !

    Dans cette crise, domelina n’est qu’un mort pion de l’échiquier, une marionnette sans cerveau à qui l’on demande de danser le kilalaka, juste pour épater et amuser la galerie !
    Le pire, c’est que son entourage en est conscient, et ceux qui manipulent les ficelles usent du caractère puéril et m’as-tu vu de Baoby des Nandra pour arriver à leurs fins !

    Les vrais ennemis du peuple malgache sont ailleurs ; c’est pourquoi je n’ai eu de cesse de réclamer à tous ceux qui sont en droit ou ont l’obligation de le faire, de manifester vivement leur indignation, s’ils ont encore un tant soit peu de dignité !

    Nous sommes loin de sortir du tunnel, ou de l’auberge comme disent certains !

    Même l’Allemagne s’y met, histoire de faire plaisir à celui qui ne veut pas que l’Europe lui dicte ce qu’il doit faire ou non ! Je n’ai pas en tête le lien, mais Cf ce samedi 01/06/13:

    MIDI MADAGASCAR : Communauté internationale, vers des sanctions individuelles (ciblées).

    « Des pays » veulent à tous prix éliminer le couple ou la famille Ravalomanana des paysages politique et économique malgaches !

    S’il y a des actions ou manifs à faire, c’est en Europe et surtout en France qu’elles porteraient plus de fruits !!!

    Les WaWahistes, RNSistes et autres SPORTIListes seront-ils au rendez-vous, ou est-ce que ces derniers ont-ils tiré définitivement une croix sur le devenir de ce pays ?

    « Après moi le déluge » daholo izany, angamba ê !

  10. L’Allemagne ne veut surtout pas polémiquer mais je pense sincerement qu’elle est pour la candidature de Lalao Ravalomanana et pour le respect de la date d eléction prévue.
    En europe, le couple Franco-Allemand bat de l’aile et ce n’est un secret pour personne.On essaye publiquement de montrer un autre visage mais il est vite rattrapé par la réalité.
    Par ailleurs, il ne faut pas oublier que certains actionnaires de TIKO étaient allemands.
    http://www.lexpressmada.com/ulrich-hochschild-madagascar/43702–certains-acteurs-ont-declenche-une-situation-incontrolable-.html

  11. TARATASY MISOKATRA
    -ho an’ireo miaramila sy zandary nanongam-panjakana ary mbola miseko sy miebo ary mibontsina manitsakitsaka ny hasina sy ny zon’ny Malagasy !
    Fa tena mihevitra anareo ho iza moa ianareo no dia mizahozaho toa izao..ary mibaiko ny zotry ny fiainan’ny Malagasy..
    Fantatro tsara ianareo mihevitra ny tenanareo ho zavatra…
    Vous n’avez pas découvert l’eau chaude , autrement cela se saurait !Alors baissez le tn et restez au m^me niveau que les Malgaches qui sont partisans de la non-violence..§ Mais devant les cas de force majeure ,nécessité fait loi, , décuple les forces et personne ne sait où cette énergie qui explose s’arrête !
    Ny volan’ny Vahoaka no anakaramana anareo ary mbola io vola io sy vidin’ny hala-botry ataonareo ( volamena ,mercure , aomby rongony , hazo kanto..sns..sns no ataonareo am-paosy hanamboaranreo trano be , ividiananareo automobiles..
    Dia heverinareo fa dondrona ve ny Malagasy..Ny karama maha miaramila anaeo ve dia manome fahefa-mividy (pouvoir d’achat) avo be ka hafahanareo miatrika ny vidin’ireo trano b maro sy automobiles maro ampiasainareo ?
    Sa ianareo mihevitra hizakazaka eto amin’ny Firenena sy hanitsaka ny ara-dàlana , ny rariny sy ny hitsiny izay fototry ny fiaraha-a mlrindra sy mitandro ny fifanajana sy mandala ny fahafahana eo amin’ny lafim-piainana rehetra..
    Dia mihevitra koa ve ianareo fa ireo taranakareo tsy hahafantatra fa halatra sy hery setra no nolovain’izy ireo ary ny Malagasy izay miady ho amin’ny famerenana ny fanajana ny làlana sy ny lalam-panorenana ary ny fampiarana amin’ny heriny rehetra ny Fitsarana ireo tsy valahara nanao heloka bevava tamin’ny Malagasy sy nanimba ary nandroba ny Firenena..
    Ny fatahorana izany ve no manosika anareo no hanaovanareo izao sakana tsy mitombona izao
    mba tsy hisy izany fivoarana sy fanarenana ny simba rehetra ?
    Mafy ve ianareo satria manana fiadiana sy arovan’ny frantsay izay manandevo anareo , ary tianareo no andevozony satria tsy ao aminareo intsony ny fahamendrehana sy ny fanajana ny
    mahaolona anareo dia ny fanahy , izay mampiavaka ny olombelona Malagasy amin’ny amboa izay mazana ankafiazin’ny frantsay noho ireo andevonyny ma?
    ratsiraka izay nioko ary lohan’iny fanonganam-panjakana iny dia vaky lay nandositra satria tsy nahatohatra ,tsy nahaleo ny hey mangina sy ny herin’ny fanahy matanjaka ao amin’ny Malagasy tsy vaky volo !
    Hoy JEHOVAH amin’ny MALAGASY :
    « AMPANGINO NY TAHOTRA SY NY AHIAHINAREO FA IZAHO MIALOHA ANAREO ANY MIASA SY MIADY HO ANAREO ! »

    Dr CELESTIN Robin
    Paris

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *