Tsy manara-dalàna i Andry Rajoelina

Tsy nisorona mihitsy Atoa Voninahitsy Jean Eugène tamin’ny filazany ny fahitàny ny toe-draharaham- pirenena nikasika indrindra ilay firotsahana tampotampoka nataon’Atoa Andry Rajoelina ny
faran’ny herinandro lasa teo. Efa tsy mahagaga intsony, hoy ny nambarany ny tsy fitazonan’ity filohan’ny tetezamita ity ny teniny, ary tsy dia any loatra ny olana, fa noho izy tena mandika lalàna
ampahibemaso. Tsy asiany hasiny sy tsy mipetraka mihitsy ny fanajàna ny lalàna raha ny nambaran’I Voninahitsy Jean Eugène ihany, satria efa nisy ny fe-potoana noferan’ny CES amin’ny fanaterana ny
antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, saingy mbola ninia nanao ankasomparana sy nanao be loha fotsiny i Andry Rajoelina. Nampatsiahiviny mihitsy aza fa isan’ny nahatonga ny fanonganana an’Atoa
Marc Ravalomanana teo amin’ny toerany ny fandikan-dalàna nataony, kanefa dia izao averin’ity mpanongampanjakana ity izao indray. Ankoatra ireo, dia nametraka ny ahiahiny tanteraka tamin’ny CES ny
tenany ary notsipihiny mihitsy aza fa tsy azo itokisana tsy hitongilana ireo. Ny fifidianana hoy izy no isan’ny andrandrain’ny vahoaka fa tsy izay tora-po maro isan-karazany hanamparana ny
haben’ny atidohan’ny tsirairay.

4 pensées sur “Tsy manara-dalàna i Andry Rajoelina”

  1. Sssshhhhhiiii!!!
    Izay tenin’i Voninahitsy jean Eugène ve dia asiana resaka velarina eto eee!!!???

    Omena vahana ve ny resak’izay olona voaheloka amin’ny fanaovana Chèques sans provisions » an-taonanany maro?

    No indrindra, sady niray petsapetsa tamin’ny fanonganam-panjakan???

    Tsia, No, Niet, Nein!!!!

  2. Iza no mbola tsy naka ilay PASIPAORO ô???
    io koa voninahitsy fa naka ny pasipaoro « Ravalomanana ??? »
    tsy maintsy ampidirina kely ao ilay « Ravalomanana » fa asa tokoa re raha tena mba ahoana raha tena
    TOKOA NY TOKOA e???rahampitso « mody dada « dia anio « tsy hilaina « dia efa tapa-kevitra idray izy tsy hody
    dia midingina daholo fa tokony hody izy satria efa tapitra ny filatsahana mba hangalana ny fon’ ny olona???
    voninahitsy tena mpanara-dalana an????firy Hekitara izay ny tanin’olona azon’io  » POLITIKA NIGADRA io »
    dia izy no mba manome lesona an’i domelina , sa te hanonona ilay Pasipaoro fotsiny hifidianana azy???
    hay tsy i dada ihany no ataoran’ity JIOLAHY fa ny JIOLAHY TOA AZY KOA????MAPMĖ BĖ !!!!!!!!

  3. eo rajoelina manao be loha tsy manara-dalana fa eo koa ny CES tsy manatanteraka ny asany(angamba izy ireo olona matim-bola avy)ary tena mandray isika malagasy ho tsy mahay lalàna.Ary mikasika an-dRajoelina tsy dia mahagaga loatra satria DJ izany no asany.

  4. Samy tsy manara-dalana na ny CES izay nandray ny dossiers na i Rajoelina izay tara. Ny CES rahateo koa angamba tsy mahalala ny andraikitra maha mpitsara azy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *