FOLOALINDAHY : Nanadio tena

971363_519019621493247_1334553290_n

971363_519019621493247_1334553290_nTaorian’ny nandavan’ny CES ny fitarainana nataon’ny miaramila dia nanadio tena tamin’ny mpanao gazety izy ireo tetsy amin’ny toby Ratsimandrava io tolakandro io,  izay nahitana ny solontenan’ny polisim-pirenena, ny zandarimariam-pirenena ary ny miaramila. Nambaran’izy ireo fa tsy manao politika ny miaramila fa nantsoina tamin’ny konklavy no nahatonga azy ireo tao.Iarahan’ny rehetra nahalala fa nandritra ny efataona nitondran’Ingahy Rajoelina dia niandany ary niditra tamin’ny resaka politika ny mpitandro ny filaminana. Nahabe resaka ny mpanaram-baovao politika mantsy ny fihetsiketsehana sy ny fampitahorana ara-moraly nataon’ireo mpitandro filaminana teny Ivato nandritra ny konklavy, izay tonga hatramin’ny fampiasan-kery no noheveran’ny maro azy. Nilaza ihany koa izy ireo  fa vonona foana hitondra ny anjara biriky amin’ny filaminana sy fitadiavana vahaolana.Niaiky ny tsy fahombiazany araka izany ny foloalindahy. Raha tsiahivina ny tantara dia efa natolotry ny filoha Ravalomanana Marc azy ireo ny fahefana kanefa tsy nanaiky ny handray izany izy ireo. Tsy azo eritreretina intsony araka izany ny mety mbola hitondran’ny miaramila ny fitondrana tetezamita. Araka ny vaovao hita tamin’ny tranokala iray  koa dia nisy ny fanambarana nataon’ny manamboninahitra lefitra milaza fa tsy azo ekena ny fandraisan’ny begalona ny fahefana na amin’ny endriny inona na inona fa mamotika ny firenena izany. Tokony hanao « Etat géneraux » aloha ny mpitandro ny filaminana rehetra tsy hanavahana galona ary io rafitra io no tokony handinika ny momba ny resaka politika.

13 pensées sur “FOLOALINDAHY : Nanadio tena”

  1. Rehefa milaza fa tsy manao paolitika, dia mijanòna any an-dakazery !

    Chacun à sa place, et les vaches seront bien gardées !

    Ampy izay ny fanaovana adàlana, fa ny vahoaka akory tsy hanadino ! Misy FETRANY ary fotoanany ny zava-drehetra ! Efa andron’ny teknôlôjia izao !!

  2. Ohatrin’ny fatim-poza ianareo sasany ao amin’ny foloalindahy ka na asiana déodorant aza dia maimbo eny foana.Aiza ka ny voakarama hiaro ny vahoaka indray no mamono vahoaka dia tezitra rehefa atao hoe:tanavo vao miakatra rehefa miantsena ao amin’ny score.Manadio tena nefa tsy mahay mampiasa savony.Marivo loatra ilay paika.Efa rakatry ny olona efa ela.

  3. IZAY NO MAHA ALIKA AZY KA RAHA VAO TAOLANA DIA MIFANOSIKA
    NA EFA HITA AZA FA MISY MALOTO ILAY TAOLANA.
    EFA LANY HENATRA TSY MUSY VALERANY MAHARIKORIKO IRETO IZY, DIA NY TENA NO MENATRA!
    N mpangalatra sy mpamono olona ary ny dahalo ambony latabatra tsy hita izay hanaovany azy fa olona tana-
    polo ary no handrangarangana basy sy hanaovana saro-tava, hita mihintsy hoe : DEVOLY TSY MISEO ANDRO.

  4. Ka iza hono no niantso an’ilay vendrana ireo???
    ilay niantso koa no matahotra e!!nefa na izany aza ve dia HAMIRAVIRA TENA TOY IZAO???

  5. ZARO AMIN’NY LALANA TOKONY ALEHAN’NY ZAZA FA REHEFA LEHIBE IZY DIA TSY HIALA AMIN’IZANY !

    Nofy ve sa zava-misy marina izao tranga iaraha-mahatsapa izao ?
    Misafotofoto tokoa ny fisehoany sy ny fiovan’ny tantatra !
    Noho mafisin’ny CES ny filatsahan’ i NENY amin’ny fifaninana amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Firenena ain’ny 24 juillet 2013 art nasehon’ny CES tamin’izany fa manana ny fahaleovantenany izy miandahy avy ,ka tsy azo terena na ahodikodina na amboamboarina ny didy notapahany..
    Ny mahagaga dia ireto zandary -izay officiers de policeudiciaire ,mahafantatra tsara ny  » serment mamatotra ny juge amin’ny didy vokatry ny fitsarana nataony avec son intime conviction « .Velirano tsy azo iodivirana izany ary mahalasa eritreritra eo amin’ny fitodrantenan’ireto zandary satria tsy zavatra maivana anie ny manery mpitsara hiverina amin’ny didy notinapany !
    Mino mafy aho fa nitsangana ireo miaramila sy zandary maro an’isa tsy nankasitraka ny fitondrantenan’ireto miaramila sy zandary nivarotra ny fanahiny ka nihodina st nandika ny Làlana mifehy azy eo amin’ny fanantanterhany amin’ny fahamarinana ny andraikitra sahaniny ..jamban’ny vola sy ny mena miraviravy ka nieboebo, nihevitrevitra sy niseho azy ho mahery .sy be saina ,satria iangaran’ny ppitondra izay mitamby vola azy ireny mba handika ny Làlana rehefa ilain’ny mpitondra izany !
    Tamn’ity fanerena nt CES uty dia diso paika izy ireo ary tena vohan’ny upercut ,ka fanina tsy nahateny !
    Maro ireo miaramila sy zandary ary police mahatoky ,manaja ny andraikiny , manaja ny mpiara-belona aminy ary mahalala fomba sy mankatoa ny Làlana , saingy ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka !
    Maditra izahay miaramila fa misy zava masina izay lalaina tsy sahinay dikaina : ny Firenena ,ny fanajana ny asanay , ny fitandroana ny zon’ny Malagasy ary ny tahotra sy fankatoavana ny RENY izay lolohavina an-tapn’ny loha !
    Enga anie mba ho henjana ireo zandry mahatoky ka hamerina ny foloalindahy amin’ny rariny sy hitsiny ary ny ara-dàlana !
    Mitso-drano sy misaotra azy ireo ny tenako !

  6. Aleo anokafana sampam-pihofanana manokana eny amin’ny Anjerimanotolo ny tafika dia mba ho tena avo lenta ny manamboninahitra malagasy fa tena mampalahelo ny mihaino sy mijery ny ataony te mba ho.. nefa ééé!!

  7. Tsy sahy niverina t@ didy navoakany ny CES na dia hita aza fa tsy nanarak lalàna ny nenakeny ny filatsahan’ireo mpanongam-pajakana tahaka an-dry rajoelina, dollin, roland ratsiraka, lahiniriako sy ny sisa. Efa manomboka holany ny paiso ankady ka manadio tena tokoa ireto miaramla sy tafika nivarotra tena sy fanahy tamin’ny frantsay sy rajoelina.
    Na izany aza dia mila fanadiovana goavana ny tafika sy ny polisy rehefa tafeverina ny ara-dalàna. Ny zandary moa dia tokony ho fohanana satria tarazo navelan’ny fanjanahana frantsay ireo ka mendrika ny ho kapaina hatrany @ fotony. Rahany hita dia ao no niaingan’ny mpanongam-panjakana toa an-dry lilyson, ry baomba sy ny forongony. Tsy maintsy atao farany izay hanigana izany satria antoky ny fijoroan’ny fanjakana lanim-bahoaka. Raha mbola ao anaty tafika ireo mpivarotra fanahy sy mpamadika Tanindrazana dia tsy azo antoka ny hampateza ny hahamari-toerana ny fitondrana mijoro eto. Voa misy manamby vola any ry zareo ireo dia hanongam-panjakana indray dia eto isika no ho raisina ka mila fongorana haingana, efa fantatra rahateo koa moa ry zareo ireo ka tsy asiana hindrafo fa hongontana sy potehina miaraka amin’ny vava.

  8. Tsy tadidin’i Rabe Lita angaha ireny fanadinana tany amin’ny ACMIL naverin’ingahy Didier Ignace Ratsiraka ireny foana, satria tsy mety aminy ny lokon’ny filaharana amin’ny fivoahan’ny valim-panadinana. Izao hiainantsika izao tompoko ny vokatr’izany ankitrio. Rehefa afaka ny complexe ao amin’ny sasany izay vao hilamina io, tsy ho voarebirebin’ny menasofina intsony.

  9. Oup la… L’élection présidentielle est reportée le 23 Août 2013

    ANTANANARIVO, June 6 (Xinhua) — Madagascar’s presidential election is postponed to Aug. 23 from July 24, Minister of Interior Florent Rakotoarisoa said here Thursday.
    Rakotoarisoa said the decision was taken at a government council meeting held on Thursday, following the case of force majeure declared by the special electoral court (CES) on May 28.
    The minister said according to the law and the roadmap, the government council should announce the date of election 48 hours after the CES announce the case of force majeure.
    The CES declared the case of force majeure because the Malagasy reconciliation council and the armed forces asked for the postponement of the election for a month.
    The minister added that all government officials already resigning resume their position for one month.
    source: english.sina.com

  10. Tonga t@ tanjony ihany ireto ragidro mitam-basy ireto. Dia hanana fotoana indray izany izao ny frantsay sy I Rajoelina hanaovana hevitra adala vaovao.

  11. Cette résistance de la CES et de tous ses membres fait du bien et démontre qu’au fond de chaque Malgche existe une force , de l’énergie qui n’ a peur de faire face à des bruts , des sans foi ni loi.Ces zandary et militairs ont cru et croient qu ‘ils sont intouchables ,inattaquables car ils sont bardés d’armes qu’ils ne savent pas utiliser : ce sont les soldats qu’ils commandent qui usent des armes face aux dangers ,aux adversaires ..
    botoarison — ,qui a cru pouvoir impressionner ses interlocuteurs et les membres de la CES à –qui les organisteurs de ce conclave ont écrit une lettre pressante ,—- a dû constater avec colère la réponse cinglante de la CES et qu’il ne pèse pas lourd dans ce Pays ,Et que s’il possèdait une once de bon sesns ,il doit qutter sur le champ la polifika et se taire car il vient de prouver publiquement à tous les Malgaches qu’il leur est nuisible et dangereux. et nul….!
    Et quand nous nous rendons compte que durant quatre ans rajoelina a été conseillé par des militaires et gendarmes qui ne sont que l’ombre d’eux-mêmes ou qui se sont vantés de le cnseiller ,car les vrais pilotes ont été des hommes et des femmes de la france à fric : ces militaires et gendarmes ont été des figurants ,des seconds coteux qui ont servi d’écrans aux actvismes de la françafrique à Madagascar…!
    rajoeina sy ny zandary ary ny miaramila nokaramainy dia jamba nifampitantana !
    Nous avons encore beaucoup à faire ,ne baissons pas les bras et restons vigilnts !

  12. Haveriko kely azafady e!
    Ny miaramila eto amintsika dia anarana fotsiny io e! tsy miaramila ihany anefa fa ny mpiasampanjakana dia sahy milaza aho fa tsy mendrika akory hanao ny asany satria tsy manana fahaizana sahaza ny asany akory, ary izay no tena mampalahelo satria vola-bahoaka ilay izy dia atao vola adala tompo. Na misy mari-pahaizana tadiavina aza, na misy fanadinana atao aza , dia atao foana ny risoriso ka hany ny vokatra ka tsy misy.
    Jereo ny tribunaly , ny dokotera , ny fampianarana , ny tresor, ny finance , ny domaine , ny topo , ny miaramila, ny doanina, iza amin’ireo no hitanao fa mandeha sy mivoatra eto amintsika ! ny isan’ny mpiasa anefa betsaka satria betsaka ny zanaka aman-jafy tokony hampidirina , io asam-panjakana io izany eto amintsika dia asa bojo e! asa tsy mila vokatra nefa mahazo vola, izany no anisan’ny tsy nitiavan’ny mpiasa mpanjakana an’i Marc Ravalomanana satria izy dia mitaky resultat foana amin’izay atao ka maro tamin’ny mpiasa mpanjakana no tsy nahazaka satria tsy mahay ny asany fa manao sonia fotsiny

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *