Lalao Ravalomanana teto Morondava : hitondra fampandrosoana hoan’i Menabe

Lalao Ravalomanana à  Morondava 27-06-2013-20

Lalao Ravalomanana à  Morondava 27-06-2013-31Nihaona tamin’ny vahoakan’i Morondava io takariva io Ramatoa Lalao Ravalomanana. Teo amin’ny tany malalaka manoloana ny FJKM Mahagaga no nanaovana ny fihaonana. Tazana teny an-toerana ireo vahoaka mpanara-dia ny ankolafy Ravalomanana eto Morondava notarihan’ny Mpitandrina Petera, nahitany ny solontenan’ireo antoko sy fikambanana manohana an’i Neny, hita teo ihany koa ny CST Naika Eliane.

Tamin’ny fandraisampitenena’i Neny nisaorany ny vahoakan’i Menabe tamin’ny fitrotroana am-bavaka ny fianakaviana nandritra ny efa-taona tsy nahateto an-toerana azy. Nitondra ny hafatra avy amin’ny filoha Ravalomanana ihany ko izy teto : « mivavaha ka aza mitsahatra fa ny vavaka manova zavatra » hoy izy. Tafaray ny tia sy ny manina koa aoka isika hiara-hiasa ho amin’ny fahombiazana hoy i Neny. Rehefa nitety faritra maro aho dia nahatsiaro sy nahita fa miaina anaty tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka, tsapako ny fahoriana mianjady aminareo, ny tsy fahampiana ara-tsakafo, ny tsy fahafahana mitsabo ny zanaka. Amin’ny maha reny ahy dia  tsapako ny olana eo amin’ny renim-pianakaviana amin’ny tsy fahafahana mampianatra ny zanaka, tonga eto aho hiasa hiaraka amintsika hitondra fampandrosoana hoan’ny faritry Menabe.Rehefa miaradia amin’ny Neny anefa dia mila manana finoana arahinasa hoy izy.Vonona aho hanome fiainam-baovao, izany fahavononana izany anefa dia mila fifankatiavana, mila fifamelana ary mila fahaizana miara-miasa.Raha vao tonga teto aho dia nijery ny tohodranon’i Dabara, ilaina amin’ny fambolena eto io tohodrano io koa izay no antony mahatonga ahy nijery io tohodrano io. Hojerentsika ihany koa ny mahakasika ny fizahantany mba hahafahana mampandroso ny tanora. Nambaran’i Neny fa ny resaka ara-panahy no tokony hifotorana bebekokoa hatrany, ny fanahy no mahaolona, ary ny hery tsy mahaleo ny fanahy. Mila manavao ny fanolorantena isan’andro hatrany isika hoy izy.

8 pensées sur “Lalao Ravalomanana teto Morondava : hitondra fampandrosoana hoan’i Menabe”

  1. Tadiavina indray izany Rajeanbôlida ho rahonana dia ho VIDINA toa an’i Simaô koa inona moa???
    fa tsisy Gasy mba afaka ny hiaro an’i Neny ve ao e???i Ralitera toa hitako niaraka t@’i Neny tsy
    tadidiko iny dia aiza indray???MAHONENA an!!!!
    tsy misy foza ho faly @’izao a nie ray olona fa mba MAILO e!!!!isika ve hiandry ho tolorana lava izao fa tsy HIETSIKA MIHINTSY a???
    Mba ampio rė Neny fa aza avela hiady irery e!!!vehivavy daholo no mba miaraka aminy fa aiza daholo ny LAHIMBOMANGA REHETRA e???
    ho avela @ VEHIVAVY VE ITY TOLONA MAVAIVAY ITY E????
    MBOLA MISY HARAPAKA IHANY ANGAHA eeeeeeee

  2. Mba vakio itony:

    Misy aminreo angamba mambra ny club des 48.Mety mpanao biriky daholo ireo

    Re: Pour un sursaut patriotique !
    Envoyé par: lys-norine (Adresse IP journalisée)
    Date: ven. 28 juin 2013 17:06:54

    rabe 1 Écrivait:
    ——————————————————-
    > « Quelle solution ? virer tous ces politiciens
    > VÉREUX sans exception,[…]

    Efa nisy fitanisana ny hoe tena ngezalahy fahavalom-pirenena toy izao niseho teto :

    [1] Gros bonnets de TANA à suivre de près=ENNEMIS DE LA NATION
    Envoyé par: Malagasy mijoro (Adresse IP journalisée)
    Date: ven 1 mai 2009 15:55:47

    Aoka mba samy hanaraka akaiky ireo gros bonnets de
    > TANA isika fa ireo no tena pion’ireo frantsay ary tompon’ny média rehetra eto Mada, manana relations diplomatiques ambony, tia vola be ary ny interêt-ny ihany no fantany, double nationalité ry zareo rehetra ary tsy miraharaha malagasy zany toy
    > :
    > -Edgard Razafindravaha
    > -Solofo Rasoarahona: io no tena atidoha mpi-gérer
    > ny affairen’ny Edgard
    > -Ravatomanga Maminiaina
    > -Rajaonarivelo Herintsalama
    > -Famille Rakotomavo
    > -Famille Rabemananjara(1er ministre teo aloha)
    > -Jacques Silla
    > -Groupe Fraise, Madauto, Sicam…les KARANA…et
    > bcp d’autres
    > Bref tokony ezahina ho fantarina tanteraka daholo ireo groupe, na entreprise, na olon-tsotra …zay mitady koa ny fomba rehetra hanoherana ny tolon’ny tia tanindrazana…,dia atao liste complet avoaka eto dia hahely eraky ny tanàna.

    [2] Re: Gros bonnets de TANA à suivre de près=ENNEMIS DE LA NATION
    Envoyé par: Malagasy tena mijoro (Adresse IP journalisée)
    Date: ven 1 mai 2009 17:25:34

    Ireto ary no voalohany :
    – Famille Rakotoarisoa (Andohatapenaka)
    – Mme Holy Razafindrakoto
    – Famille Naivo Rahamefiarison ( Isoraka)
    – M. Hypolithe Randriamanantena ( Isotry)
    – M. Mamy Randriambololona (Mahamasina)
    Ireo dia tena tokony harahina akaiky mihitsy ny fihetsiny .
    Mbola ho avy ny lisitra manaraka

    [3] Options: Repondre à ce message•Citer ce Message
    Re: Gros bonnets de TANA à suivre de près
    Envoyé par: EKENA (Adresse IP journalisée)
    Date: ven 1 mai 2009 11:24:24
    Izaho dia mahafantatra fa ireo dia anisan’ny nahalala ny coup d’Etat ary nanampy ireo mpanantateraka na gasy izany na frantsay.

    Solofo Rasoarahona no directeur ny Centre d’Etudes diplomatiques et stratégiques eto Madagasikara. Io centre io dia manana antenne any Paris. Io centre io no manafatra ny mpampianatra frantsay izay azo lazaina fa espions ny ankabehazany

    [4] Options: Repondre à ce message•Citer ce Message
    Re: Gros bonnets de TANA à suivre de près
    Envoyé par: Malagasy mijoro (Adresse IP journalisée)
    Date: ven 1 mai 2009 11:28:58

    Edgard Razafindravaha/Solofo Rasoarahona: Tompon’ny Groupe Prey, Journal Expess de Madagascar,HEBDO, KOBAMA,MOUFREY…ary tena mikotrika vengeance mafy @ Pdt Ravalomanana noho ny affaire lafarinina, ka tsy mankasitraka velively ny hiverenany eto
    -Ravatomanga: Journal la Vérité,Polyclinique Ilafy, Groupe SODIAT…
    ..samy mi-constituer ny liste zay fantany

    [5] Options: Repondre à ce message•Citer ce Message
    Re: Gros bonnets de TANA à suivre de près=ENNEMIS DE LA NATION
    Envoyé par: ******** (Adresse IP journalisée)
    Date: ven 1 mai 2009 18:26:56

    ATAOVY LISTRA ATO KOA IREO OFFICIER NANAO FIANARANA TANY ECOLE DE GUERRE TANY FRANCE SATRIA IREO NO NATAO LAVAGE DE CERVEAU HANONGANA FANJAKANA TSY MOMBA NY FRANCE

    [6] Re: Gros bonnets de TANA à suivre de près=ENNEMIS DE LA NATION
    Envoyé par: lenaivo (Adresse IP journalisée)
    Date: sam 2 mai 2009 07:21:04

    Ny lisitra dia efa tamin’ny 1896 no natomboka. Héréditaire ny fanompoana an’i Lafrantsa eto amintsika satria resaka tombotsoa sy prestige io. Mifanambady, mifampitsinjo toy ny lobby rehetra ny olona ao ary zony tanteraka izany.[…]
    source:site TIM MADA

  3. Tena tsara tokoa saingy aoka isika tsy ho varina fa tsy izao akory no tanjona fa ny lalana makany @ ilay tanjona. Ny mety hitranga mantsy dia rehefamandresy ny mpifaninanana LRa8 dia tsy hanaiky ny sasany. ka dieny izao dia anjarantsika ny manomana ny fifidianana tsy misy hosoka ,malalaka ary eken’ny rehetra. Tokony izany ny zanak’i Dada hanara-maso any @ biraom-pifidianana mihitsy. Ary koa hijery tsara ity CES ity fa ry zareo no hilaza ny vokam-pifidianana ary koa hanara-maso ny fitaterana ireo vato avy any @ biraom-pifidianana.
    Tsy mbola vita mihitsy ny tolona fa ny asa lehibe indrindra dia mbola ho avy aoriana kely ao.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *