Ankolafy Ravalomanana : Handray fepetra hentitra raha esorina tsy ho kandidà Lalao Ravalomanana

MyDago.com- cconf press mouvance (10)

MyDago.com- cconf press mouvance (10)Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety io hariva io tetsy Faravohitra ny Ankolafy Ravalomanana, notarihan’ny filohan’ny delegasiona Mamy Rakotoarivelo, ny filoha lefitry ny CST Me Hanitra Razafimanantsoa, ny minisitry ny fiompiana Ramatoa Ihanta Randriamandranto, ny minisitry ny fambolena Roland Ravatomanga. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa fanitsakitsahana ny lalàna velona ny zavatra notapahina tamin’ilay konklavy natao teny Ivato omaly. Hevitra tsy niarahan’ny daholobe ireny hoy ny Ankolafy Ravalomanana ary  mifanohitra tanteraka amin’ny voasoratra ao anatin’ny tonjozotra.

Fihoaram-pefy amin’ny  lalàna velona no misy eto tamin’ilay fehinkevitra nolanian’ny mpizaika tao amin’ny konklavy hoy Mamy Rakotoarivelo satria  nangataka amin’ny CES hanova ny didy nivoaka ny  03 mai lasa teo izay efa voasoratra fa  didy tsy azo hiverenana.

Manoloana izany dia manao antso avo amin’ny fianankaviam-be iraisam-pirenena ny Ankolafy Ravalomanana hanaja ny zavatra efa tapaka sy ny nifanarahana. Ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena avy any ivelany kanefa na izany aza dia zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena sy ny safidin’ny vahoaka Malagasy hoy izy ireo.

Nampitandrina ny Ankolafy Ravalomanana fa raha manala ny maha kandidà an-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny CES dia  handray fepetra hentitra ny Ankolafy Ravalomanana ary  tsy tompon’andraikitra amin’ny zavatra mety mitranga.

22 pensées sur “Ankolafy Ravalomanana : Handray fepetra hentitra raha esorina tsy ho kandidà Lalao Ravalomanana”

  1. HIHIHIIIIII EFA ELA EEEEEEEE EFA ELA NO NAHENOINA AN’ AMBATOBEVOKA
    fa tsa mbola teraka foana.ENY INDRAY ARY TOMPOKO isany ô!!!inona ary rahoviana ary??
    Dia inona no ambadika ohatra avy eo???sakoroka atao @ anaran’i Ravalomanana mba hanamborana azy
    mianakavy hanaterana azy any ATSIMO VE?????fanontaniana ny ahy an!!!sao misy aviavy eo!!MAILO!!!!
    mbola misy zavatra tokony hiadivana lavitra noho izany TALOHAN’io dia ny fanatanterahana ilay FR maninona
    no tsy nietsika???manninona no izao ????MAHANA IHANY aho , tsy mahatoky saka fa trondro ny laoka.

  2. HANAO NY FANAONY I RAJOELINA DIA HANATANTERAKA NY FANIRIAN NY frANTSAY ,
    ARY HIJANONA HO FILOHA NA DIA EFA TSY izy intsony atr@ ny naha kandida azy .
    Ka ny mouvance Ravalomanana sy Lalao Ravalomanana no hataony tomponanadraikitra @ ny mampikatso an i Madagasikara izao .

  3. HANAO NY FANAONY I RAJOELINA DIA HANATANTERAKA NY FANIRIAN NY frANTSAY ,
    ARY HIJANONA HO FILOHA NA DIA EFA TSY izy intsony atr@ ny naha kandida azy .
    Ka ny mouvance Ravalomanana sy Lalao Ravalomanana no hataony tomponanadraikitra @ ny mampikatso an i Madagasikara izao .

  4. ny manahirana ahy amin ity olona hoe RANAVALONA ity de toa momba nef maneso inona izao no mba efa nataonao io manoratroratra eto sa mba efa niharany lacrymùogenin i bomba olona any andafy any angamba ianareo ireo de be resaka tahakanio an

  5. Ouatatay, misy gonan’Ambato angaha izany.Miasa tokony i Mamy Rakotoarivelo fa paika avy amin’i Marc Ravalomanana daholo ve izao satria dia tetika marivo no entina miady amin’ny ambodia FAT

  6. ndao hiady hifamono e? zé velona no tompon’ny fahefana sy ny fitondrana!! zay no tena hevitra mety indrindra!! vonona koa izahay e? aza asiana resabe sy fampitahorana intsony fa ndao tonga dé hiady e!!! alefaaaaaa!!!! efa vonona ny aty!! vatolampy azo andihizana tsara!! zé resy miala!!!

  7. Izao toe-tsaina foza toa izao ambaranao izao no hitolomana tsy hiverina intsony eto Madagasikara. Ny fanoherana ny fanitsakitsahana ny zon’ny Malagasy izay kasain’ny frantsay sy ny namany dia atao ampilaminana.

  8. Rehefa miziriziry hitazona ny heviny ny foza tohanan’ny fratsay dia aleo apoaka amin’izay ê! tsy maninona na tara aza. Ny ahy ny faniriako dia ny hamerina ny VVS (Vonoy nyV… Sisa. Ireo foana ve no hanjaka eto nefa isika no tompon’ny tany. Tairo @izay rangaha fa ela loatra â

  9. Ny ahy aloha dia ny vahoaka no tompon-teny farany satria raha izao ny fandehany ka tsy arahantsika fihetsehana dia hitarazoka eto foana izy ity.Ireto komity ny eritreritry ny sandoka(C.E.S) ireto ange dia iray ihany ry zareo sy Rajoelina, jerevo fotsiny mody nekeny ny filatsahany i Ravalomanana Rakotonirainy lalao, nefa atsy ambadika izy mampiditra moramaora antsokosoko ny filatsahany i Rajoelina, dadany ange ilay paika é, fanina mihitsy izay tsy maharaka, ka mbola averiko ihany ilay fitenenana manao woe:izay miaraka be dia be( ny vahoaka io) dia tsy ho laniny ny mamba velively, ka ndao re hiaraka hirodorodo hanala anity NIFY efa LO feno nana (Rajoelina io), fa tsy misy afa-tsy izay sisa, satria ny heviny ihany no tsy maintsy tanterahana, asakasakitsika tsy mbola tonga saina fa i Rajoelina dia efa nanao FATIDRA taminy MENA SOFINA ka tsy te-hiala eo mihitsy.

  10. Sady fanandràmana ihany ity, fa tsy taviditra intsony ny tary ! Mampatsiahy ny fisakànana nataon’ny miaramila teny Ivato marina ilay izy !
    Mba lazao amin’ny mailaka ny olana ry MyDago aza fady indrindra, rahatoa ka olana ara tekinika â !

    Rasamy,
    Efa an-dàlana ny fanomanana ê !

  11.  » TSAPATSAPA VODIN ‘AKOHO.IZANY ?RAHA TSY TAY AODY….! »

    Le peu qui reste de ce qui est du pouvoir usurpé s’est attribué le droit de réunir les quatre mouvances et les entités politiques qui ont signé à GABORONE la feuille de route..
    Pour quoi faire ?
    Pour faire semblant que ce reste de pouvoir respecte la forme des dispositions de la feuille de route ,car ceux qui l’ont signée ont été présentes à cette réunion..
    Mais là où le semblant n’a été que symbolique (et c’est là certainement la raison qui interdit toute communication avec l’extérieur )est représenté par l’exhortation adressée à la CES d’annuler les résultats de leurs jugemnts des enregistrements de toutes les candidatures qu’ils ont validées !
    Comment un ramassis de trois commissions bidules osent-elles donner l’ordre à une institution judiciaire indépendante de se déjuger ,de renier leurs jugements qui ont ét » pris avec leur intime conviction..? Le cas de rajoelina a été le résultat d’un abus de pouvoir et constitue les conséquences néfastes du coup d’état permanent érigé en mode de fonctionnement de ce pouvoir usurpé depuis le 17 mars 2009.
    Mais i n’est pas question
    de satisfaire à cette requête outrecuidante de cette fausse autorité qui s’est permise de réunir à conclave des personnalités garantes officiellement de la feuillle de route qu’ils ont signées !
    La propositin de requête à présenter à la CES n’ a pas , dans son esprit l’assentiment consensuel de la totalité des participants à cette mascarade de d’acte politique pernicieux et malhonnête,ayant pour objectif l’ occupation du pouvoir si la proposition avait  » réussi à arracher une réponse consensuelle de la part des participants à ce conclave !
    Ces petits surpateurs qui ont organisé ce conclave ont voulu apliquer l’adage;
     » Tsapatsapa vodin’akoho ;raha tsy tay atody…! »
    .
    SEM la Présidente de l’UA l’explicitement exprimé quand elle a refusé rajoelina d’aller assisté à la TIPAD au JAPON….
    N.B. :rajoelina n’est plus officiellement le président de ka transition unilatérale

  12. Mahonena rehefa marivo salosana itony olona izay MISEHO HO KATOLIKA ALOHAN’i PAPE.
    Ngona sy IZY ! tsy voatery ho tanisaina eto vao lazaina fa MITOLONA TOKOA fa @VOANY NO
    AHAFANTARANA NY HAZO. Fantatro ny zavatra teneniko koa mba matsintsiana fa raha nisy VITANAO IO AVY IREO
    dia tsy ho tonga t@’izao i Dago fa samy mbola miady manao izay tandrifiny avy, NY TANTARA NO AOKA HITSARA e!!

    ZA TSY MINO IZAY BLA BLA ITSONY FA EFA BE LOATRA IZAY INDRINDRA NY ANIn’iTY KOTOVELO! VOKATRA NO
    ENDRASAKO FA ZA TSY AZO FAHANANA LALITRA INTSONY RAHA TIANAREO HO FANTATRA!! ampy izay FITAKA
    LAVA FANAOVANA FITAOVANA ny anaran’i DADA HAMANTSIANA NY SEZAN’i DOMELINA!!!!MAZAVA VE????????
    RAHA MISY ZAVATRA MIVAINGANA EO » IZAO « DIA IZAY AHO VAO HIAIKY INDRAY FA TSARA I KOTOVELO FA RAHA
    MBOLA  » resaka mahabe loa-bary  » TSY MINO AHO E!!!EFA BE IZAY OAH!!!!
    Misy dikany matoa io anarana io napetaka tamiko fa tsy izaho no LINGITRA !!!ataoko fa mazava ny @’iny.

  13. Tsy mora io tolona io fa tena sarotra izay no tokony hifanohanana mandrakariva tsy hoe rehefa tsy mety araka ny hevitrao ilay atao dia milaza ianao fa mpamadika ny mpitarika na tsy alehany, aza adino fa mpanongam-panjakana ny olona mifanandrina aminao , tsy mitsindro ny soa ho an’ny vahoaka izany fa vonona ny hanao sorona

  14. Tsy mora tokony ny tolona satria ry zareo mpanao biriky dia efa nametraka ny anjara birikiny ary ny lapa mihintsy no tiany hahorina amin’ny volam-bahoaka.
    Etsy andaniny, ny mpiompy omby sy tantely dia manohitra an’io fanamboarana lapa io satria voatery alana daholo ny zava-maniry hahazoan’ny omby sy ny tantely misakafo.Io lapa io mantsy dia hatao hanofanana mpanao biriky maro hahay hanangona ny singan-tanin’i Gasikara mba tsy hisy hijanona ho an’ny tantsaha.Natao handraisana vahiny koa ny lapa manara-penitra izay tsy ho tantsaha velively ny hanitsaka azy.Ary rehefa mitady tany ny mpanao biriky dia tany be harena fa tsy karakaina mihintsy.Fa ny tena loza dia ireo lohandohan’ny mpisorona mitanisa ny tiavo ny namanao tahaka ny tenanao rehefa alahady kanefa manao ambakao ny namanao rehefa alatsinainy.

  15. MIANTSO ALIKA HANAIKITRA hoe fa tsy miantso vonjy velively.
    Leom-piadanana ireny olona ireny ,tė ho derain’ny alika koa no t enna marina,
    efa zatra mpisolelaka na mpivarotra ny anabaviny koa ny tanindrazana avy no varotana varo-boba.
    Efa hita fa efa tsy miraharaha anao izay iraisam-pirenena any koa inoa o mbola mahalingitra manao
    tati-reraka , maka afo @ maty????MAHONENA!!!!!!
    Efa ho 5 taona nie isika no eto nefa inona no mba FANAPAHAN-KEVITRA NORAISINY????mody
    tsy manaiky nefa tsy hita hoe……….aiza izao ilay sazy ???toa vao maika domelina midingina????

  16. Je vous embrouille
    Vous, les tas de nouilles !
    Je m’en mets plein les fouilles !
    De ce pays, je m’en bats les c..illes !!

    Iza no miteny an’io ô ?

  17. Lazainareo fa boka ny fitombenany, dia izao indray ramatoa Naika lazainareo fa lehilahy tsy vanona ! Nisitrika tao anaty zipony angaha ianareo io ?
    Toa mialona be ianareo noho ny fankasitrahan’ny vahoaka, ny zava-drehetra ataony !

    Tena hita fa TSY SITRAKAREO, ny zavatra ataon’ny tena mpiaro ny ara-dalàna, dia voizina mihintsy erak’izao vazan-tany rehetra izao !!! !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *