CT HILARION RARISON : Tsy misy fifidianana eto raha tsy tonga Ravalomanana

Nandeha ny resaka tato ato fa hidina an-dàlambe ny movansy Ravalomanana. Nambaran’ny Ct Hilarion Rarison fa tsy mivoaka ny kianja izany ny movansy Ravalomanana raha tsy mahazo ny baiko, na izany na tsy izany dia tsy maintsy hisy ny fotoana ivoahana rehefa tonga ny toromarika amin’izany. Ny kianjan’ny demokrasia hoy izy izay nidirantsika  dia nolanian’ny filankevitra monisipaly fa atao kianjan’ny demokrasia, nefa nofefena. Ny miaramila izay mamefy io dia tsy ara-dalàna, tsy mbola nisy teto ka filohan’ny andrim-panjakana nanao tatitra tamin’ny vahoaka ka handefasanao baomba mandatsa-dranomaso. Tsy efa fanonganam-panjakana ve izany hoy ny fanotaniana napetrany. Mahakasika ny fepotoana 31 Jolay nomen’ny GIC-M hanala ny maha kandidà an’I Neny dia nilaza izy fa  tsy miandry izany ny movansy Ravalomanana fa efa voalazan’ny Ramatoa Lalao Ravalomanana tamin’ny GIC-M ny fanapahankeviny dia ny tsy hanala ny maha kandidà azy. Noho izany  hoy izy dia vonona ary tsy matahotra izay mitranga eo izy. Tsy misy fifidianana azo atao izany eto raha tsy tonga ny filoha Ravalomanana satria any aminy ny lakilé. Ilaina izy hanampy ny vadiny amin’ny propagande mba hahafahana manohy ny MAP.Momba ireo olona namadika ny tolona kosa dia nambaran’ity mpanao politika ity fa ny olona manodidina ny filoha Ravalomanana no namadika azy ka nahatonga izao fialokalofany any Afrika Atsimo izao. Noho izany mampitandrina anareo ao Faravohitra ao mba ho mailo tsara amin’izany . Nitebiteby foana isika teto hoe tafiditra eto ve i Neny, tafiditra izy, avy eo kandidà ve izy,lasa kandidà izy, izaho hoy Hilarion dia  tsy te handany fotoana ao amin’ny fampandaniana an’i Neny fa raha ireny kadidà nosamborina ireny dia tsy misy mpanaraka.

4 pensées sur “CT HILARION RARISON : Tsy misy fifidianana eto raha tsy tonga Ravalomanana”

  1. Miseho ho maranitra ianareo ao amin’ny CT sy CST ka tandremo sao votsin-droa fa dombon’ny vahoaka ianareo.

  2. Les institutions qui prévalent actuellement à Mada selon l’ordre de grandeur:

    – Les FM
    – La HAT
    – Les forces de l’ordre
    – Les Médias
    – Les églises

    Les institutions qui devraient prédominer à Mada dans l’ordre:

    – Les conventions internationales
    – La constitution
    – Le peuple
    – État
    – Les églises

    D’après cette comparaison, Il y a plus de différences que de points communs.En effet, les FM sont parvenus à se hisser en première place car ils ont pu contourner les conventions internationales(pour le moment) en soudoyant certains des médiateurs internationaux.
    Par ailleurs, les effets des agissements des FM(surtout malgaches) ont annihilé la dernière constitution et ont permis à la HAT(pour le moment) de prendre les rennes à Mada.
    Ensuite, la causalité entre la HAT et surtout l’armée a ouvert la voie aux militaires(quelques généraux perfides) de devenir la grande gueule au lieu d’être la grande muette(depuis quatre ans).
    En outre,Les médias(notamment la presse orale) ont pris la place de l’Etat…de droit en prenant le…droit de suppléer la HAT(jusqu’ici).
    Enfin, le seul point commun qui serait sans doute le dernier recours de la médiation(jusqu’à nouvel ordre …mais de qui?? nous ne tardons pas à le savoir).

  3. tandremo ary sa tara train a! sao dia mahatarika olona eny izahay dia nareo tavela eo… dia hikozy nareo hoe izahay koa mba nitolona!!!! lol

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *