Lalao Ravalomanana : nahazo tso-drano tao Moramanga

Lalao Ravalomanana à Moramanga 20 juin 2013-62Nitsidika  ny faritry Moramanga ny 20 Jona 2013 teo Ramatoa Lalao Ravalomanana, niaraka tamin’ny Praiministra Lefitra Botozaza Pierrot sy ireo delegasiona mafonja avy tao Antananrivo. Ny Ct Ignace izay tompon-tanana no  nitarika ny dian’ireto vahiny. Tamin’ny 9 ora sy sasany no nigadona teo an-tanana ny fiara nitondra ny filoha  Lalao Ravalomanana ary dia tonga dia nivantana teny anivon‘ny vahoaka ny tenany. Nifandray tamin’ny tantsaha sy ireo olona sendra azy  teny an-tsena  ary avy eo dia namonjy tao amin’ny Hotel Bezanozano efa nomanina hanaovana ny fihaonana. Fotoam-pivavahana no nanombohana ny fotoana ary rehefa vita izay dia nanomboka ny kabary samihafa.

Ny Ct Ignace avy ao Moramanga tamin’ny kabariny dia nilaza fa fanirian’ny Moramanga mba ho  i Neny no hitarika ny matso amin’ny fetin’ny fahaleovantena amin’ny taona ho avy. Miara-mihazakazaka aminao izahy izao ry i Neny  ary manohana anao hatramin’ny farany hoy i Ignace. Tsofinay rano ianao amin’izao dingana lehibe raisinao izao « Anio izahay no miantso anao hoe Neny fa rahampitso dia filoha Lalao Ravalomanana no iantsoanay anao » hoy hatrany Ignace.

“Magnangy tsara ny  filohanay” hoy kosa Botozaza Pierrot raha nandray fitenenana izy. Manana zo hilatsaka ho fidiana I Neny koa aleo ny vahoaka no hifidy izay tiany, hoy  ny Praiministra lefitra misahana ny taozava-baventy sy ny toekarena.Nosimbain’ireo tsy mataho-tody ny firenentsika hoy Botozaza, simba ny lalàna, simba ny orinasa Malagasy, simba ny fiaraha-monina, simba ny hoavin’ny taranaka Malagasy. Lasan’olombitsy ny harem-pirenena. Kanefa na izany aza dia apetratsika amin’Andriamanitra ny ho avin’ny firenena hoy izy.Matoa ianao manaiky ho filoham-pirenena ry Neny dia zakanao io andraikitra io ary ho ampian’Andriamanitra ianao amin’izay dingana izay.Hitantana anao Andriamanitra amin’izay tanjona kendrenao izay hoy hatrany Botozaza.

Raha nandray fitenena kosa Ramatoa Lalao Ravalomanana dia nisaotra ireo nanome fanomezana azy ary indrindra  nisaotra ihany koa ireo nitrotro am-bavaka ny fianakaviany nandriatra ny efa-taona. Rehefa nandinika sy nijery ny fiainana aho hoy I Neny dia ontsa dia ontsa tokoa, mahita ny halafon’ny fanafody, mahita ny zanaka Malagasy tsy mahavita manohy ny fianarany, mahita ny tanora very fanahy mbola velona , mahita ny raim-pianankaviana tsy afaka mamelona ara-dalana ny ankohonany. Noho izany dia vonona aho hanangana firenena vanona hoy I Neny. Mila antsika mifanampy sy mahay miara-miasa anefa izany hoy izy. Ny fanahy no maha olona ary ny hery tsy mahaleo ny fanahy hoy hatrany Ramatoa Lalao Ravalomanana. Mifalia amin’ny fanantenana ary aza matahotra fa minoa fotsiny ihany hoy izy namarana ny kabariny. Nalai-nisaraka ny vahiny sy ireo mponin’ny Moramanga, kopakopa-tanana no nifandaozana.

 

 

7 pensées sur “Lalao Ravalomanana : nahazo tso-drano tao Moramanga”

  1. tena mafinartra eeeeeee,tohizo ny lalantsika,fa mba rovina ihany vao hisokatra ny radio sy ny tele eeeeeee,nga mou ts we 15jours no omeny ny ministere nefa efa firy herinandro aty aorina mbola tsy hita ihany.Tokony handray ny andraikiny mhintsy ireo parlemantera sy ministre ao amn akolafy R8

  2. Ary ny gadra paolitika ????

    Ary ny fiverenan’ireo rehetra izay sakànana sy tsy avela mihiditra ao Madagasikara, indrindra fa ny Filoha Ravalomanana ?

    Ny Tondrozotra marina ve no « patrô-n’Ingahy Beriziky », sa ireo miaramila potsista izay tohanan’ilay firenen-kafa ??

  3. Azafady rahatoa ka nanaitra ny « natory » ê ! MDR !!

    Beriziky nilaza fa tsy mahafantatra patrô ankaotry ny FDR !
    Izao koa ny Conseil d’Etat milaza fa ny « FDR-n’ny SADC » ihany no afaka mitsara ny tsy fanajàn-dalàna nataon’i domelina raha nandraoka an’ireo mpikambana ao amin’ny CST ilay mpanongam-panjakàna !
    Ho avy koa ny CES sy CENI-T hoe, tsy anjaranay rahatoa ka mikatso ny fifidianana, fa anjaran’ny FDR-n’ny SDC no manapa-kevitra !!!

    Ny FDR ve anjaran’ny SADC no mampihatr’azy sa ny malagasy ê ?

    Ahoana hoy moa ny CPS-n’ny UA ?
    Ampiaro antsakany sy handavany ny Tondrozotra, ary ireo izay nanongam-panjakàna dia tsy tokony handray anjara amin’ny famerenana ny ara-dalàna !!

    Esory teo daholo ireo mpanongana ireo, dia hilamina ny tany ê ! Ho lasa adala eto daholo isika mianakavy amin’ny farany !

  4. Ha ha ha !! MDR !!

    Mba taitra ihany koa hono ireto mpanohana an’idomelina atramin’izay ; ireto avy ao amin’ny Sehatry ny Fandihizana sy ny Fi..sakafoanana na SeFaFi !
    Mba taiza ireo olona ireo atramin’izay tsy fanajàn’ny mpanongam-panjakàna ny Tondrozotra izay ?
    Dia izao indray ny vahoaka no MODY terena hifoha sy…hanàkana ny firotsahan’i Ramatoa Ravalomanana ? Ianareo SeFaFi no anisan’ny tena tsy tia tanindrazana !!!

    TTSSSSS !!!!

    Escopol, SeFaFi, CRM, CSC, Ray aman-dreny mijoro,.., même combat ! Anti-nationaliste et qui plus est Pro-fiteurs !

  5. Aoka samy hiraka hiomana isika rehetra fa @ 23 izao dia tokony hiala daholo ireo fozaorana ary ny 24 Jona kosa dia hanomboka ny fampielezan-kevitr’i neny koa samia isika manomna zavatra kely hanampana io fiandohan’ny fampielezan-kevitra io.
    Ho an’ireo izany any Frantsa dia mbola miantso ihany. Reseo lahatra ny manodidina anareo, ary aza mijanona tsy milaza @ izay azo lazaina ny fidiran’ny frantsay eto @ krizy malagasy.
    misy koa ilay fihaonana ao @ FIAP @ 29 jona . Tonga daholo ny zanak’i Dada ahampahafantra ny zava-misy aty madagasikara. Ny filalaovan’ny frantsay ny ain’ny Malagasy. Ary ny tsy fahafantaran’ny vahoaka frantsay ny lainga sy ny hevitra maloto entin’ny fanjanaka frantsay eto Madagasikara.

  6. Fa ahoana ihany e??raikitra sa tsia ilay fifidianana e???dia rahoviana???
    Dė mba zėndana koa aho t@’ilay resaka CST lasa voakitika indray ilay FR efa NIFIRANDRY ZAREO ?

    Tsy misy matory izany eo fa fotoam-pambolena izao ka somary mahalana kely eto fa eo ihany Kintana a!
    tena reraky ny voly e!!inona no hotazana eo rehefa avy eo raha tsy mamboly hoy ianao???izahay tsy mba
    mahay mandroba koh!! »ny hatsemboan’ny tavanao no aoka hinananao ».

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *