Lalao Ravalomanana : akaiky ny tantsaha hatrany

08_06_13, NENY au marché d' Ambohimandroso

08_06_13, NENY au marché d' AmbohimandrosoNitohy hatrany ny fitetezam-paritra hataon’i Neny Lalao Ravalomanana niaraka tamin’ny Ankolafy Ravalomanana nahitana an’i Mamy Rakotoarivelo filohan’ny CT, Hanitra Razafimanantsoa  filoha lefitry ny filankevitra ambon’ny tetezamita, ny misistra isany  Ruffine Tsiranana, Ravatomanga Roland sy mpikambana ao anatin’ny CST sy CT maromaro. Tonga teto Ambohimandroso  izy ny maraina ny sabotsy 08 Jona 2013  ary tonga dia nijery ifotony ny fiainan’ny  tantsaha ambanivohitra. Niantsena tao amin’ny tsenaben’Ambohimandroso niaraka tamin’ireo vahoaka marobe i Neny . Tsapan’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny fandraisana mahafinaritra sy ny hofahofa tanana fa akaiky azy ramatoa Lalao Ravalomanana.

4 pensées sur “Lalao Ravalomanana : akaiky ny tantsaha hatrany”

  1. Tonga hamelona tokoa ianao ry Neny fa tsy hamono toy ny foza.
    Mila hery ny vahoaka Neny fa tena trotraka ary zava-dehibe tokoa ny
    fanantonanao azy ireo akaiky fa mbola misy antenaina.
    Mahafinaritra ary mahavelom-bolo .
    Tsy maintsy mandresy ny tolona satria isika miaraka @’ILAY MAHERY SY TENA TOMPONY .

  2. Dia izao no Antony mampatahotra ny frantsay ka mahatonga azy manao izao toetra ratsy hampihavanina ny vondrona iraisam-pirenena. Fan tany tsara fa tsy afaka managalatra sy mitsetsitra an’io Madagasikara intsony ry zareo raha Malagasy Tia tanîndrazana sy mazava saina no Tonga eo ka dia sakanany ny fandresen’i Lalao Ravalomanana.
    Ny fandrean’ny Lalao Ravalomanana dia midika faharesen’ny frantsay. Ka aoka Samy hisalahy isika rehetra.

  3. Toa voanjo sa boanjobory ireo vokatra be ireo?

    Sambatra ary velom-panantenana efa mitsilopy be niany, izay ny havana rehetra tao nahita anao.

    Amin’ny manaraka ny sary, hasio ireny olona ankizy na lehibe mirohotra mihazakazaka ery manenjika hijery sy hanatrika ny fandalov’i Neny ireny ê!

  4. Mahavita mampianatra ny zanany ihany ny mponina ao (na dia sarotra aza ny fiainana nikororosy nandrorona nanomboka 4taona lasa izay, …) ,

    Misy mandefa ireo zokiny hiasa aty an-tanan-dehibe hiantoka ny dépense madinik’ireo zandriny

    Dia hoy izy zazalahy manana cep tonga tato aminay manontany hoe: avy aiza ity rano mivoaka eto @ ity robinet? Ary ity jiro manazàva ny trano?

    Ho tongan’ny fiara any rahatr’izay rahatoa ka olona toa an-dry neny sy dada – MITSIMBINA NY TANTSAHA IZAY ataoko hoe 75% NY MPONINA MALAGASY,
    raha olona vanona toa ireo no mitantana ny firenena

    Ho lasa tanora avara-pahalalana sy hampandroso ary reharehan’ny faritra misy anareo avy ianareo zaza mandrato fianarana lavitra mandeha an-tongotra sy tanora vatombatony mivezika TSY MAHITA ASA MENDRIKA amin’izao fotoana ireo

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *