Spesialy amin’ny ahoana?

Madagasikara ve mila sy mbola hila ny sehatra iraisam- pirenena? Ilay fiombonamben’ny sehatra iraisampirenena ve mahatsiaro ho tompon’antoka amin’ny tranga misy eto amintsika? Midika ho inona
amin’ireo tany madinika sy mbola mahantra toa antsika ny fanampahan- kevitra ara-politika eo amin’izao tontolo izao? Marobe ary mbola azo tohizina ny fanontaniana toy izany, saingy ilàna
fahatsapan-tena ihany koa ny mety ho valiny. Mendrika ny ho rakofam-pantsy ve ity sehatra iraisampirenena ity, rehefa tafatsabaka tanteraka amin’ny firenena Malagasy izy ireo? Mariho tsara fa tsy
vaha-olana ho an’ny mpanao politika no tena ambeti-tenin’ireny solon-tena vahiny ireny, fa vaha-olana ho an’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Tsy maintsy ny mpanao politika kosa anefa no
elanelanin’izy ireo satria olana ara-politika no nipoiran’ny fifanolanana. Misy ady mitam-basy, fikomiana, fanonganam-panjakana, na koa fanandrata-tena ho mpitondra tsy manaraka ny lamina
demokratika, izay miteraka fijaliana sy fahantrana lalina eo amin’ny firenena iray (toa antsika) no tena anto-pisian’ny fanelanelanana ataon’ireny sehatra iraisam-pirenena ireny. Amin’ny
maha-mpanelanelana azy dia tsy miditra mivantana manolotra “vaha-olana” ny sehatra iraisampirenena, fa “manery” kosa ny hery mpifanandrina mba hikaroka vaha-olana ifaneken’ny rehetra. Io
fifanarahana io dia mety ho nalaina tamin’ny alalan’ny lalampanorenana manan-kery, na koa fifanarahana sy dina hiampitana any amin’ny fifidianana. Misy zavatra toa mifanohitra ihany ny fomba
fijerin’ny tera-tany tsirairay raha tsy mijery taratra ny ohatra tany amin’ireo tany efa nitrangan’ny olana sy ny fifandirana. Ny tany Côte d’Ivoire sy ny tao Guinée no ohatra, ka tsy maintsy
hakana lesona raha tena tiana ny hilaminana ato anatiny, sy mba ahafahan’ny firenena any ivelany (izay tsy afa-misaraka noho ny fanatontoloana) hankatoa ny fahefana mpitondra izay tsy manao jery
vilana amin’ny fitantanana. Ny tao Cote d’Ivoire dia tetezamita lavareny no nanjaka tao ary rehefa samy lanaky ny fifanolanana dia nifanaiky sy nahita ny “dina” nifanaovany ny mpifanandrina
rehetra ka tojo ny fifidianana ho filoham-pirenena. Mpanongam-panjakana mivantana kosa no nitondra tao Guinée kanefa dia nifanarahan’ny mpifanandrina fa izay no fahefana hitondra any amin’ny
fifidianana, koa dia tonga teo amin’ny fanantanterahana ny fifidianan ho filohampirenena koa io firenena io. Toa tsotsotra izany rehetra izany kanefa misy tantara sy dingana nifandresen-dahatra
vao tanteraka ny fankantoavana ny fahefam-pitondrana mitantana marina ny fifidianana. Izay ho tohiny dia arakaraky ny fanajana ny vokatra sy ny fironan’ny mpifidy ihany no antoky ny fitoniana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *