Tsy ampy fikarakarana ny CSB 2 Ambohimandroso : tonga nizaha ifotony i Neny

08_06_13, NENY au marché d' Ambohimandroso

08_06_13, NENY au marché d' AmbohimandrosoTamin’ny fitsidihana nataon’i Neny Ravalomanana Lalao ny toeram-pitsaboana CSB 2 Ambohimandroso no nahitany  fa  tsy ampy fikarakarana ity toeram-pitsaboana ity. Tsy ampy ny isan’ny mpitsabo miasa ao an-toerana, tsy ampy ny fitaovana enti-miasa  ary araka ny nambaran’ireo mpiasa tao dia ny fitaovana notoloran’ny fitondrana Ravalomanana no mbola miasa asa ao izay efa misy fahasimbana, zara fa mahavita ny fitsaboana sahaza aza ny vahoaka. Tsy ampy rano fidiovana ity CSB 2 ity. Tamin’izany no nilazan-dRamatoa Lalao Ravalomanana fa hojereny manokana ity toeram-pitsaboana ny vahoaka ity .

4 pensées sur “Tsy ampy fikarakarana ny CSB 2 Ambohimandroso : tonga nizaha ifotony i Neny”

  1. izaho mbola tsy nahita itony hopitaly manaram-penitra
    ny eny @ hjra no hitako vao haingana fa … maloto no sady maizina tsy misy jiro ny couloir sasany

    Raha ny sary ety ivelany io, dia mbola manatombo eo amin’ny haDIOny raha hoarina amin’ny iretsy … ambony voatanisako!!

  2. Anisan’ny laharam-pahamehana teo amin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana ny fanatsarana ny FAHASALAMAM-BAHOAKA

    ohatra kely fotsiny: mba tsy handoha vola am-paosy ny olon-tsotra rehefa mitsabo tena eny amin’ireo hopitalim-pFANJAKANA

    Saingy indrisy, amin’izao fotoana, vao maika ratsy mihoatra ny talohan’ny 2002 ny eny rehetra eny: vola daholo no mande isaky ny mihetsika miala avy any @ sparadrap na coton – maro ireo olona tonga hatrany @ famarotana ny fananana (tany, sns) miala nenina rehefa mafy ilay aretina mahazo ireo ankohonany!

  3. Ity hopitaly CSB2 ity ny endrika iray hisehoan’ny tsy fahombiazan’ireo mpanogam-panjakana. Maika ny hangala-bolam-panjakana sy haka seza toy an-dry Rajaonarimapianina fotsiny. Fa ny fahaiza-manao dia zéro. Fialonana ny fahaizan’ny filoha Ravalomanana no maro. Fialonan’ny gasy aloha izao dia efa fantatra fa mamono olona.
    Mariho tsara i Neny fa vonona ny hanampy nefa ny fanejehana azy ataon’ny frantsay lohalaharana. Ny fitiavan-Tanindrazana kosa mbola manosika an’i Neny hanampy sahady na mbola tsy filoha aza.
    I Neny ihany ny anay.

  4. Mbola tsisy dikany io hitanao io neny a!!
    Efa famonoana ankolaka no betsa ao .
    VONOINA NY GASY HANOMEZANA VAHANA NY MPANJANAKA e!!!
    HANDROBANA NY HARENANY MORAMORA @ MAFIA eran-tany, efa fanaon’ny frantsay
    eraky ny tany izay robainy izany fa ilay gasy miara-petsapetsa amny mihintsy no efa TOTOM-
    -BINTANA.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *