« Tsy hidera vady mahay mandihy aho »

Nampantsoin’ny Sadc Ravalomanana Marc ny Zoma lasa teo. Raha ny fitantarany dia nampanaovin’ny Sadc safidy ny tenany. “ Mety ve raha soloina anao ny firotsahan’ny vadinao”, hoy ny Sadc. Mazava
anefa ny valiny avy amin’ny filoha. “ Tenin-dehilahy ny ahy ary ny fiainam-pirenena tsy kilalaon-jaza. Rehefa niteny aho ny 12 Desambra 2012 fa tsy hirotsaka dia hajaiko izany”. Nanamafy ny
tenany fa “ matoky tanteraka ny an’i Neny ary tsy maintsy hivoaka mpandresy”. Ravalomanana Lalao dia natolotry ny ankolafy Ravalomanana ary lanin’ireo antoko rehetra mandrafitra ny ankolafy izay
niatrika kongresy tany Afrika Atsimo fa “ solon-tenan’ny ankolafy”. Ny dosie-ny rahateo neken’ny Ces izay tsy azo ivalozana ary tsy azo ihodivirana. “ Tsy hidera vady mahay mandihy aho fa aleo ny
sandriny no hilaza azy” hoy i Marc Ravalomanana. “ Aleo entin’i Neny ny firenena izy rahateo vonona ny hanarina an’i Madagasikara”. Velom-panontaniana ihany koa ity filoha ity. “ Nahoana ny olona
izay manao ny tsy mety ary tsy nanaraka ny “procédure” tamin’ny fandrotsahana dosie no tsy saziana. Teo am-pamaranana dia nanantitra tamin’ireo mpitolona teo amin’ny Magro ny filoha Ravalomanana
fa “ tsy hisy korontana izany, eto fa raha misy izany dia ireo vahoaka nahazo tombontsoa manokana no manao izany. Tsy misy tokony ahiana iny fanambarana navoakan’ny Sadc iny satria ara-dalàna ny
kandidatioran’i Neny ary ara-dalàna koa ny hahalany azy”.

6 pensées sur “« Tsy hidera vady mahay mandihy aho »”

  1. Ilaina mihintsy isika mpanohana ny kandidà Rtoa Lalao Ravalomanana, hihezaka aingana hikaroka ny fomba rehetra handravana ny paika ratsy ataony governemantan’i Flanby izao!
    Satria nekena ny anaran’i Rtoa Lalao R.R dia natsofika aingana ny anaran’i domelina mba hafahan’i France avy eo manery ny SADC, hampanaisotra alavitra ilay olona tena hatahorandry zareo, dia Ravalomanana na Atoa na Rtoa!!!
    Ka haverimberin’i France foana ny « chantage » hoe « hanakorotana », »tsy hitondra filaminana » ny anarana Ravalomanana!!!
    Tairo re olona izay paika matsilo fa ho ataon’ny frantsay maimbo anie ny « chantage » io rah tsy mivoatra mba taitra amin’izay isika e!

  2. Io ny tanjon-tsika ry K M kanefa aleo tsy milasilasy intsony mihintsy fa efa tara ihany anie ny fiaingana an!
    Aiza ny ekipa sy ny fomba fiasa ary e?
    Ilaina fitokisana sy fitonina mba ahatafita ny fiara-miasa tena izy fa tsy an-serasera lava izao! Ka ahoana hoy ny rehetra?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *