TSY MAINTSY AVERINA NY SAFIDIN’NY VAHOAKA NANGALARIN’NY MPANONGAM-PANJAKANA

Rodin Rakotomanjato

Rodin Rakotomanjato
Nanana ny safidiny ny vahoaka Malagasy hoy ny Ct Horace androany teny amin’ny Magro Behoririka, izay nangalarin’ny mpandroba fahefana. Tsy manaiky isika hoy izy raha tsy averina ny safidintsika. Nisy hoy izy ny fanangonantsonia nataon’ireo vehivavy parlemantera teny Tsimbazaza, izay milaza fa ny fifidianana solombavambahoaka no atao mialoha ary nentina tany amin’ny Sadc izany. Izahay vehivavy parlemantera Ankolafy Ravalomanana hoy Horace dia tsy nanao sonia izany. Tsy misy lanjany izany raha tsy ao isika. Ny Cst Rodin kosa dia nilaza fa nilaza Ratsirahonana fa hisy dinika amin’ny Alatsinainy eny Ivato. Fa maninona no atao an’izany ity raharaha ity ka hoe izany Ravalomanana izany tsy miendrika hofidiana. Tsy ny Filoha  Ravalomanana hoy Rodin no nanongam-panjakana, tsy nandroba. Aza adino hoy izy fa ny FFM dia nanao io lalàmpanorenena tamin’ny FAT tamin’ny 2010 io.Ny CSC dia ireo izay ianteherana amin’ny fampiharana ny tondrozotra. Ny radio aza hoy Rodin Rakotomanjato tsy vitany ny nanokatra azy hatramin’izao kanefa hoe manaraka ny tondrozotra. Ny be baoty dia tsy adinonay ny nifampiresahanareo tamin’ny be kintana avy any ivelany. Aza atao sinema ny raharaha hoy izy fa ialahy mianakavy no miady ny tsy hiverenan’ny Filoha Ravalomanana Marc hatramin’izao. Ho henjana ny lalao manomboka amin’ny Alatsinainy izao hoy Rodin fa aleo asehon’ny vahoaka fa matanjaka ny zanak’i Dada. Fay ny olona, potika ny fananany ka ireo olona hivory amin’ny Alatsinainy ireo no namotika izany. Manoela dia nanome hafatra ho an’ireo izay hivorivory. Izahay hoy izy tsy mila ireo fa rehefa tadiavina ny rombo dia alefaso. ny ataonareo ihany no averina aminareo. Tsy misy daty mihemotra izany eto noho izany tsy mitondra Rajoelina. Nambarany ihany koa fa ilaina ny biletà tokana 1,20m  fa tsy ny A3. Aza fitahina ny vahoaka Malagasy hoy izy fa izahay tsy hanaiky izany.

4 pensées sur “TSY MAINTSY AVERINA NY SAFIDIN’NY VAHOAKA NANGALARIN’NY MPANONGAM-PANJAKANA”

  1. Attalah Béa
    Lea RavLELO (lobbying tsisy faran @ i Fatima)
    sy ny forongom-behivavy be maquillage sophistiquée artificielle AO

    « vehivavy parlemantera teny Tsimbazaza, izay milaza fa ny fifidianana solombavambahoaka »: maivana toa ny volom-borona toute-chair pas-chère MPIREVY mpameno garde-robe lèche-vitrine any Parisy de migoka miloka miaraka amin-dry zalahy jiolahim-boto isany

  2. Efa miresaka, mandalo ato an-tsaiko ny resak’ilay mpitondra taxi nitondra ahy indray mande, teo @ vanim-potoana nanomboka nanorona itony Fikambanan’ny Fampihavanana Malagasy FFM izay Sylvain RaBoto ny prézidà

    Notantarahin’ilay mpamily chauffeur ny nolazain’ilay vehivavy nentiny ny omalin’io: – convoquée pour recrutement comme membre au sein du ffm de Sylvain Raboto
    – tsy rotitra ilay ramatoa mamaly ny fanontaniana (hono):
    « izaho anie hoy ilay izy tsy mahita rirany @ izany, tsy bagage background am-paosiko, zéro fahaizana eo @ ilay sehatra, omeo clue oe atao ahoana?
    valin-teny azon’ilay ramatoa (hono):
    « Tsy mila izany, araho fotsiny ny fitsipika sy lalana atoro anao, … »
    !!!

    Ilay olona anefa efa TSY manana assurance hoe afaka hisahana ilay andraikitra

    ____

    Araky ny tononkiran’ny vazon’i Dadah groupe Mahaleo, manao hoe:
    [Tao an-tsekoly izaho no gisitra,
    matetika faran’ny lisitra,
    ny faniriko anefa ny ho tonga minisitra ,
    ka ry bado sy dondrona no hataoko direkrera…
    (sekretera parti-kouillera)
    …]

    (tamin’ny andron’ny Amiral rouge ireny)

    népotisme hoy ny mahay miakatry ny ABDia

  3. vao omaly ny cnoe nilaza oe: ny recensement – tokony ho voatàna araty ordi az, tsy tomombana @ izay laoniny akory

    Any ambanivohitra az, araky ny édition nivoaka teto,
    toa misy mampianatra hoe:
    (sa sangisangy – fa antanam-pFOZA moa ny firenena): asio X izay tsia TSY safidinareo?!

    ____

    « biletà tokana 1,20m fa tsy ny A3 »

    * 1,20m (heritrereto kely anie ny halavan’izany ê: omg an)
    * ny A3 moa dia izany dia samy maharaka fa novolavolain’i Béa(titude) hahazo première ligne i Andry Rajoelina

  4. TARATASY MISOKATRA
    -ho an’ireo miaramila sy zandary nanongam-panjakana ary mbola miseko sy miebo ary mibontsina manitsakitsaka ny hasina sy ny zon’ny Malagasy !
    Fa tena mihevitra anareo ho iza moa ianareo no dia mizahozaho toa izao..ary mibaiko ny zotry ny fiainan’ny Malagasy..
    Fantatro tsara ianareo mihevitra ny tenanareo ho zavatra…
    Vous n’avez pas découvert l’eau chaude , autrement cela se saurait !Alors baissez le tn et restez au m^me niveau que les Malgaches qui sont partisans de la non-violence..§ Mais devant les cas de force majeure ,nécessité fait loi, , décuple les forces et personne ne sait où cette énergie qui explose s’arrête !
    Ny volan’ny Vahoaka no anakaramana anareo ary mbola io vola io sy vidin’ny hala-botry ataonareo ( volamena ,mercure , aomby rongony , hazo kanto..sns..sns no ataonareo am-paosy hanamboaranreo trano be , ividiananareo automobiles..
    Dia heverinareo fa dondrona ve ny Malagasy..Ny karama maha miaramila anaeo ve dia manome fahefa-mividy (pouvoir d’achat) avo be ka hafahanareo miatrika ny vidin’ireo trano b maro sy automobiles maro ampiasainareo ?
    Sa ianareo mihevitra hizakazaka eto amin’ny Firenena sy hanitsaka ny ara-dàlana , ny rariny sy ny hitsiny izay fototry ny fiaraha-a mlrindra sy mitandro ny fifanajana sy mandala ny fahafahana eo amin’ny lafim-piainana rehetra..
    Dia mihevitra koa ve ianareo fa ireo taranakareo tsy hahafantatra fa halatra sy hery setra no nolovain’izy ireo ary ny Malagasy izay miady ho amin’ny famerenana ny fanajana ny làlana sy ny lalam-panorenana ary ny fampiarana amin’ny heriny rehetra ny Fitsarana ireo tsy valahara nanao heloka bevava tamin’ny Malagasy sy nanimba ary nandroba ny Firenena..
    Ny fatahorana izany ve no manosika anareo no hanaovanareo izao sakana tsy mitombona izao
    mba tsy hisy izany fivoarana sy fanarenana ny simba rehetra ?
    Mafy ve ianareo satria manana fiadiana sy arovan’ny frantsay izay manandevo anareo , ary tianareo no andevozony satria tsy ao aminareo intsony ny fahamendrehana sy ny fanajana ny
    mahaolona anareo dia ny fanahy , izay mampiavaka ny olombelona Malagasy amin’ny amboa izay mazana ankafiazin’ny frantsay noho ireo andevonyny ma?
    ratsiraka izay nioko ary lohan’iny fanonganam-panjakana iny dia vaky lay nandositra satria tsy nahatohatra ,tsy nahaleo ny hey mangina sy ny herin’ny fanahy matanjaka ao amin’ny Malagasy tsy vaky volo !
    Hoy JEHOVAH amin’ny MALAGASY :
    « AMPANGINO NY TAHOTRA SY NY AHIAHINAREO FA IZAHO MIALOHA ANAREO ANY MIASA SY MIADY HO ANAREO ! »

    Dr CELESTIN Robin
    Paris

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *