LALAO RAVALOMANANA : Nanome fanampiana ny Akany Arc en Ciel

Lalao Ravalomanana à Ankany Tsiroanomandidy 21 juin 2013-13

Nitsidika ny Akany  Arc en ciel ao avaratsena Tsiroanomandidy Ramatoa Lalao Ravalomanana. Tamin’izany no nitondrany fanampiana ho an’ity Akany ity sy ireo mpampianatra. Na dia nahazo fanampiana avy amin’ny EDM aza ireo mpampianatra dia tsy ampy izany. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Akany Ramatoa Adeleine dia fanabeazana ireo zaza sembana ara-tsaina sy ara-batana ity Akany ity. Mahatratra 60 ireo ankizy beazina ao ka mpampianatra 8 no miandraikitra azy ireo amin’izany. Tsy misy mijanona ao an-tsekoly izany hoe kilasy mody ireto ankizy ireto ka isany olana goavana ho amin’ny fanabeazana ihany koa .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *