Fiombonam-bavaka St Laurent Ambohimanoro : taratry ny fampihavanana sy fifamelana

Lalao Ravalomanana & Vavaka 23-06-2013-37

Lalao Ravalomanana & Vavaka 23-06-2013-37Niara-niombom-bavaka tetsy amin’ny Fiangonana Anglikana St Laurent Ambohimanoro io tolakandro io ireo mpanao politika sy manamboninahitra avy ao amin’ny tafika Malagasy niaraka tamin’ny fiarahamonim-pirenena. Ny FFKM Antananarivo Renivohitra no nitarika ny lamesa tamin’izany. Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana no natao ka nifototra tamin’ny fampihavanana sy ny fifamelan-keloka ho famahana ny krizy lalina manjo ny firenena no hafatra nentin’ny raiamandrenim-piangonana, nentina amam-bavaka ihany koa ny foloalindahy sy ny tafika malagasy  mba hijoro indrindra ny amin’izao tsy fandriam-pahalemana mahazo vahana amin’izao fotoana izao : « tokony hanavao ny  fanoloran-tena ianareo foloalindahy » hoy ny hafatra. Tazana teny an-toerana Ramatoa Lalao Ravalomanana, ny Profesora Zafy Albert, Rakotoarivelo Mamy, Manandafy Rakotonirina, Naika Eliane, Ny Hasina Andriamanjanto, Tovonanahary Rabetsitonta , Lalatiana Ravololomanana,nisy manamboninahitra marobe avy amin’ny tafika Malagasy, tazana teny ihany koa ny solon-tenan’ny fiarahamonim-pirenena vitsivitsy, ny kmfknoe. Taratra tety Ambohimanoro ny fifamelana sy ny fampihavanana eo amin’ireo mpanao politika tsy nitovy fijery teo aloha. Tsy tazana teny ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy FFM, ny filohan’ny tetezamita sy ny mpiara-miasa aminy.

14 pensées sur “Fiombonam-bavaka St Laurent Ambohimanoro : taratry ny fampihavanana sy fifamelana”

  1. Miorina ny hody dooohako vao mahita ny Odon; Zafy Ny Hasina;Nefa moa famelan keloka no tadiavina;;Aoka mba hifona @Malagasy ihany koa fa ny Vahoaka no tena nitondra faisana

  2. Mba ho fifamelana tanteraka fa mijaly ny Vahoaka; Pasteur Peri aloha tsy miditra @ izany fifamelana izany e!;Mola misy ny fotoana azo hifamelana ry panao politika;Ka araraoty ratsy izao fiananana izao

  3. Inona no mahagaga raha tsy tao ny ekipan’ny foza? Rehefa misy fiketrehina ratsy ihany ireo vao hita. Izahay aloha tsy mamela heloka ny foza raha ny zavadratsy vitany teto amin’ity firenena ity. Rehefa tsy kitikitihana i Neny mandrapahavitan’ny fifidianana vao mety hamela heloka kely bititika angamba ny aty

  4. ATRAMIN IZAO ALOHA DIA NY 24 JUILLET NY FIFIFDIANANA
    MBOLA TSY NISY FANAMPAHANKEVITRY NY GOUVERNEMANTA NANEMOTRA IO DATY IO .
    KA DIA RAIKITRA NY PROPAGANDE .

    Ratoa Retalah cenit mantsy dia miandry ny Gic hono izy ,fa izy koa ve no manapaka sy mandididy eto @ tany sy ny fanjakana.

  5. Tsy akitenteny ! nipoitra ireo nitsoka ny afon’ny mpanongam-panjakana..!
    Nisy ny fanentanana azy ireo tany ambadika ,nisy koa angamba fifanomezan-toky momba ny ny fanelanelanana , ny fanamboarana ny fiaraha-monina..!
    Asa ,ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha !
    Hiaraha-mahita eo..ny ampitso sy ny mystérany !

  6. Tokony mba mahay mankasitraka ihany koa isika na izany aza TOMPOKO ô
    Izaho moa dia efa mitomany lava ka tsy mahataitra intsony, FALY BE ZA!!!TENA FALY!!!
    Zava-dehibe izao TOMPOKO ISANY Ô!!!MIASA ANDRIAMANITRA, tsy hitanareo ve???mba harao tsara fa iza no
    teny fositra nefa nahatsapa tena izy ireo ary MBOLA NAHASAHY NIJORO NA DIA IHAINO FOTSINY IHANY AZA.
    Tsy tonga2 ho azy tao ireo foloalin-dahy ireo ,AMIKO ADALADALA ITY ALOHA AN!!!!
    VAVAKA MANOVA ZAVATRA!!!!
    AVERENO ILAY SOATOAVINA RY MALAGASY FA IZANY NO ANDRASANA DIA HANARAKA NY FITONIANA SY
    FILAMINANA.
    MANKASITRAKA TOMPOKO ISANY!!!LASA ZAO TSA MIPODY KOA!!!SAMY HO TAHIAN’ANDRIAMANITRA DAHOLO.

    OHATRY NY HITAKO FA TENA MAVESATRA BE I Mr ODON eo akaikini NENY.

  7. TSY MISY MANKENY MAHAMASINA EO ARY MISAONA DAHOLO NY SAINA AMIN’NY 26 JONA IZAO.
    FA MIANGAVY KOSA IRETO MPIHIRA IRETO HANAO HETSIKA ANTSITRAPO MBA HANAFANA NY FON’NY MALAGASY NY FOLAK’ANDRO:
    THIERA BRUNO
    TOVO J’HAY
    MILY CLEMENT(Ao la Réunion fa mbola mahay mampirevy tsara)
    TEARANO

    MISAOTRA TOMPOKO

  8. Marina hoe!!tena mba tsy arako indray iny an!!lasa foza IThiera Bruno ??MAHONENA!!
    izay vola dia mety daholo e!!!za aloha dia efa tsy taitra !!nilatsaka tany indray izany ilay Kitapo!!

    Toa mametraka VAIN’ AFO ambony loha inao izany ry NENY!!!tokony ho menatra sy ahay hibebaka ny rehetra.
    tsisy tsy diso e!!fa ny mamerina intsony kosa no tsy azo atao.
    HOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA

  9. Mahafinaritra sady maharavoravo ny mifandray tànana rey olona o !

    Homba antsika anie Andriamanitra

  10. Dingana iray lehibe iny vita iny fa ny tena ezaka izao dia ny tohiny. Fa raha ireo niara-niangona ireo no mamory ny hery dia herinanadro monja dia hivaha ny olana.
    Raha izao no resaka fivavahana dia tena ankatoaviko 100% satria ireo ray amandreny amam-panahy no mitarika sy manao izany, ary ireo tonga miangona kosa dia tokony hanatanteraka fa tsy hoe hihaina na hihanohaino fotsiny. Izay mantsy ilay hoe finoana aran’asa.
    Tsy dia vontom-pinoana kosa aho hoe ireo miaramila ireo dia hanaraka izany « fanoloran-tenana vavao izany » ny dia ny finoana hono mamelona fanantenana hatrany ka dia ho hita eo ny tohiny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *