« Tsy nisy maty izany fa ambadika politika no nisy », hoy ny ministry ny filaminana anatiny

Tena hentitra ny ministry ny filaminana anatiny, Arsène Rakotondrazaka niresaka tamin’ny mpanao gazety. “ Tsy olona maty vokatry ny “ déléstage” izany no nitarika ny korontana tany Mananara
Avaratra rehefa natao ny fanadihadiana fa tena fitadiavana korontana ataona mpanao politika”. Raha aravona ity filazana ity dia “ ambadika politika” no anton’iny rombo tany Mananara Avaratra iny.
Karazana manenji-dresy ary mandatsà ireo fianakaviana nidonam-pahoriana ity fanambarana nataon’ny contrôleur général Arsène Rakotondrazaka ity, hoy ireo mpanara-baovao. Ahiana ny hiitaran’ny
hetsika vokatr’izay fanambarana izay. Amin’izao fotoana dia napetraka ny fepetra tsy azo hivezivezena amin’ny alina na “couvre –feu” ary naato mandritra ny fotoana tsy voafetra aloha ny asan’ireo
mpitandro ny filaminana. Ny antony dia tsy manaiky ireo mponina taorian’ny nahafatesana tovolahy kely iray taorian’ny bala very avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Ny Alatsinainy teo moa dia
nobahanan’ny mponina ny seranam-piaramanidina. Efa nisy ny delegasiona mafonja avy aty Antananarivo nidina any an-toerana hijery izay fomba handravonana ny olana. Fantatra ihany koa fa olona 5
izao no efa voasambotra ary atao fanadihadiana.

2 pensées sur “« Tsy nisy maty izany fa ambadika politika no nisy », hoy ny ministry ny filaminana anatiny”

  1. mbo ataovy serieux moa ry zalahy a!
    Koa ahoana koa izany ilay rongony be natao hoe tratra de tao Antsirabe mihintsy. Nefa Rtoa Filoha Ravalomanana Lalao faha 2 @ lisitra navoakan’ ny CENIT. Sao dia mba any indray ary ilay kely very tady poitra iry? kaporaly charlie nakany e. Mahay manimbolo ireny hono mantsy no talentany ary avy dia hainy hoe tokony ho ary na atsy no misy rongony tratrarina.
    Mba taovy serieux ry zalahy fa …

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *