Lalao Ravalomanana : ankafizin’ny vahoakan’Antsohihy

fahombiazana

fahombiazana

Androany no nihaona mivantana tamin’ny mponin’Antsohihy I Neny . Vao maraina dia lasa nijery ny trano fonenan’ny filoha  Philbert Tsiranana tao Anahidrano ny tenany, niaraka tamin’ny minisitry ny varotra Olga Ramalason izay mpandrindra ny faritry Mahajaga , ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana.  Ramatoa Ruffine Tsiranana no nandray azy tamim-pifaliana. Amin’ny maha vahiny manakaja azy ireo dia nosaloran’ny tompontrano labahoany ireto vahiny ho mariky ny fanajana sy fifankatiavana. “Marika iray ilazana  fa tia anay ianao” matoa tonga mitsidika anay eto hoy ny zanaky ny filoha Tsiranana. Avy eto Anahidrano no nipoiran’ny filoha Tsiranana hoy izy koa dia mino izahay fa ianao Neny dia hahay haka tahaka an’i dadabe Tsiranana. Notoloran-dRamatoa Ruffine Tsiranana tso-drano moa teto ny kandidà Lalao Ravalomanana : « mahaleova maha lasana ianao » hoy izy. Nisaotra izany kosa no setrin’ny kabarin’I Neny azy,  mila fanomezan-tanana isika hoy izy. Raha hanao ny asa tsara dia mila fifankatiavana sy fahaizana miara-miasa hoy I Neny. Maniry aho fa olona manana finoana arahin’asa ianareo.Ento am-bavaka hatrany ny fikasana tsara ananantsika ary ny fanahy masina no hiasa mahery hanoro fahendrena sy fahazavan-tsaina  ho antsika hoy hatrany I Neny.  Fa mbola nitohy tao  amin’ny Magro Ambalabe Andrefana ny diaan-dRamatoa Lalao Ravalomanana miaraka tamin’ireo delegasiona mafonja. Nizara nofon-kena mitam-pihavanana tamin’ireo vahoaka tonga tao i Neny. “Tafaray ny tia sy ny manina” hoy  izy. Faly tena faly  aho manolotra vary sy laoka amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao. Mahaiza mifankatia, mahaiza miara-miasa, ary ny irariantsika hoy I Neny dia ny mba hanana fiainana tsaratsara kokoa noho izao isika aoriana kely ao. Nitohy tao amin’ny kianja filalaovam-baolina ao Antsohihy androany ny fandalovan-dRamatoa Lalao Ravalomanana tao an-toerana. Faly ny mponin’Antsohihy nahita an’I Neny mivantana.”Faly izahay miarahaba anao, ravoravo izahay satria notsidihinao “ hoy Ruffine Tsiranana raha vao nandray fitenenana. Manainga ny vahoakan’ny Sofia aho hoy ny zanaky ny filoha Tsiranana, handalina s y hametraka safidy tsara ary ampahendrena izay olona hitondra ny firenena. Ramatoa Naika Eliane kosa dia nametraka hafatra lehibe hoan’ny faritry Sofia.” Omentsika ampela raha toy, ampela nahitana masoandro, ampela mahalala ny mahasoa ny fianakaviana, mbola tsy misy reny mahafoy  zanaka izany “ hoy izy.Raha nandray fitenenana kosa ramatoa Lalao Ravalomanana dia nilaza fa tsara ny tanànan’Antsohihy, tanana tia fandrosoana, mamokatra vary tsara, tsara omby, matsiro trondro. Mila fiainana tsaratsara noho izany anefa ny vahoaka, mila fandrosoana ny tanàna, mila fanamboarana ny tsena. Tonga eto  aho hiara-hiasa amintsika hoy I Neny. Tsy adidiko izaho samy irery anefa izany fa adididiko izaho sy ianareo.Vonona aho hanarina ny rava, vonona hitondra ny Malagasy. Nofaranany tamin’ilay andinin’ny soratra masina efa mahazatra ny olona ny kabariny: “aza matahotra fa minoa fotsiny ihany” hoy izy.

 

23 pensées sur “Lalao Ravalomanana : ankafizin’ny vahoakan’Antsohihy”

  1. Ho Aiza!

    Misaotra be dia be amin’ilay sary e!
    Tiako hahita anio i Julien Radanoara.Be silamo iny faritra iny nefa dia miondrika eo anoloan’ny vehivavy ity havana mankasitraka.

  2. azonao ny tiako ho lazaina, Ratsimilaho.

    Manararaotra
    tsy manadino
    miarahaba anareo lehilahy rehetra
    raim-pianakaviana
    tratr’izao fahatsirovana ny fetin’ny ray anio izao!

  3. Misaotra anao mahatsiaro ry HoAiza ! Apetraka ihany ity na dia tsy fantatra aza ny andro hivoahany !
    Dia miarahaba ny ray rehetra ihany koa, ary indrindra ny Filoha Ravalomanana izay tsy mba afaka mankalàza an’izany vanin’andro izany, miaraka amin’i Ramatoa vadiny !

  4. Rehefa hita fa tonga dia nivoaka ny post, dia manararaotra mitantara fa tontosa soa aman-tsara ny hetsika natao omaly !
    Jereo ao amin’ny Facebook-n’ny GTT miaraka amin’ny Filoha Ravalomanana, ny sary !

  5. Tary @ site tim no efa nahitako ilay hetsika notontosaiNAREO, dia : Mankasitraka anareo GTT !

    Mahatsiaro ary miarahaba an’i dada8 ny filoha Marc Ravalomanana dada8 ao Afrika Atsimo ao, angady nananana sy vy nahitàna an’i Neny ihany koa!

  6. DECLARATION : Andry Rajoelina à Tuléar : « La Feuille de route a imposé la cohabitation. Beaucoup sont les personnalités qui ont été condamnées par le Tribunal alors que par la magie de l’aministie disposée par la Feuille de route, certaines d’entre elles peuvent actuellement pariticper aux élections. Et pourquoi veut’on à ce que moi, nullement condamné par la Justice, ne puisse pas participer à ces élections. J’ai toujours été champion depuis mon enfance et c’est pour cela que l’on a peur de ma personne. »

    Il a été champion en quoi le lapinou? Selon ses amis, il a été cancre à l’école.A-t-il le bac ce DJ d’un soir car même à Bordeaux, il n’est pas fichu d’assurer son rôle de DJ.Et le plagiat qu’il a commis à la tribune de l’ONU en reprenant le discours du ministre luxembourgeois?
    Qui a peur d’une personne mal élevée, non-instruite et inculte? mais bonhomme, t’es la risée du monde politique.On t’appelle le « bad boy » en Angleterre.

  7. LES MALGACHES PARTOUT OU PASSE MADAME RAVALOMANANA LAALAO NOTRE CANDIDATE AFFICHENT LEUR ATTACHEMENT A NENY ET LEUR RESISTANCE TRANUILLE MAIS DECIDEE CONTRE LE RETRAIT DE SA CANDIDATURE !
    Les affluences massives des Malgaches venus à la rencntre
    de notre Candidate RAVALOMANANA LALAO sont éloquentes et traduisent ,sans aucune ambiguité leur choix , démontrent à Tous surtout à ceux de l’UA , de la SADC ,obstinés ,qui veulent ,contre la logique de la vox populi ,s’opposer à sa candidature qui a été validée , avec bénéfice de circonstances atténuates par la Cour électotrale spéciale , haute juridiction de Madagascar ,qui n’ a besoin pour juger de l’autorisation de la communauté internatonale ou par son représentant la SADC.
    La SADC peut-elle nous donner la ou les raisons pour lesquelles la non application des accords de COTONOU contre les candidatures des putschistes jusqu’à ce jour ?.L’application des dispositions de ces accords ne pose aucun problème..
    Alors nous ne comprenon rien l’acharnement de la SADC à nous imposer son diktat concernant cette invlidation pour séjour à Magagascar inférieur à six moi !En quoi et pourquoi , cette insuffisance de séjour décrédibilise- t – les élections présidentielles.
    Cette intransigeance de retrait de la candidature ressemble à une démonstration d’hégémonie , à un abus de pouir de la SADC , qui en de nombreuses occasions a manqué d’user de son autorité pour arbitrer ,pour déciger.., ce qui explicite les r les quelles nous n’avons jamais eu d’explicaruon claire et précise de la part de la SADC..
    Nous , face à cet accharnement sur le retrait de la candidature de Madame RAVALOMANANA MARC comme une occasion pour la SADC de rattraper tous ces occasions qu’elle a manquées pour dire et appmiquer les dispositions des articles de la feuille de route , qui est restée loquée !.
    Le chantage non acceptable que présente la SADC sur le retrait de la candidatur
    de Madame RAVOLOMANANA MARC ressemble à s’y méprendre à une éxigence anti-démocratique du temps de l’administration coloniale ,contre laquelle nous luttons depuis plus de cent ans et nous avons cru que notre  » être membre de la SADC  » nous prrotège contre de telle surprise.., !
    Mettre notre candidate au même niveau  » d’inculpation quedeux putschistes notoires ,sans aocune distinction , constitue un amalgame malheureux et diffamant à l’endroit de Madama RAVALOMANANA RAKOTONIRAINY LALAO !
    Les affluences des Malgaches venus la recevoir dans chaque village , dans chaque ville aux marchés ou à d’autres endrots représentent le refus de ce retrait et la démonstration de leur résistance tranquille contre , l’accharnement obstiné ,irréfléchi , nuisible de la SADC !

  8. Terminologie francafricaines sur Madagascar :
    – dirigeants illegitimes: dirigeants non elus mais ^que la CI laisse faire pour l’intérêt de la France
    – candidats illegitimes: candidats indésirés par la France meme si validé pa la plus haute juridiction, circonstance attenuante (Lalao) ou pas (Rajoelina, car celui là n’a aucune circonstance attenuante de son retard et est bien contraire à l’accord de cotonou)
    – FFM ou comité de reconciliation malgache: une structure qui au lieu de promouvoir le pardon, le « fihavanana »et la cohabitation s’est empressé de gesticulé pour l' »exclusion » (Te hiteny ratsy mints za nijery ilay Jeneraly Rabotoarison manesika ny exclusion.. Je comprendrais les autres mais lui en tant que FFM, bon Dieu!!!!!!!!)

    Nous devons être conscient mints fa les gens nous traite comme des peuples insignifiants rey olona a.. Asa rahoviana vao hifoha pour de bon isika gasy ireto ka hanao izay iarenana?

  9. Mahita an’izao ny fozaorana sy ny frantsay dia tena mifori-drambo mihitsy fa toa izay tany aleha rehetra ity toa RAVALOMANANA daholo nefa lazaina fa tsy tian’ny vahoaka intsony ny filoha Ravalomanana. Izao zavatra izao mihitsy no mahatonga ny frantsay hanao izay tsy hisian’ny fifidianana. Ka tsy tokony ahembotra mihitsy io fifidianan io satria raha vao miembotra io dia tsy tanteraka intsony ny fifidianana filoham-pirenena ary ilay fifidianana solom-bavambahoaka indray no lasa aloha ka mitetika an’izay ny mpanogam-panajkana ary rehefa tsy misy fifdianana kosa dia faly ny frantsay.
    Noho izany dia aoka ny malagasy rehetra sy ireo namana tia an’i madagasikara mba hiaraka hitroaktra. Manao fihetsiketsehana tahakan’ny t@ 14 juin teo teo @ place de l’opera tao PARIS, handefa ttasy any @ ireo tompon’andraikitra isaikin’ny tanan-dehibe frantsay sy izay zavatra rehetra azon’nytsirairay azo atao hanohena ny fajakazakan’ny frantsay eto Madagasikara. Tadidio fa ny mpanogam-panjakana dia andevo miasa hoan’ny frantsaya fotsiny ihany fa ireo mpandraharaha sy ny minisitry ny rahraham-bahiny frantsay ary ny maso ivoho frantsay no tokony asiana marary mafy mihitsy. Ireo mpandraharaha dia ireo topona tranom-barotra lehibe toa an’i Total, Bollore’, Areva, sns ireo mantsy no manosika ireo mpanao politika hanakorotana an’i Afrika indrindra fa i Madagasikara.

  10. Lazalazao! raha esorina ny tombon-karena azon’ny vozongo aty afrika amin’ny hari-karena nasionaly dia voasongon’ny Anglisy sy Italiana ry zareo ara-toe-karena dia voadona ilay hambon-po.Zavatra resaka tsy misy dikany ilay izy anie.

  11. Lazalazao! izahay efa nanoratra tamina tompon’andraikitra nisinisy eran-tany fa saingy taratasy misokatra fontsiny ihany izany ary ahiko tsy manankery satria tsy antoko politika na fikambanana malaza.Fa ataoko fa raha maromaro isika no mitambatra manoratra na ny GTT aza dia hana-danja kokoa izany.
    Andriamatoa Jan Eliasson dia filoha lefitra ao amin’ny ONU ary tena liana amin’ny kaontinanta afrikanina satria dia maharaka tsara ny any Darfour na RDC ary manao ezaka azo tsapain-tanana mba hampiova ny toe-javatra.Mba iangaviana re isika hanoratra memorendum aminy manokana hanazava an-tsipirihana ohatran’ny natao omaly ny krizy malagasy.Mba tady atsipy eny amin’ny tandrok’omby ny ahy ka asakasakintsika.

  12. Nisy mpoanao politique iray fantadaza amin’ny fanolana-janza dia nikarama olona mba hanakorontana iny fandalovan’i Neny iny, nisy tovolahy miisa 20 teo avy ambanivohitra nomena vola mba hanakorontana saingy tsy tanteraka izany ciblé tamin’izany ireo merina mpivarotra entamadinika, sady efa sahirana ty ranamana ty dia mbola very vola ihany koa mampalahelo

  13. Tsy misy tera-tany malagasy, handany ny volany amin’ny korontana sy fanonganam-panjakàna izany, noho izany aza dia malahelo azy loatra !!!

    Matoa ny malagasy mahavita mandany vola be, dia noho ny antony roa :
    – Na vola azo avy amin’ny halatra isan-karazany
    – Na vola azo avy amin’ny vahiny, manao izay hisian’ny korontana ao Madagasikara, mba hahafahan-dry zareo manjakazaka ( frantsay, karàna, sinoa, arabo, ets…).

    Raha vola very, nentina mba hanarenana ny firenena sy ny hiverenan’ny ara-dalàna, dia marina ny voalazanao !

  14. Hhaa ‘ zalah ėeeeeeee!!!!matė tsika!!!allaoo Neny ėeeee!!!l
    Tiatiako rė izy izany ėeee tena ravoravo bė za!!!mankasitraka jiaby ėeeee
    Tena ‘ ngôma za!!
    AIZA a!!!!ao ve nareo e????mbola misy foza a????naatėeee! natė ty foza
    manadala olo foza reo fa ataovy mahita raha ėeeee! EMPAKA NY VAHOAKA!!!empaka ėeeeee!!
    miakapokapoka sisa ataondreo , hialao fa tsa mamely! foza orana matsintsina!!!
    Tiako be Diego!!mouuaahhhh

  15. Roso izao sady ny UE koa nanome fanampiana hikarakarana ny fifidianana ankoatran’ny efa eo ampelan-tanantsika.Tsara ho fantatra fa i Beriziky dia lehiben’ny komitin’ny masoivoho ACP tao amin’ny antenimieram-bahoaka UE-ACP tany bruxelles.Fantatry ny erôpeana tsara izy ary izay no nahazoany fanampiana 17 millions d’euros hikarakarana ny fifidianana.Ataoko fa tsy nanome an’io vola io ny UE raha fantany fa tsy hisy fifidianana amin’ity taona ity.

    Vakio eto ambany:

    Mba tadidintsika ve itony?

    Le Premier ministre malgache, Jean-Omer Beriziky, a demandé le dégel des budgets européens à l’aide au développement. Mais Bruxelles attend toujours qu’une date soit enfin fixée pour les prochaines élections sur la Grande Île, en crise depuis 2009.

    Le Premier ministre malgache, Jean-Omer Beriziky, était en déplacement sur le Vieux continent du 2 au 6 juillet. Il a rencontré le commissaire européen au développement, Andris Piebalgs, à Bruxelles, puis le ministre français délégué au Développement, Pascal Canfin, à Paris.

    « Je pensais qu’après la mise en place des institutions de la transition – gouvernement, chambres parlementaires et commission électorale –, le moment était bien choisi pour demander un assouplissement de la position des bailleurs de fonds européens, qui conditionnent leur soutien à l’organisation des élections », a-t-il expliqué à Jeune Afrique. S’il n’a pu obtenir le dégel du budget du Fonds européen pour le développement accordé à Madagascar (FED, 577 millions d’euros), il est revenu à Antananarivo avec un soutien financier de 17 millions d’euros pour l’organisation du scrutin… et la promesse d’un report des montants inutilisés du FED après les élections.

  16. Aza fady, fa inona no tena tianao ho lazaina ry Ratsimilaho ? Tsy dia azoko loatra, ary hialako tsiny !
    Ny fantatra amin’izao fotoana, dia araky ny fitenin’ny sasany dia ny hoe :

    À CHAQUE JOUR, SON LOT DE SURPRISES !!

    Les institutions de la Transition « existent »,….. mais « n’existent que dans la tête de ceux qui veulent y croire » !!!

    PEUT-ON PARLER DE NEUTRALITE, D’INCLUSIVITE ET DE CONSENSUALITE SI JUSQU’À CE JOUR, LES FORCES DE L’ORDRE, CST, CT, CES, HCC, CENI-T, CRM ET AUTRE CSC, NE SONT RIEN D’AUTRES QUE LES LARBINS DES PUTSCHISTES ????

  17. Aiza ianao Ratsimilaho â ?
    Sao dia heverinao fa fanakianina io fanontaniana io ?
    Ilay hoe  » Ataoko fa tsy nanome an’io vola io ny UE raha fantany fa tsy hisy fifidianana amin’ity taona ity », no tsy azoko !

    Izany eo ihany, fa ilay La Une ao amin’ny Midi Madagasikara dia tena tsy lanin’ny vavoniko mihintsy ê !

    CENI-T et Présidentielles : Vers l’annulation de la campagne électorale

    Amin’izay indray any amin’ny farany dia toa mbola mivoy mafy hoe « mpandainga ny vadin’ny Filoha Ravalomanana !
    Na dia manao tatitra aza, dia tsy tokony manao commentaires, sy manazàva ny toe-javatra amin’ny mpamaky ve ?

  18. Izaho koa indraindray
    mametra-panontaniana
    mikasika ny fomba filazan’i Midi ny tarehin-javatra!

    De izay TENY tononin’i Béatrice, norantoviny tany @ bandin’i sadeka,
    ve no adika mot-à-mot eo

    VAOVAO NEWS no tadiavina: Abrégezzzz

  19. Azafady KM fa izao vao misera indray.
    Ny momban’ny fanampiana dia teto amin’ny mydago ihany no nahitako azy.
    Momban’ity faharoa dia izaho koa dia ohatran’i Ho Aiza mametram-panontaniana momba’i MIDI MAD amin’izao fotoana? Miandry fanamafisana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *