LALAO RAVALOMANANA : MILA MITODIKA AMIN’ANDRIAMANITRA NY FIRENENA

IMG_0521

IMG_0521 Tontosa teny amin’ny Ekar fo masin’i Jesoa Ambodivona Ambohitrimanjaka io tolakandro io ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana  nitondrana am-bavaka ny firenena. Tonga teny an-toerana  Ramatoa Lalao Ravalomanana. Nitarika ny fotoam-pivavahana  ny « Père Curé  » Rakotoarimanana Claude Joseph sy ny Pretra Aurélien, ny mpitandrina Rakotondrabary. Ny Isaia 32 : 15-20 no andinin-tsoratra masina nangalana ny hafatra tamin’izany. Araka ny nambaran’ny mpitoriteny dia ny batisa sy batemy iray no nanambatra antsika ho tonga eto. Rehefa mifanaja amin’ny andraikitrika sy ny talenta omena hoy izy dia mifanohana amin’ny asa atao. Nampitainy teto ihany koa ny hafatar avy amin’ny Salamo hoe : “ Sambatra ny madio am-po fa izy no mahita an’Andriamanitra, sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” Rehefa manam-pinoana isika hoy izy  dia ho  voavonjy, ny Tompo no manorina ny trano ary izy manangana azy, ho sasa-poana iraha tsy ao ny Tompo hoy izy . Nisy ny vavaka ho an’ny fandriampahalemana natao tamin’izany. Nahatsapa ny mpitondra fivavahana fa rotidrotiky ny fialonana sy ny fitiavan-tena ny fiarahamonina, mijaly sy misara-bazana ny fianakaviana, revo ao anatin’ny herisetra sy ny zava-mahadomelina ny tanora ary mamitaka sy mandainga ka mahavita mandatsa-drà mihitsy aza. Noho izany dia mila mitodika amin’Andriamanitra ny firenena.

Nitondra hafatra ho an’ny mpino tonga nanatrika ny tanora , araka ny nambarany dia hoe “ ny hampandresy ny filohanay amin’ny sitraponao” no tanjon’izy ireo ary hampanjaka ny fihavanana. Taorian’ny vavaka dia nifandray tànana tamin’ireo mpitondra fivavahana Ramatoa Lalao Ravalomanana, ary tsy adinony ihany koa ireo vahoaka marobe teo ivelany sy ny lalàna rehetra nalehany.

31 pensées sur “LALAO RAVALOMANANA : MILA MITODIKA AMIN’ANDRIAMANITRA NY FIRENENA”

  1. Fangatahana tsotra:
    Mba afaka milaza amin’i Père Pedro ve i Mopera Curé Rakotoarimanana Claude Joseph sy ny Mopera Aurélien fa tsy ny fanohanana an’i Andry Rajoelina no hanavotra ity firenena ity fa ny fiverenana amin’Andriamanitra ?
    Mino aho fa i Lalao Ravalomanana dia miombonkevitra amin’ireo naman’ny mpaminany Daniel fahizay milaza hoe: « Na hamonjy anay Andriamanitra na tsy hamonjy anay dia tsy hiankohoka eo anoloan’io sarivongana volamena io izahay ». Tsy hiankohoka eo anoloan’ny volabe hamotehana ny firenena izahay fa hanavotra ny firenena kosa.
    Tsy amin-kery na amimpahatanjahana fa amin’ny fanahiko hoy Jehovah Tompon’ny maro. Rariny dia rariny raha mitodika amin’Andriamanitra irery ihany no fanafahana amin’izao loza manjo ny firenena izao. Efa manaiky hiasan’ny devoly raha mieritreritra mifanohitra amin’izany.

  2. la réligion (quelques fois) est l’opium des peuples. Adina katolika sy protestant ve no atao nefa efa taona 2013 isika izao ? Misaotra tompoko. Aoka tsy Andriamanitra no atao fiadiana tompoko fa ny fahotana dia antsika samy olombelona ihany ary tena tsisy hifandraisany amin’Andriamanitra. Aoka tsy hitsara mba tsy ho tsaraina. Io teny io no maha kristianina Tompoko.

  3. J’ai entendu certains TGV dire qu’il ne fallait pas mélanger La Politique et la Morale …
    je pense que c’est la qu’est toute la différence …
    La Politique sans la Morale , cela s’appelle la Dictature …

  4. Jeudi 20 Juin 2013*8h00->La date d’élection du 24 juillet est maintenue tant que Omer Beriziky ne signe pas le décret de report des élections.

    Andry Rajoelina est donc considéré comme démissionnaire./ Le conseil des ministres prévu se tenir hier a été annulé in extremis pour des motifs inconnus. Des bruits courent qu’Andry Rajoelina ne voudraient plus présider les conseils des ministres./Bongolava accueillera à partir de ce jour Neny.

  5. On aimerait des Infos un peu plus sûres et détaillées , pour faire face à la désinformation … Car Les Bruits ca courent , evidemment , et on manque de vidéos …

  6.  » Le gouvernement a formellement décidé le report des élections, la CENI-T en a été officiellement saisie …
    Cependant les textes sont clairs, pour établir le calendrier ou pour y porter une correction la CENI-T y procède en collaboration avec les représentants de la communauté internationale,
    Mais Celle-ci inflexible dans son exigence de maintenir la date initiale pour la tenue des élections rejette toute idée de réunion pour déterminer une autre date.
    Ne pas se plier à la regle établie par la Communauté Internationale équivaudrait un un Coup d’Etat à la Feuille de Route … »

  7. Donc La date d’élection du 24 juillet est bien maintenue par La Communauté Internationale intransigeante sur ce point
    Donc les Manifestations des  » Collectifs de Candidats mécontents  » et autres organismes n’a pas lieu d’être
    Tous doivent se concentrer sur la réussite de leur Campagne
    Et que le meilleur l’emporte …

  8. Toa mangovitr’ homana daholo ireto foza! tsy araka ilay zėsta daholo toa manao varotry ny
    mananon-tena koa raikitra vao terak’ovitra.
    Miantehitra mafy @’ity vola namarotana ity tanindrazana sy ny VIDIN’NY RÁN’ NY GASY MPIRAY
    TANINDRAZANA @ TENA ary ny FANOMPOAN-TSAPY, kinanjo mbola nisy nahery no ho izy dia
    ilay HERIN’ANDRIAMANITRA HO ENTIN’I NENY sy porofoiny aminy.
    Nihevitra ireto foza fa vita hatreo ny amin’i Ravalomanana hihihiiiiivolamena latsaka am-bovoka ka
    io no mampi-tsanga mihemotra andry ilay tsivanona @’ity fifidianana.
    Tė hamono biby tsy nahafaty eo koh!!!izao toa vao maika matanjaka ilay nosihosena.
    TSY MAINTSY MANDRESY NY MARINA!!!HOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA!!!!

  9. http://www.midi-madagasikara.mg/

    26 juin sans Rajoelina : Beriziky refuse de signer le décret de report des élections
    le jeu, 20/06/2013

    Le premier ministre Omer Beriziky refuse de signer le décret de report de l’élection présidentielle du 24 juillet. Or, tant que le locataire de Mahazoarivo n’appose pas sa signature en bas de ce décret, le report des élections dont le principe aurait été déjà acquis ne sera jamais officiel. De prime abord, l’absence de ce décret de report veut dire que la date du 24 juillet est maintenue. Ensuite, si la date du 24 juillet est maintenue, les autorités candidates à la présidentielle sont censées avoir déposé leur démission 60 jours avant le scrutin, c’est à dire avant le 24 mai. En ce qui concerne donc Andry Rajoelina dont la candidature, qui a été déposée « hors délai », a été validée par la Cour Electorale Spéciale, il a perdu sa qualité de président de la Transition et donc de chef suprême des Forces Armées après la date du 24 mai. Il n’est donc plus chef suprême des forces armées et président de la Transition à partir de cette date, il ne sera plus autorisé à présider le traditionnel défilé militaire du 26 juin au stade de Mahamasina. En tout cas, le nom de Andry Rajoelina ne figure pas sur les cartons d’invitation distribués pour les cérémonies du 26 juin. S’il est présent à Mahamasina, ce sera en tant que simple invité.

    . L’armée Malagasy célébrera son 53ème anniversaire sans la présence de Andry Rajoelina.

  10. Mba rahoviana amin’izay ry zareo no atao voaloahan-daharana, ny fandinihina ny tsy fanajan-dalàna â ?

    Sao dia lany andro amin’ity resaka vavaka lava ity ê ?

    Ianareo mivavaka, ny sasany manota andro aman’alina ary mampijaly vahoaka ! Tany tsy misy Fanjakàna intsony ao Madagasikara, koa mba miangavy re, mba jereo akaiky koa ny fiainana eto an-tany fa ny any an-danitra mbola tsy nisy nitantara hoe manao ahoana ny any ê !

    Paradisa eto an-tany no tena mbola tadiavin’ny vahoaka, fa rehefa maty dia ho lasa vovoka daholo, na….. lavenona !

  11. Sapa 20 juin à 9h23:

    C’est ce que j’attendais depuis longtemps comme info.Maintenant préparons la propagande car les manifs des collectifs ou autres actions deviennent inutiles.

  12. Marina tsy misy azo lavina ireo voalazan’i KM ireo.
    Ny vavaka tsy mahavita n’inoninona raha tsy misy asa tena tanterahana manaraka ireo lalàna velona tokony ampiarina.

  13. Le 26 juin qui sera SANS RAJOELINA ???

    J’attends quand même la fin du Défilé pour etre sûr.
    Le Général Ndrianarijaona n’est pas devenu GENERAL DE DIVISION en un rien de temps… SANS LUI…..
    Le pire, je m’attends à ce que le Gal RAKOTOARIMASY annonce un Directoire Militaire.
    Tout est encore possible avec CES VOYOUS !!!
    Sinon , si Beriziky continue sur sa lancée :
    – MBS et tous les multimedias rouvriront pour la propagande
    – Les Prisonniers seront libérés
    – et Ratsirahonana ira à TSIAFAHY pour finir ses jours…..MdR
    J’attends patiemment le 27 Juin pour etre fixé ! 🙁

  14. Ka sao dia efa tokony hihetsika @ izay Andriamanitra fa efa lava anie izay efa-taona izay e. Ary efamaro be ny maratra, sy maty , ary ny gadragadra foana. Ireo mahantra maro anosa dia vao maika niha-nahantra. Toa resahina foana ilay Andriamanitra nefa tsy misy zava-vita akory. Raha mba misy zavatra iray mandeha dia hoe valim-bavaka izay… Matahotra mihitsy aho fa rehefa avy mandalo izao atambon’ny didy jado’nympanogam-panjakana izao isika dia ho avy indray ny didy jadon’ny fivavahana ka hiverina any @ moyen-age i Ramalagsy izay efa tara taon-jato roa.
    Ny finoana dia ho eo foana ary anjaran’ny tsirairay. Ary ny hoe feno ratsy ny tanana, tsy ny fivavahana mihitsy no hiady @ izany fa ny fanabeazana sy ny TENA mpitandro ny filaminana, fa tsy mpanogam-panjakana. Ny mba hany nofinofiko dia isika izay manohana an’i Filoha Ravalomanana sy manohitra am’i Rajoelina dia aoka mba tsy ho mpaka ara-bakiteny na ho mpandray an-tendrony. Izany hoe tsy manohitra na manohina fahatany. Fa matoa mijoro isika dia satria manana ny Marina. Ary ny marina tsy mba maty.
    Farany dia tokony mba ho jerentsika tsara ireo firenena notatanan’ny fivavahana sy ny fiainan’ny mponina ao. Dia mba maka lesona am-pahendrena. Ary aoka ny fivavahana hijanona any am-piangonana sy hoan’ireo ray aman-dreny amam-panahy.

  15. Misy firenena matanjaka anakiray izay manana devise hoe: In God we trust ka tsy mba azo alaintahaka angaha izany.
    Mety ho mety io satria hatreto dia mievina kely fotsiny io firenena io dia mangovitra izao tontolo izao.
    Ny soa fiantsa hoy ny sasany

  16. Izy,
    Io,firenena resahinao,io dia avo zato eny ny Malagasy ny isan’ny mponina ao aminy. Ary marobe toy,izany koa ny tsy mampafangaro ny fivavahana @ fiainanam-pirenena. Ao @ io,tany io dia mandroso ny hairaha (technologie) sy ny famokarana angovo. Ary tsy misy fanoganam-panjakana. Ny fivavahana Any @ io toerana io dia mahazo laka satria efa voky sy mandroso ny olona ka Tia miditra @ zavatra hafa indray na dia vitsy an’isa aza ireo mpivavaka mahafatra-po any.
    Ny antsika éto,dia tsy misy mandroso na iray aza. Ary ny fialonana no entiny hitondrana firenena. Mifangaro ny andrim-panjakana. Any @ io toerana lazainao io ohatra dia tsy mahazo miditra ao @ Capitole misy ny kongresy mihitsy ny filoham-pirenena satria tena misaraka ny fahefan’ny andrim-panjakana. Ary io firenena io dia manaja ny fivavahana rehetra sy ny tsy mpivavaka koa. Marina ny anao, ny Soa fianatra.

  17. iAHO KOSA ALOHA MBOLA TSY MIRAIKA LOATRA @ IZANY FIVAVAHANA IZANY @ IZAO FOTOANA E !
    Ny any aoriana no tsy fantatra rehefa ho gravy ny fandehan-javatra !
    Fa ny tokony mba ho tonga matetikla ao an-tsaina raha izaho dia
    MANDINIKA ny FIVOARANA MISY ANY VIETNAM !
    Tsy nisy resaka Fivavahana mihitsy, fa,
    Naverina daholo ny fomba fiainana tany aloha ary nakinina tamin’ny FIRAISAN-KINA – FIFANAMPIANA ARY NY FAHAMARINAN’NY MPITONDRA (loyauté) sy FITANDROANA NY HAJAM-PIRENENA.
    iZANY HOE fiovan-ny toe-tsaina mihitsy sy FIRAISAN-KINA.
    Manaiky mihitsy ny voalaza etsy ambony aho aloha e @ FA TSY TOKONY HIROANA LOATRA @ ITY fIVAVAHANA ITY ny fitondràna Firenena NA INONA NA INONA E ! Manaiky mihtsy ny voalazan’i LAZALAZAO aho! Mino aho fa tsy vitsy no mitovy saina @ izany.
    Fa rehefa miteny izany toa laitry ny saina malagasy ny fahamarinany

    Tsy fanaratsiana na fandavana ny hivavaka, fa efa miraikitra loatra ao an-tsain’ny malagasy ny fivavahana noho ny FOMBAN-DRAZANA – FOKONOLONA sy ny FIHAVANANA .
    Ireo anefa no mba hitako fa tsara ho velomina, ary mifanaraka amin’ny saina malagasy .

  18. MARINA ary azo lanjalanjaina daholo ny voalazanareo ireto:
    ramanana – Sapa – Km – Lazalazao
    _____

    Fa efa io ny article, dia manararaotra manao tora-po ê:

    Tena mba tara be ny tenako,
    fa ny an’ny église reformée no efa nidirako indroa
    fa ny romaine … kay ve toa an’izao

    Tsy ho hadinoiko ny hitondràna ahy hitsidika ao rehefa mandalo eny indray!

    Ny andavan’andro izahay mitady fihinanana, ny Sabotsy taomin’ny namana hanala azy @ rencontres sportives mandra-pahatapitry ny tournoi,
    raha mba andro Alahady hono no mba misy firaisam-pinoana miaraka @ i NENY ao @ Ekar fiangonanay ETY

  19. Ny fivavahana resahinareo eto ve dia midika ho fiangonana , fiangonana mantsy ilay hoe katolika , na protestante , raha ny resaka fivavahana mantsy dia tsy izany , na ny maha olona anao io ary dia avy amin’ny vavaka , vavaka dia teny , ary teny no nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ary ao anatiny ianao , ka raha ny zavatra tiana hampandroso an’ny Madagasikara dia ao anatin’ny lalan’Andriamanitra avokoa , ohatra ny fahamarinana , Andriamanitra izay satria mila marina isika mba hisian’ny fifampitokisana ,ny fihavanana , mbola didin’Andriamanitra izay satria fitiavana no lehibe indrindra, ka amiko aloha dia ilaina ny vavaka

  20. I Vonifanja ve pasitera sa mpiandry sa inona ê ?? MDR !!!!!
    Tsy fanakiana an’izay olona mpivavaka ny resaka sanatria ! Tsara ny olona manana finoana sy manaraka an’izany atao hoe « Tenin’Andriamanitra » izany, saingy ny Fivavahana dia toy ny Lalàna, fitaovana entina mba hisian’ny fiainana mirindra eto an-tany !
    Tsy voatery ho mpivavaka sy mpanaraka ny tenin’Andriamanitra lazainao io ny olo-mendrika rehetra !
    Ny Fivavahana, ny Lalàna, fady, ets…, dia fitsipika natao mba tsy hisian’ny olana eo anivon’ny fiaraha-monina ! Porofon’izany ireo maopera, pasitera, molà na imam, baonza, nahavita na nanao heloka be vava !

    Eny, tsara ny mampatsiahy ny zanak’olombelona ny maha zava-dehibe ny Fivavahana, fa ny Fanajàna ny Lalàna no tokony atao ambonin-javatra voalohany !

    Misy mpitondra Fivavahana niaraka tamin’ireo mpanongam-panjakàna, izay nitondra fahoriana ho an’ny vahoaka malagasy atramin’izao ! Izahay tsy mahafantatra an’izay hanaovan’Andriamanitra azy ireo indray andro any, fa ny fantatray fotsiny aloha dia mijaly ny vahoaka amin’izao fotoana, noho ny ataony !

    Ny tiako hahatongavana dia mety hiova ny fandehan’ny raharaha, rahatoa ka manakiana mazava sy manenjika ny mpanongam-panjakàna daholo ny mpitondra any ampiangonana rehetra !
    Andriamanitra tsy niteny hoe azo atao ny manongam-panjakàna !

    Fanajàna sy fampiarana ny Lalàna voasoratra ao anatin’ny Constitution, Codes civil sy pénal, commerce, ets….ihany aloha ê ! Na ny miaramila aza manana ny fitsipika tsy maintsy na tokony arahana, kanefa maro ry zareo mandika an’izany !

  21. Nanao ny hangina saingy, tsy naharitra!

    Voalohany aloha dia ombako tanteraka ny voalazan’i Vonifanja etsy ambony, ary tsy misy madilana ho tentenina hoy ny fitenenana!

    Faharoa, hanampiako kely izay voalazany dia izao:

    Tsy misy voatery na misy manery na iza na iza hihino an’Andriamanitra, na hivavaka!

    Izy koa tsy manery rahateo, fa mamela ny tsirairay hisafidy malalaka!

    Raha toa ka heverinao io fa tsy misy dikany sy tsy misy ilàna azy ny vavaka, dia safidinao izany!
    Ary ho fanfatrao miaraka Aminy irery izany… Saingy…, aza manao ny andronao ho lava…!

    Koa raha ny vavaka re no anisan’ny fitaovam-piadinan’ny sasany!
    Aza dia henjehina lava e!!!

    Fa samy misafidy ny hery hiankinany, ary ny antony!!

    Ao ny mandeha amin’ny heriny sy ny fahalalàny ary ny fahizany! Ao ny mandeha amin’ny hern’ny volany! Ao ny mandeha amin’ny fitaka sy lainga! Ao ny mandeha amim-piatsarambelatsihy sy ny famitahana etsetra…

    Ao koa anefa ireo mandeha amam-bavaka amin’izay atao rehetra! Ary ireo rehetra ireo, samy ho tsarainy amin’ny asany avy ny fahamarinany na tsy fahamarinany!

    Hevitra atoroko anao!!:

    Aoka hifanolo-tànana hatrany! Ny hahasoa zavatra no hilazako ireo!!

    Kanefa raha toa tsy zakanao, dia tohiza ary ny fanebahana sy fanarabina izay mivavaka fa tsy maninona eeee!!!

    Tsy hisy haninona anao velively !! 🙂

  22. Sapa
    Cette gueurre civile provoquée par la France, c’est une guerre foza contre foza qu’ils s’entretuent, on aura moins de fozaorana à lq fin.

    Neninoro,
    Tena tratran’ilay fananjahana nampidirin’ny frantsay ianao.Io no entiny namabo ny Malagasy ka nahatonga ny fanjanaha-tany sy ny fanjanaha-tsaina ka rehefa avy aminy dia tsara daholo fa rehefa avy @ Malagasy koa dia ratsy daholo, ohatra, ny finony no tena aA/tra fa ny an’ny Malagasy dia sampy sns…
    Ny finoana dia hananan’ny rehetra, ary misy foana ny masina (sacré) ary ny vavaka hatr@ izay nahafantarako azy aloha dia sady tsy asa no tsy hetsika, fa ao anaty (introspection). Ary fa angaha moa rehefa hoe hiady @ ratsy dia tsy maintsy hoe A/tra, mbola resaka samy fivavahana ihany io ny @ hoe roa mifandany (dialectique). Fa mba azonao ve hoe misy olana tsy mametraka fivavahana @ raham-pirenena ?
    Raha tsy manery ny fivavahana araka ny filazanao dia tokonytsy hisy ilay hoe, raha tsy manaraka an’A/tra dia lasa any @ afobe, fa raha mino azy dia lasa any paradisa ? Tsy fanerena (chantage) ve izany ? marina anefa ny voalazanao fa ny @ tokony hifanoloran-tanana ka aoka isika hiatrika an’izany. Hanao izay hampandresy an’i Neny.

  23. Fa angaha moa ry Lazalazao rehefa tsy mivazavaza foana manao sur place eto amin’ny clavier eto dia tsy manao na inona nainona??

    Na koa hoe rehefa mivavaka dia voazanaka fisainana, ary tsy mahavita na manao na inona na inona???

    Ahoana moa no hahalalanao izay rehetra ataon’ny hafa, na tsy ataon’ny hafa???

    Misy teny hoe: ny asa tsy misy finoana dia foana, toy izany koa ny finoana tsy misy asa! Mitovy ihany izy roa!

    Malalaka dia malalaka ny azo andikana an’ireo fehin-teny ireo, koa samia maka izay heverina fa mety aminy!!

    Manaraka izany, i Neninoro ry Lazalazao tsy voazanak’olombelona na iza na iza ô!!

    Tsy fantarao izay mba ezaka ataon’ny hafa any ambadimbadika any…!? Aza dia malady mitsara lava toa io!

    Fa toa lasa ohatry ny manakina an’i Neny ianao amin’ny teninao!?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *