Lalao Ravalomanana : « Entintsika am-pitiavana , amin’ny famelan-keloka ary amin’ny fanantenana ny firenena. »

Antanifotsy 10.06.13 (11)

Antanifotsy 10.06.13 (11)Vory lanona tao  Antanifotsy io maraina io ny vahoaka mpomba ny filoha Ravalomanana Marc. Tonga tao an-toerana Ramatoa Lalao Ravalomanana niaraka tamin’ny filoha lefitry ny Cst Hanitra Razafimanantsoa, ireo Cst sy Ct avy any amin’iny faritra Vakinakaratra iny. Tamin’ny lahateny nataon’I Neny no nisaorany ny vahoaka tamin’ny fitrotroana am-bavaka ny fianakaviana Ravalomanana  mianakavy nandritra izay efataona izay. Efataona izay hoy izy no niharetana ny  mafy noho izany dia   mila olom-baovao isika. Vonona aho hoy Ramatoa Lalao Ravalomanana hitarika ny vahoaka Malagasy sy   hanarina ny rava ary  hijery sy hiara hiasa amin’ny reny mba ahazoana taranaka vanona.  Entintsika am-pitiavana , amin’ny famelan-keloka ny firenena  , ary amin’ny   fanantenana ny firenena.  Androany i Neny dia vonona hijery ny zavamisy sy ny hetahetam-bahoaka ary fiaraha miasa no fahombiazana. Aza atao ambanin-javatra hoy izy ny ara-panahy. Ankoatra izany dia nitondra ny hafatra avy amin’ny filoha Ravalomanana Marc ihany koa ny tenany. Nanafatra I Dada hoy izy hoe : mandrampihaona hono, ary mivavaha ka aza mitsahatra fa ny vavaka no manova zavatra.

10 pensées sur “Lalao Ravalomanana : « Entintsika am-pitiavana , amin’ny famelan-keloka ary amin’ny fanantenana ny firenena. »”

  1. NENY O SAO DIA DISO TAFAHOATRA NY FITIAVAN’NY VAHOAKA MALAGASY ANAO FA NY FOZA IZAY MIJERY ANIE IZAO TSY FANTATRA INTSONY NA KAKA PATALOHA NA SAFOTRA NA NIAKATRA TOSI-DRA SY NY SISA E !

  2. Tokony hamerina ny vola rehetra azo tamin’ny halatra izay nataony aloha ny TGVista rehetra sy ny Ratsirakista nanao izany , dia avy eo tokony hokarakarain’izy ireo ireo izay nitondra takaitra rehetra noho ny asa ratsiny nataony.Avy eo angamba dia afaka miresaka famelan-keloka.

  3. « Aza atao ambanin-javatra hoy izy ny ara-panahy » Ekena zato isan-jato. Marihina fotsiny fa tsy anjaran’ny politika ny ara-panahy. Ary asa no angatahina amintsika izao fa tsy finoana, ary fanabeazana fa tsy fivavahana . Mbola vitsy tokoa ny Malagasy tsy nandia ny tokonam-baravaran’ny sekoly , ary ireo fiangonana sy trano-pivavahana no maro sy tonga any ambanivohita rehetra ny noho ny sekoly. Miankina indrindridra izany @ fanarenana ny rava sy fanorenana ny vaovao izay ambeti-tenin’i Neny.. Tena fahavoazana lehibe ho an’i Madagasikara tokoa ny taham-pianarana satria na ny manoratra sy ny mamaky teny aza dia mbola ady lehibe. Ny fananana mpampianatra mendrika izany anarana izany koa mbola tena lavitr’ezaka. Ary ny fahalalana sy ny fisainana dia mbola tsy mahazo laka @ fahazarantsika.
    Mandritra izao Krizy izao anefa dia ny finoana no tena nampaharitra ny maro t@ tolona, ary ny fiheverana fa Andriamanitra dia fahamarinana no nahatonga ny HMF hijoro. Ity fikambanana farany ity kosa, araka ny hevitro, no tokony hitondra sy hanakinana ireo fotoana-pivavahana maro, raha manaiky izy ireo. Satria sehatra misy azy ny fivavahana ary tena mijoro @ asa sy fahamarinana ry zareo. Ny finoana tsy arahin’asa tokoa mantsy dia zava-poana ary Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany.

    Raha zohina akaiky ny hevitra-dehibe entin’i Neny nandritra izay fitsidiahana rehetra nataony izay dia ny hoe HANARINA NY RAVA ISIKA. Tsy mba nisy fankahalana na fanakianana mpanao politika ambany saina ireo, ary tsy misy fanejehana olona fa ny asa sy ny hevitra ihany.. Tsy ho vitan’i Neny irery io fa mila fandraisantsika rehetra anjara satria adidintsika Malagasy ny mampandroso an’io Madagasikara .Fa tsy hoandrasana na iza n’a iza. Fa ny MALAGASY IRERY IHANY.

  4. Asa ny fahitantsika anity vaovao navaokany i IT TELE ity androany milaza fa tsy ekeny ny Mena sofina ny fifidianana raha vao milatsaka i Ravalomanana lalao, Ratsiraka ary i Rajoelina.Raha ny fieritreretako anilay izy dia ny mena sofina mihitsy izany no mitady hitondra any i Madagasikara.Gaga ihany izaho satria ny azy izany izay tiany ihany no ekeny, jerevo fotsiny ireny nanekeny any i Rajoelina ireny.Tokony jo mailo isika fa tadiaviny ho zanahana indray isika, tsy misy intsony izany.Asa isika malagasy raha mba afaka miditra aminy raharaha tokantranony ry zareo.

  5. Efa mazava anie izany ry malagasy e! raha te ho afaka izany i Madagasikara dia Lalao Ravalomanana no fidina rehefa tsy izay dia mbola zanatany isika , efa milaza ny lalankizoran’ny malagasy izany ny Frantsay fa isika no tsy mahatakatra raha mila vola avy aty aminay ianareo izany eo ambany fiandidian’ny Frantsay dia esory aloha I Ravalomanana mivady ka efa mazava izany fa antsika mianakavy sisa no mieritreritra na haka fahaleovantena na mbola hijanona ho zanatany, misy mantsy malagasy sasany sahy milaza mihitsy fa

  6. Ary toa tapaka??????tohizo Vonifanja a!!!liana ny mpisera ary marina ny voalazanao.
    Isika ihany io e!!raha manaiky moa isika????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *