Voaroban’ny vahoaka i Lahiniriko Jean

DSCN0052Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, norobain’ny fokonolona ny tranon’ingahy CST Lahiniriko Jean tetsy Ambanilalana Itaosy io tolakandro io. Nisy tranga mampalahelo teo amin’ny manodidina ny tranony, nambaran’ny fokonolona fa novonoin’ny mpiambina manokana ity kandidà ho filoham-pirenena iray ity ny raim-pianakaviana iray. Tezitra noho izany ny fokonolona koa dia nanao izao herisetra izao. Rehefa niantso ny mpitandro ny filaminana anefa ny manodidina teo dia tonga ny fiara tsy matahodalana iray niaraka tamin’ny mpitandro filaminana vitsivitsy, rehefa tsy voafehin’izy ireo ny vahoaka dia lasa nitsoaka izy ireo. Niverina indray ny fokonolona nitoraka ny tranony, namoha ny vavahady, ary dia niafara tamin’ny fandrobana izany. Afaka ora vitsivitsy mihitsy vao tonga indray ny mpitandro filaminana nandamina ny toe-draharaha, nisy ny tifitra sy ny fisamborana. Olona telopolo no voatazona. Potika ny trano, voaroba ny entana, nivaloharika i Lahiniriko mianankavy. Taratry ny alahelom-bahoaka noho ny hantsana lehibe eo amin’ny « mpanongam-panjakana » izay miha- manankarena hatrany hatrany izany, sy ny vahoaka Malagasy miha-mahantra andro aman’alina.

22 réflexions sur « Voaroban’ny vahoaka i Lahiniriko Jean »

  1. DJ efa hiala tsy ho candidat fa tsy hay rahoviana!

    RAJOELINA ANIE KA MIVAOKA MIDITRA TOA NY LELON JAZA.

  2. izany hoee tsy asiantsika sira io nahazo an i Lahiniriko io ,fa ny Famelezana an dRajoelina indray izao no manaraka.

  3. I CHRISTINE RAZANAMAHASOSO-po indray no manaraka raha mety ry vahoaka malagasy ah. Asesy tsikelikely io mety ny tantara sa ahoana ?

  4. tsara ho azy izay, tokony hatao amin’ireo foza rehetra io dia madio ny tançna.
    Mba tadisio ary ahelezo fa tsy misy mandoha hetra intsony hono raha tsy rava i jolely

  5. Aleo alan’Andriana toy izay alam-bahoaka
    Asesisesy toy izany koa Rajoelina, Ratsirahonana atao indray mandroaka
    Mihevitra angamba ry zareo fa hadinony ny vahoaka ny zavatra ratsy nataony
    Toy izao nahazo any i Lahiriniko jean voaroba gaina tsy afa-niteny manoloana
    Mbola aiza re no ahazo anareo ry taranaka menaràna
    Vao manomboka hoy izy Kaina ny zavatra rehetra misy afaràna
    Ka hibedroka sa hiantso any RISARA BAOMBA tsy misy saina
    Anatra ho anareo be vinany rehetra izao
    ary ho lasa hatraminy ny aina
    Ka efa hamarana ihany izaho Rasamy
    99 andro no anareo Rajoelina fa ny andro iray kosa dia ho anay mitsàmy.

  6. AKORINAO ZAY!!!!!!!tsy faly @fahavoazanao fa mba mieritrereta ihany vao haingana no nanao izao ry maihol dia zao indray nareo,sao heverinareo fa bibi ny vahoaka malagasy ka ataonareo @ izay hitiavanareo azy
    domelina ratsirahonana membre CES sareraka ets ets izay indray no manaraka e

  7. tahaka ilay nanaovan´ny vahoka aní gle tsaranazy Jean emile ireny miitsy no faao azy. aza hadino ry roindefo, ry mamy ravatomanga izay fanafenan´i rajoelina ny volabeny halatra , ry haja resamapa, rolland ratsiaraka nanapotika ny Magro toamasina ireny aza hadino, tokony samy mamely ny vahoka eto andrenivohitra sy ny ana´ny amn´ny sisin-tany.

    Andao potehina ireo Foza rehetra ireo, ary aza mandoa hetra , aza misy miasa intsony raha tsy miongana i rajoleina sy ny forongony.

    kapakapao fa ratsy fanahy.

    Aza avela handositra fa aleo ho tsarain´ny vahoka mihitsy.

    tairo fa ela loatra izy ity e! fesona ny madinika!

  8. araky ny voalazan’ny TVplus: tonga teny an-toerana tokoa i Risara Baomba,
    de niantso t@ phone koa i Dolin oe mampihonona ny namoy havana fa mila faizina kosa ireo notanan’ny ekipan’i Risara baomba nalefaNY any am-ponja 20isa!

    Echanger contre de l’argent
    Monnayer
    la vie d’un père de famille, tabassé à mort
    par un agent de Sécurité?!
    de sieur Lahiniriko

    ny fiainam-bahoaka efa MORAMORAina
    ny ain’olona koa mbola MORAMORAina

    ianareo kary roa lahy ireo indrindra:
    – couillonnel Risara Baomba: zandary salarié en euro par France, bon-à-rien sauf accourir pour ensuite éprouver le bonheur de réprimer de nouveau par jet de LACRY les vahoaka (sadika va!!)
    – Dolin: mitondra ny olona tarihiny HATAO SORONA eny an-dapan’Ambohitsirohitra raha ilaina (hoy ny mpisampy ametrahanareo toky sy ANDRY)

  9. voatsipina tsikelikely ianareo tompon’andraikitry ny alatsinainy mainty. Mieritreritra angamba ireo mpanongana fa ho adino iny 26janv-2009 iny! Tsy ny Magro sy Tiko irery novoaroba fa aza adino ireo mpandraharaha kely madinika, ny sasany may kila ny fananany ary ny sasany voaraba, fa ny tena loza dia ireo fatin’olona lasa kitoza izay tsy mba nisy fisaonana akory ho an’izy ireo fa ny AV7 no natao malaza. Nefa nisy tompon-barotra koa lasa kitoza tao! Ho avy ireo taranaka hamaly anareo tsikelikely iny « Alatsinainy mainty 2009 » iny. Mievitra angaha ianareo mpanongana fa moramora iny? Wait and see!

  10. Maty aho lahinariako !
    lahinariako moa iny efa nahafantatra sahady ny vato azony na dia tsy mbola manomoka akory aza ny propagandy ! Efa nisy izany ny nandatsabato

    ary ahoana ilay ministry ny injustice ? mba milamina tsara ve izy iny izao ?

  11. Sanatria tsy faly @ ratsy na dia ratsy aza ilay voa fa kosa
    midera sy mankasitraka ny fokonolona Ambanillalana Itaosy,
    maromaroa ny toy izany tompoko ô!!rehefa feno ny kapoaka ……..tsy maintsy voatery ihany MITRAOTRA e!,
    ny nahagaga dia toa navelan’ireo mpitandro ny filaminana niahaka irery tao Lery an!!misy tsy mazava satria
    raha KARANA na SINOA izay tsy niandry ela toy izany fa 2 minitra monja efa fefika ZANDARY hihihihiiiiiiiii
    Tsy ampy saosy angah lery ???ilay fisamborana indray dia mazava fa TAHOTRA ny ho @ tohin’ilay raharaha
    @ hafa ( mba tsy hitaran’ilay raharaha e!) dia tsy maintsy natao ihany.
    Marina mihintsy ny tenin’i Kintana fa evelao izireo samy izy ireo ihany sisa no HAMITA ( ho tratra farany ao )
    Ny mahagaga mantsy dia nanana fotoana tsara mihintsy ny vahoaka nandrobana tao sady toa izay tonga teo aza
    nitari-dositra, jereo tsara anefa ny fiarovan’i Bomba mianakavy ilay Sinoa lahy NAMONO NY MPIASANY GASY
    TEO Beoririka e!!tonga dia tomefy ry zareo.
    Matoa koa nisy ny aina latsaka dia MAZAVA FA MITADY SORONA e!!!natao sorona ilay olona novonoina mba
    hazahoana SEZA sy VONINAHITRA, izany anie izao no la mode ao @ FITONDRAM-POZA AO e!
    NY RATSY NO FIANATRA FA TSY NY SOA INTSONY.
    Nanao sorona no nazahoan’i domelina SEZA -HAREM-BE-MIARAKA @ FAHAFAHAM-BARAKA dia tsy maninona
    fa saosy io koh!!seza io koh!! dia manaraka daholo ny tsy adala tsy hendry rehetra.
    MBOLA MIDERA SY MANKASITRAKA NY VAHOAKAN’ITAOSY AMBANILALANA TOMPOKO ô!!
    dia mankahery ireo voasambotra ! TSY MAINTSY MANDRESY NY MARINA!!!HOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA!

  12. Tokony hiverenan’i fokonolona ao ihany ampitahorina DORANA NY TRANONY
    raha tsy mivoaka ilay olona nosamborina.
    Aza amelana ntsony ray olona a!!dory ny tranony rehefa tsy avoakany ilay olona nosamboriny a!!

  13. Raha izaho mankana dia tsy anome tsiny an iza na iza fa ny olona tsirairay no tokony hatahotra an Andriamanitra tena hiaina ny finoana. Voalohany moa dia tokony hanadihady marina ny zava nitranga fa tsy marina ny hoe novonoin sécurité ary isika ve andeha handroba tranon olona nefa kristianina iza no tsy nanota tamin isika no hitsara. Diniho tsara ry havana ny zavatra hatao raha hahasoa na tsia

  14. haja, mety tsy ho kristianina fa mpanompo sampy ireo nandroba.Marina ny anao fa na kristiana aza dia mety manota daholo indrindra fa ry HAT sy ny namany izay tokony ho fitaratra aloha.Satria raha i Zefa izay manana Mofo roa monja no angalarinao Ratrema manana mofo arivo dia hitroatra i Zefa na kristianina aza haka mofo dimampolo aminao.

  15. Tsy mahagaga ny toe-javatra toy izao satria izany no nampianarina ny vahoaka sy ny taranaka Malagasy tamin’ny 2009. Tsapanareo amin’izay ny fangirifiriana nahazo ireo olona nampiaranareo ny nahazo anareo izao. Ry mpanao politika (politicard) aoka izay ny fitiavantenanareo, tsy zakan’ny vahoaka intsony ny fahantrana tanteraka nafitsokareo. Tena ataovy ao am-ponareo izany hoe fitiava-Tanindrazana fa aza mody atao am-bava fotsiny, aza fitahinareo intsony ny vahoaka fa efa mahafantra ny fomba fanaonareo (na olom-baovao ianareo na efa tranainy).

  16. Soa ianao fa teo Ratsimilao ka hajanoko eo ny @’iny.
    Andriamanitra izany mankatoa izao fitondrana satanika azo avy @’ny fanaovana sorona
    ny Gasy iray rà @ tena izao???
    Tsy haiko na tahotra na fiatsarambelatsia na fanosoram-potaka ny anaran’Andriamanitra no nanosika an’i Haja eto.
    Mba tiako ho fantatra koa hoe inona avy ilay voaroba tao???tena nahasolo ny fahavoazan’ny Malagasy izay natao
    tsindrio fa lavo nandritra izay nandrobana ny FITONDRANA HANGALARANA SNS IZAY VE??????
    Ary tandremo fa ny fanatsarana ny ratsy ho tsara dia anisan’ny fahotana ihany koa, tiako hamafisina mafy fa MATOA
    IREO VAHOAKA NANDROBA NY FOZA DIA MANANA NY RARINY TANTERAKA IZY IREO, TOHIZO TOMPOKO!!!!

  17. sendra namaky an’i ranavalona aho, dia nahita ity:
    « fanatsarana ny ratsy ho tsara dia anisan’ny fahotana ihany koa »

    marina tokoa,

    ohatraohatran’izany ihany koa ny hoe: « mangina manoloana ny tsy rariny, ny zava-dratsy, sns »

  18. Sarotra ny raharaha mila mailo sy mitandrina ny ambany lanitra, betsaka no manararaotra fa politoka izao raharaha izao nefa fahatezerambahoaka, koa miantso fitoniana de aleo mba ampiharo ny fahafahana eto gasikara fa AOKA IZAY NY TENY MIDINA AVY ANY IVELANY FA ALEO TSIKA MBA MIJORO AMINY MAHA GASY ANTSIKA raha tena tia tanindrazana ianareo de aleo HIFIDY MALALAKA NY GASY TSY MISY TERITERY SY ANKILABAO matahora an’Andriamanitra ianareo!!!

  19. TARATASY MISOKATRA
    -ho an’ireo miaramila sy zandary nanongam-panjakana ary mbola miseko sy miebo ary mibontsina manitsakitsaka ny hasina sy ny zon’ny Malagasy !
    Fa tena mihevitra anareo ho iza moa ianareo no dia mizahozaho toa izao..ary mibaiko ny zotry ny fiainan’ny Malagasy..
    Fantatro tsara ianareo mihevitra ny tenanareo ho zavatra…
    Vous n’avez pas découvert l’eau chaude , autrement cela se saurait !Alors baissez le tn et restez au m^me niveau que les Malgaches qui sont partisans de la non-violence..§ Mais devant les cas de force majeure ,nécessité fait loi, , décuple les forces et personne ne sait où cette énergie qui explose s’arrête !
    Ny volan’ny Vahoaka no anakaramana anareo ary mbola io vola io sy vidin’ny hala-botry ataonareo ( volamena ,mercure , aomby rongony , hazo kanto..sns..sns no ataonareo am-paosy hanamboaranreo trano be , ividiananareo automobiles..
    Dia heverinareo fa dondrona ve ny Malagasy..Ny karama maha miaramila anaeo ve dia manome fahefa-mividy (pouvoir d’achat) avo be ka hafahanareo miatrika ny vidin’ireo trano b maro sy automobiles maro ampiasainareo ?
    Sa ianareo mihevitra hizakazaka eto amin’ny Firenena sy hanitsaka ny ara-dàlana , ny rariny sy ny hitsiny izay fototry ny fiaraha-a mlrindra sy mitandro ny fifanajana sy mandala ny fahafahana eo amin’ny lafim-piainana rehetra..
    Dia mihevitra koa ve ianareo fa ireo taranakareo tsy hahafantatra fa halatra sy hery setra no nolovain’izy ireo ary ny Malagasy izay miady ho amin’ny famerenana ny fanajana ny làlana sy ny lalam-panorenana ary ny fampiarana amin’ny heriny rehetra ny Fitsarana ireo tsy valahara nanao heloka bevava tamin’ny Malagasy sy nanimba ary nandroba ny Firenena..
    Ny fatahorana izany ve no manosika anareo no hanaovanareo izao sakana tsy mitombona izao
    mba tsy hisy izany fivoarana sy fanarenana ny simba rehetra ?
    Mafy ve ianareo satria manana fiadiana sy arovan’ny frantsay izay manandevo anareo , ary tianareo no andevozony satria tsy ao aminareo intsony ny fahamendrehana sy ny fanajana ny
    mahaolona anareo dia ny fanahy , izay mampiavaka ny olombelona Malagasy amin’ny amboa izay mazana ankafiazin’ny frantsay noho ireo andevonyny ma?
    ratsiraka izay nioko ary lohan’iny fanonganam-panjakana iny dia vaky lay nandositra satria tsy nahatohatra ,tsy nahaleo ny hey mangina sy ny herin’ny fanahy matanjaka ao amin’ny Malagasy tsy vaky volo !
    Hoy JEHOVAH amin’ny MALAGASY :
    « AMPANGINO NY TAHOTRA SY NY AHIAHINAREO FA IZAHO MIALOHA ANAREO ANY MIASA SY MIADY HO ANAREO ! »

    Dr CELESTIN Robin
    Paris

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *