Eric Rakotoarisoa : “Tsy tokony hiova ny didim-pitsaran’ny CES »

Eric

EricMiteny ny mpahay lalàna. “Tsy tokony hanova ny didim-pitsarana efa navoakan’ny CES teo aloha, amin’ny maha didy tsy azo ivalozana azy, ny fijoroan’ny CES vaovao”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna sady mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite, Rakotoarisoa Jean Eric, momba ny fanavaozana na fanovana ny CES.

Mazava ny nambarany. « Didim-pitsarana tsy azo ivalozana no navoakan’ny CES« , hoy izy. Nohamafisiny fa tsy tokony hohetsehina intsony izany, na hiova aza ny CES. “ Raha ny tena tokony ho izy : iny ny didim-pitsarana nipetraka navoakan’ny CES, dia iny izany no izy.

Raha ny fijerena ny CES vaovao : ohatra ny hoe halefa ny fifidianana filoham-pirenena dia eo amin’ny famoahana ny valim-pifidianana izany, angamba, no tena ilàna ny CES vaovao, raha izao fipetrany izao« , hoy ihany ity mpahay lalàna ity.

Tsy misy afa-mandrava ny didim-pitsarana teo aloha ny volavolan-dalàna nalefa hodinihin’ny parlemanta, ny CST sy ny CT. « Mitsinjo ny ho avy fotsiny ny CES vaovao, fa tsy mamaha olana izay misy amin’izao fotoana izao« , hoy ihany izy.

Ho azy, maro loatra ny isan’ny mpikamban’ny CES. Izany fahamaroan’ny olona izany no tsy nahatafavoaka ny krizy sy ny rafitra najoro tao anatiny. Toa fizarana seza avokoa ny atao rehetra.

3 pensées sur “Eric Rakotoarisoa : “Tsy tokony hiova ny didim-pitsaran’ny CES »”

  1. Misy miihaaaiinnnooo??? mbola azo lazaina fa mbola tan-dalana ve Dago @’izao e????
    Na ireo teo aloha aza??inona no mbola nahalingitra nandray an’i Domelina sy Deba mba
    haniliana an’i Neny toy izao???raha nanao tsara ny asany koa ireo tsy nisy ny korontana toy izao fa VOLA no
    MITENY AO FA TSY MISY LALANA izany eo e!!
    Izany hoe ny fananantsika hangalarin’i foza ihany no HANDETENANY antsika lalina toy izao.
    Efa vita indray ny nilana ilay teo aloha dia VOADAKA e!!! MANARAKA KOA!!!manaraka ny lalan’i Charles daholo,
    ‘ngah misy fika e!!izay mahazo dia lasa, tsy musy sahy mikiredy satria SAMY NIHINANA eeeeeeeee MAHONENA!!!

  2. Resaka be fotsiny ny an’i lery ! Ramalagasy koa amin’izay dia manaiky fahanan-dalitra lava izao !
    Tsy io bandy io ve no anisan’ny nanohana ny mpanongam-panjakàna, ary anisan’ireo namolavola ilay Lalampanorenana fôpla ?
    Midika izany fa anisan’ny olona tsy nanara-dalàna sy namitaka ny vahoaka malagasy io ! Dia inona ity hoe m »niteny ny mpahay Lalàna » ???
    Vendram-poza daholo ve noho ny krizy sa dia miray tsikombakomba daholo ?
    Tsy hoe efa ho dimy taona izao ny krizy dia ho adino daholo ny nataon’ireo ! Tsia tompoko !

    Tahak’izao no anisan’ny fanambaràna nataony :

    « elections : selon jean-eric rakotoarisoa, juriste et non moins spécialiste en droit constitutionnel, seule la constitution de la quatrième république régira les élections organisées prochainement à madagascar malgré le fait que cette constitution soit contestée par bon nombre d’opinions ».

    Io olona io dia tsy anisan’ny mpitaky ny ara-dalàna, fa anisan’ireo nandetika ny Firenena ao anatin’izao kizo izao ! Mba mahaiza manao fikarohana sy milaza ny tena marina, sy manoro ny vahoaka an’izay andraikitra tokony ho raisina â !

    Aiza moa no hisy zavatra handeha amin’izay laoniny !

    Ny movansa Ravalomanana sady milaza fa tsara ny hanovàna an’ilay CES dia amin’izay tena mahaleotena ilay izy. Nisy aza hono, nandeha nanao sonia kanefa tsy nisy nanome alàlana akory !
    Avy eo indray dia hoe tsy handray anjara, kanefa ny Filohan’ny CT dia hanao na efa nanao sonia izay zavtra notapahin’ny foza !

    Moa ve tsy toa ireny saofera na mpitatitr’entana ireny, raha maka ohatra ? Voararan’ny Lalàna ary tsy azo atao ny mitondra entana halatra sy rongony izany, taoka gasy, sns…., fa dia tsy maninona fa entiko ihany, fa raha misy kosa fisavàna dia miala tsiny aho fa tsy tompon’antoka !

  3. Fa vao2 ve zany Kintana a???
    Izy koa anie niteny ny momba ilay lalana fotsiny fa tsy niteny hoe: » za tsy foza e!! »
    Mbola ilay hoe » TOKONY  » ihany io lesy a!!!aiza ary elah zany…???? tokony! tokony! MIALA BALA e!!!
    Tsy vao voalohany io ary mino aho fa tsy farany koa.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *