Cenit : Hamoaka ny datim-pifidianana amin’ny Zoma

Fifidianana.jpg

Fifidianana.jpgRaha tsy misy ny fiovana, hamoaka ny datim-pifidianana vaovao ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ho an’ny tetezamita (Cenit) ny zoma izao. Nambaran’ny loharanom-baovao fa efa manana drafitra momba izany tetiandro vaovao izany ny eny Alarobia, tamin’ny fivorian’izy ireo farany, niaraka tamin’ny Firenena Mikambana (ONU) sy ireo mpiara-miombon’antoka amintsika. Anisan’ny hanafaingana izany ny fahatongavan’ny iraky ny Sadc, tarihin’I Chissano eto amintsika.

Hatreo amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ihany anefa izany tetiandro izany noho ny tsy mbola nandanian’ny parlemanta ny namaritra ny lalàna ho an’ny fifidianana ben’ny tanàna.

Na izany aza, iandrasana ny mety ho filaminan’ny tontolo politika, ny ho avin’ny tetiandrom-pifidianana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *