Dian’I Lalao Ravalomanana tany Sofia : « Mila olom-baovao sy mpitondra vaovao ny Malagasy »

OLYMPUS DIGITAL CAMERA

Fitsenana makotroka no nandraisan’ny vahoaka tao Andranomamy, Ambondromamy, Mampikomy ary Antsohihy an-dRamatoa Lalao Ravalomanana sy ireo delegasiona niaraka amin’ny nahitana ny minisitry ny varotra Olga Ramalason, ny Cst Lanto Rabenantoandro, Cst Naike Eliane, cst Zaza, ny Ct Patrice, Ct Eric, andriamatoa  Gut Rivo Randrianarisoa, ny filohan’ny KMNR Fenand Jeannot an. Vahoaka marobe no nitsena azy ireo tamin’izany. Nisaotra ny mpikarakara tamin’ny fitsenana Ramatoa Lalao  Ravalomanana. Feno fifaliana ny tenako hoy izy. Nanafatra i Dada  hoy izy hoe mandram-pihaona e ! mivavàha ka az

a mitsahatra fa ny vavaka no manovana zavatra hoy ny hafany. Henoko daholo ny hetahetanareo teo hoy I Neny Lalao tao Ambondromamy, ny  mpianatra tsy mianatra, ny fiainana sarotra, tsy afaka manao fanatanjahantena ny tanora, manjaka ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahampian-tsakafo, ny tsy fandehanan’ny fampianarana dia ontsa dia ontsa aho hoy i Neny, honena dia honenany tenany. Noho izany dia Vonona aho hoy Ramatoa Lalao Ravalomanana hamerina sy hanarina ny firenena ho vanona ary ny fiaraha-miasa no fahombiazana. Vonona hitondra izany I Neny. Vonona aho izy hijery ny reny mba hiadanan’ny fiainan’izy ireny. Mila mifamela sy mifankatia isika.Ankoatra izay dia  nisy ny fihaonany tamin’ireo fikambanam-behivavy tany an-toerana sy ny sampana dorkasy ary dia notolorany fanomezana. Nidina tao an-tsenan’i Mampikomy  ihany koa ny tenany. Tamin’izany no nanomezany toky fa hamboarina ny trano fidiovana sy ny Wc ho an’ny vahoaka. Nihaona tamin’ireo ben’ny tanàna any amin’iny faritra manodidina iny ny tenany avy eo.Nitohy hatreto Antsohihy, nihaonany tamin’ny sekretera jeneralin’ny faritra Sofia. Nanome toky ity farany fa hilamina ny hetsika hatao eto Antsohihy rahampitso. » Mahazo manao hetsika am-pifaliana ianareo » hoy izy.

 

11 pensées sur “Dian’I Lalao Ravalomanana tany Sofia : « Mila olom-baovao sy mpitondra vaovao ny Malagasy »”

  1. Mankasitraka Tompoko isany ô!!!!alatsao ny ranomaso fa aza tazomina sao mankarary e!!
    ny ahy koa aza mba latsaka ray olona ‘ngah tsy loza! diso fal loatra e!!!homba antsika Andriamanitra !
    Io ilay tena reny e! tsy nofy intony fa io izy!!io ilay nendrasantsika izay ela be zay!dada sisa e!

  2. Betsaka ny foza no nilaza fa eto andrenivohitra sy Antsirabe ihany no mila an’i Ra8. Ny tsara atao ilevenam-bola hoy ny ntaolo.
    Hay tsy nisy nanadino ireny asa mafy noheverin’ny sasany tsy nisy ilana azy ireny.
    Mitohy nytolona. Aoka hiray hina hatrany satria ny mitabe tsy lanin’ny mamba. Mankasitraka sy mankatelina e!

  3. mamorona atao foana Domelina fa resim-bavy,refa tsy hihetsika isika de jereo tsara fa mbola hijoro eo io @ 26 juin,de mbola hisafo ny andiatafika,tsy milay mintsy le 26 juin miaraka @ foza ,na hanipitoloha aza tsisy tsirony mintsy raha vao mbola mieritreritra hoe foza no mitondra no sady mieritreritra hoe nitombo firy indray ny tsy mankialofana sy ny tsy manana ho hanina…..pfffff leo ,leo,leo,aza omena basy aho aminizao fa angamba tsy haiko

  4. Tena ny tiana mitombo tarehy ity ry Rtoa Filoha. Tena « VITA MALAGASY » tokoa any izany e! Dia tohizintsika fotsiny ny lalantsika tsy ankiherikerika fa ho sira mivaingana eo izay miroaroa saina. Tsy maintsy ialantsika ny fitondrana sodoma sy gomora. Dia « aza matahotra fa minoa fotsiny ihany » fa ankoatra an’Atra dia maro be koa ny olon-tsotra tsara azonao ametrahana fitokisana eto an-tany. Ary ombanao, omban’Atoa Filoha Ravalomanana ary omban’ny tena vahoaka malagasy mandrakariva ny Nahary ny Fahazavana sy izao tontolo izao.

  5. HETSIKA GTT, ASABOTSY 15.06.2013 PLACE DE L’OPERA …

    Antso GTT miaraka amin’ny Filoha Ravalomanana: ASABOTSY 15.06.2013 Place de l’Opéra (Paris) – Raha manana 10 minitra, 30 minitra, adin’ny iray na roa ho an’ny firenena ianao, dia tongava handray anjara amin’ny hetsika « Démocratie pour tous : le peuple malgache y a droit » , fizarana tract sy fitafana mivantana amin’ny vahoaka frantsay, ampahafantarana ny zava-misy !

  6. Mientam-pifaliana isika mianakavy, dia ny Malagasy iray manontolo. Izao tokoa no tojo ilay hoe « mahareta fa hanana ny soa! » Soa ho an’ny firenena sy ny mpiara-belona ka tsy ho avelantsika intsony! Mazava ny lalan-kombana: mifidy an’Ineny isika!
    Mankahery anareo zanakampielezana any dilambato rehetra any: hahitsio tokoa ny lainga rehetra arafitra sy afafin’ireo matahotra ny hanehoan’ny vahoaka malagasy ny safidiny amin’izao fotoana.
    The Lord God bless us all!

  7. – Visiter les régions en pré-campagne est une très bonne idée, si et seulement si c’est combiner avec des contacts et visites de proximité: village, fokontany, EKAR, FJKM, Lutérienne,Evangélique,Lycées,Universités, etc…
    – Renforcer la sécurité rapprochée même si des hostilités n’existent pas du moins pour le moment…car 3 officiers de sécurité me semblent pas suffisant selon la personnalité à protéger,Neny, Première Dame-Patriote-Candidat, j’ai vu que Jean Marc assure le Flanc Droit, mais je pense que 6 éléments par déplacement c’est mieux.

  8. LES MALGACHES PARTOUT OU PASSE MADAME RAVALOMANANA LAALAO NOTRE CANDIDATE AFFICHENT LEUR ATTACHEMENT A NENY ET LEUR RESISTANCE TRANUILLE MAIS DECIDEE CONTRE LE RETRAIT DE SA CANDIDATURE !
    Les affluences massives des Malgaches venus à la rencntre
    de notre Candidate RAVALOMANANA LALAO sont éloquentes et traduisent ,sans aucune ambiguité leur choix , démontrent à Tous surtout à ceux de l’UA , de la SADC ,obstinés ,qui veulent ,contre la logique de la vox populi ,s’opposer à sa candidature qui a été validée , avec bénéfice de circonstances atténuates par la Cour électotrale spéciale , haute juridiction de Madagascar ,qui n’ a besoin pour juger de l’autorisation de la communauté internatonale ou par son représentant la SADC.
    La SADC peut-elle nous donner la ou les raisons pour lesquelles la non application des accords de COTONOU contre les candidatures des putschistes jusqu’à ce jour ?.L’application des dispositions de ces accords ne pose aucun problème..
    Alors nous ne comprenon rien l’acharnement de la SADC à nous imposer son diktat concernant cette invlidation pour séjour à Magagascar inférieur à six moi !En quoi et pourquoi , cette insuffisance de séjour décrédibilise- t – les élections présidentielles.
    Cette intransigeance de retrait de la candidature ressemble à une démonstration d’hégémonie , à un abus de pouir de la SADC , qui en de nombreuses occasions a manqué d’user de son autorité pour arbitrer ,pour déciger.., ce qui explicite les r les quelles nous n’avons jamais eu d’explicaruon claire et précise de la part de la SADC..
    Nous , face à cet accharnement sur le retrait de la candidature de Madame RAVALOMANANA MARC comme une occasion pour la SADC de rattraper tous ces occasions qu’elle a manquées pour dire et appmiquer les dispositions des articles de la feuille de route , qui est restée loquée !.
    Le chantage non acceptable que présente la SADC sur le retrait de la candidatur
    de Madame RAVOLOMANANA MARC ressemble à s’y méprendre à une éxigence anti-démocratique du temps de l’administration coloniale ,contre laquelle nous luttons depuis plus de cent ans et nous avons cru que notre  » être membre de la SADC  » nous prrotège contre de telle surprise.., !
    Mettre notre candidate au même niveau  » d’inculpation quedeux putschistes notoires ,sans aocune distinction , constitue un amalgame malheureux et diffamant à l’endroit de Madama RAVALOMANANA RAKOTONIRAINY LALAO !
    Les affluences des Malgaches venus la recevoir dans chaque village , dans chaque ville aux marchés ou à d’autres endrots représentent le refus de ce retrait et la démonstration de leur résistance tranquille contre , l’accharnement obstiné ,irréfléchi , nuisible de la SADC !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *