FFKM : Ireo solontenan’izy efadahy no hidinika mialoha

ffkmNanao fanambarana androany ny FFKM manoloana ny dingana fampihavanana izay efa natombok’izy ireo hitadiavana vahaolana hivoahana amin’ny krizy ankehitriny. Voalaza ao anatin’izany fanambarana izany fa nampanantena ny FFKM tamin’ny famaranana ny fivoriana fampihavanana teny Ivato fa hampihaona azy efatra mirahalahy. Natao izany tamin’ny 03 Jolay lasa teo fa voafetra ihany ny zavatra vita satria tsy tonga ny iray na dia niezaka ny hanatrika aza.Tohizana hoy ny FFKM ny ezaka efa natomboka amin’ny alalan’ny fampihaonana ireo solontenan’ny filoha efatra aloha mba hanao dinik’asa fandalinana ireo hevi-baventy samihafa voarakitra ao anatin’ny fehinkevitra nataon’ireo mpivory teny amin’ny CCI Ivato.Ho fanatanterahana izany hoy izy ireo dia  mba hiangaviana hanolotra solontena telo avy ny filohan’ny tetezamita sy izy telo mirahalahy filoham-pirenena telo teo aloha. Ireo solontena ireo no hifampidinika amin’ny solontenan’ny FFKM momba ireo fehinkevitr’ireo mpivory teny amin’ny CCI Ivato. Izao dinika hifanaovan’ny solontena izao  hoy ny FFKM dia tsy manafoana : Voalohany ny ezaka fampihavanana ireo filoha efatra mianaka amin’izay fotona maha mety izany. Faharoa ny fanohizana ny fampihaonana indray  ireo izay efa niara-nidinika tamin’ny FFKM hatramin’izay. Manoloana izany asan’ny FFKM ho an’ny fampihavanana izany hoy izy ireo dia antso no atao amin’ny mpiray tanindrazana rehetra mba ho samy ho tony fa tsy hifandrangitra foana na amin’ny teny na amin’ny fihetsika ary indrindra hitrotro am-bavaka izao ezaka atao izao. Ankoatra izay dia namaly ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety  ny filohan’ny FFKM ny Mgr Odon Razanakolona. Ny mpizaika hoy izy no nanao io fehinkevitra io.Efa mazava ny fanambarana nataonay farany teo fa anjarantsika no mijery hoe aiza ny fandehan’ny baolina amin’izao fotoana izao. Momba ny anarana entina sasany an-dàlambe dia nilaza izy fa tahaka ny ratsy tarehy mangata-bady ka ny anarandray no entina. Izahay tsy milaza fa hidina eny an-dàlambe, tsy tompon’antoka amin’izany izahay. Nyolona mahalala ny ataony,  izahay tsy afaka ny hamatotra azy. Alaina Baraka etsy sy eroa izahay fa tsy niteny mihitsy hoy izy, fa zon’olona no miteny. Momba ny daty hanaovana ny fampihaonana manaraka dia nambarany fa nanome soso-kevitra izahay mba tsy hitarozaka ny firosoana amin’ny fitadiavana vahaolana.

21 pensées sur “FFKM : Ireo solontenan’izy efadahy no hidinika mialoha”

  1. Tsy mora ny manao zavatra e!!io koa arakaraka ny hirosoana no mihatery ilay lalana
    koa maherezà, ary mino izahay fa efa vonona ny @’izany ianareo, tandremo tsara fotsiny ny
    solafa-mamindra , koa homba anareo anie ilay Tompo Tompoinareo , MANKAHERY TOMPOKO ary mbola miandry
    bainga hivadika izahay e!!!mora2 ny mandrava fa ny mamerina ………… tsa mora ė…….
    Raha nampoizina ho may ve ny trano , tsy nafindra mialoha ny entana???soa lavo ahay hamindra eeeeee

  2. Inona no tsy mety ry dà???raha ohatra ka haniliana an’i dada dia tsy mety fa kosa
    raha fitadiavana fanampiana satria » ny hevitry ny maro hono mahataka-davitra  » efa hita koa izao
    fa tsy mora ilay raharaha , dia ekena.
    Azavao ny hevitrao Ratsimilaho hoe azafady

  3. RAJOELINA ANDRY FILS DE PUT.

    IL SERAIT PRESIDENT ,PAR QUELLE LOI ,QUELLE CONSTITUTION, QUELLE PAPIER Q EST IL ENCOR PRESIDENT,

    UN PRESIDENT DE MON Q EST IL ENCOR PRESIDENT DES MALGACHES.

  4. …..ka ilay kisonia kah!! aiza aza Ra-Michel izany!
    Reniakoho notsipazana kalalao « kadradraka) radomelina ,
    koa manaiky iano tsra tsy manaiky …..efa vita SONiA tompoko!!!

  5. be ihany ny efa vita sonia ranavl’ô
    f’izay tratra faran’ihany zany no
    « IZAY TIAKO IHANY IO » hoy ny objectif tanisain’ilay stratégies de manipulation

    Drodroina dia avy eo trotraky ny … faiainana
    SANATRIA izay Mora Manadino
    na ny ankizy teo @ erotrerony aza NANDRAY ary MANDRAY LESONA tsara

    Rehefa hitarina, nahoana moa no tsia, dia: Asa equation math inona no afaka mampifandray
    – ny mpanefoefo nipoitra
    – ny businessMen mpitrangana avy any ivelany tongatonga ho azy eto dago
    – ny antonony very asa
    – ny fahantrana misoritra @ fiainana an-davan’andro etsy sy eroa

    Dia ny anarana « Ravalomanana » sy ny mahakasika izany anaran’olona nitondra fandrosoana teto dago izany foana no atao MAHITA ANGANO

  6. Sao dia montage io sary io,
    fa tsy tian’ny sasany … maizina anie
    ny zava-droa haseon’io ê!

    Sangy mihoatra ny loha ry Solo an!!

    Aza misy vinitra,
    homehy an’ilay hahaha

  7. au FFKM:
    je cite le nom d’Alain NdremaSeza a emprunté votre pseudo

    Que le GIC-M vous entende, VOUS qui comptez bon nombre d’olon’Andriamanitra très haute qualité Qualifications internationales non?

    Passer au but dessiné avec une vitesse supérieure car au fil du temps

    Et BON DIEU de tous les dieux: le Vahoaka Malagasy est las de rester sur la défensive

    Les putshistes ont fait Sacrifice humain pour monter au pouvoir le 7 Février 2009
    Tels que nous le savons, avec des conseillers maffieux,
    il vaut utiliser la stratégie REPLAY aujourd’hui ou tôt ou tard

    grâce au traikefa « prédire » des Tandroka Aron’ny Vozona
    ces derniers mêmes qui sont grassement BIEN REMUNERES par HAT Andry Rajoelina
    Qui ne connaît l’antécedant de ce gamin soidisant charistmatique
    bien selectionné par reniMalalan-dRatsianaOrana & Staff
    le PT actuel – CET acteur principal dans le film inédit « Human Drawing into SLAUGHTER into sacrifying its own followers, … STILL-IN-POWER up to now – those wellknown GUNMEN in 2009 »
    ci-dessus captées live:
    http://www.tananews.com/2013/07/samedi-noir-les-forces-de-lordre-injectent-la-psychose/2-62/

  8. Zà aloha, ilay « fampihavanana/fihavanana » io dia tsy lasako intsony, tsy levon’ny vavoniko io hatram’ny niandohan’ny tolona ka miziriziry be ato @ tendako. Marina fa tsy mora ny manao zavatra nefa leo tanteraka satria saka efa lena matahotra rano mangatsiaka ny aty. Tsy ferana kou le montage, hampisavorovoro ny saim-bahoaka no tanjon’ny Fatin’alika ka tsy haihay daholo izay mivoaka rehetra. Aoka ho samy mailo an !

  9. Fa

    MPANAO POLITIKA manao FIVAVAHANA ve ireto milahatra ireto
    SA
    MPITONDRA FIVAVAHANA manao POLITIKA e ?

    Efa domelin’ny Fivavahana koa ny malagasy ka !

    Ny mety sy tsara aloha izao dia ny mivavaka MBA HISY ROMBO MATANAJAKA androany Asabotsy.
    Tsy tokony sakanana ny vahoaka raha te-Hirombo fa : Tsy manao izy efa mahazo teny ratsy sy voahenjika,
    Manao indray izy ity, lazaina hoe : AOKA fa tsy fotoanany izao ! Tsssssss

    ALEFASO NY ROMBO RY VAHOAKA, ARY DAKAO ANY ireto vozongo ireto e !

  10. za kou toa an’ise ry Babyfoot!

    ___

    Sady mihaino ny fampitandremana atao ao @ onjam-peo
    Onjam-peo Rindra, feon’i Madagasikara

    mba hidify ny axe de tirs de Mpamotika Tanindrazana (dans leur agenda)
    seront OMNIpresents sur lesdits environs d’Analakely

    sao de ho azon’ny video toa ny fanaon-dry Risara Baomba ZANDARY mpitsongo-dia,
    de ho-gober ny GIC-M
    ary lasa « fandoto iray sotrokely tsy mahaleo ny fandio iray siny » (une facon de comparer un etat de choses)

    tous les moyens sont bons: propagation aux fins de diabolisation manara-penitra des legalistes
    et cela grace aux moyens entre les mains des putshistes au pouvoir
    Tele Radio « TVM RNM »
    ces outils nous le savons ont une portee nationale

  11. Hafa mihintsy ny sary cadre nasehon’ny Dreaming
    nanaovan’ireo valan-dresaka
    fa
    Tsy io
    hihihi
    mahay ra-Solo an!

    Moa va tsy mampahatsiahy ny ampingan’i Organes nanapitsoka t@ baramina ny biraom-panjakana tamin’ny taona 2009
    anisan’ny fananiham-bohitra
    nampiarin’i mitana basy mahery vaika

    Mpitandrina ao @ FLM izy iny

    I RazanaMahakisoa – la femme a physionomie de diable, Ministre de la Justice
    teraky ao @ fianakaviana ihany!!

  12. F’inona koa io sary pub mipoitra eo ambany io ry Mydago? Milaza hoe Hajo miampy MalagasyEnsemble sy ny forongony Découvrez Bio, Vision et Programmes

    Mba azo esorina ve azafady indrindra?

  13. Kisonia-sonia tsy manara-penitra, tsy manara-baiko !

    « La mouvance Ravalomanana pose sa condition
    ……..
    Ingratitude. Interrogé sur le fait que la mouvance Ravalomanana, par le biais de Me Hanitra Razafimanantsoa, a signé les résolutions prises par les signataires de la feuille de route le 17 juillet dernier avec le CSC ( Comité de Suivi et de Contrôle de la feuille de route), le vice-premier ministre Botozaza Pierrot a parlé d’INCIDENT.
    ‘ C’est comme le parti TGV. Andry Rajoelina a fait remarquer lors du Conseil des ministres d’hier (NDLR avant-hier), que celui qui a signé au nom du TGV les résolutions du 17 juillet 2013 N’A PAS ETE MANDATE PAR LE PARTI’ « .

    1) Rehefa tokony manenjika ny tsy fampiarana ny tondrozotra dia tsy hita tabilao, fa rehefa hanohana an’ilay Péri amin’ny zavatra tokony ho dinihina lalina, dia miazakazaka ery.
    2) Niazakazaka nanao sonia koa, kanefa TSY NISY NANIRAKA SY NANOME FAHAZAON-DALANA !
    3) Natao ny fanekena sy ny sonia, vao mody mametraka condition ! Condition inona ary mpanongam-panjakàna ve hanaiky izay condition-condition-nareo any ?
    Ratsiraka sy domelina tsy miraharaha izay fifidianana satria efa hatry ny ela no fantatry ry zareo fa tsy hisy vahoaka hifidy azireo !

    Ho voahilika i Ramatoa Ravalomanana, satria izay ny antony nanovàna an’io CES-CES io !

    Tokony omena meday sa daka ???

    http://www.midi-madagascar.org/politique/nouvelle-ces-la-mouvance-ravalomanana-pose-sa-condition

  14. Un petit message du consulat de France
    26/07/2013
    MSG consulat : rassemblement annonce av. de l’independance le 27 juillet – secteur a eviter en journee.

  15. Avy eo dia fihaonan’ny solontenan’ny solontenany sy sns , sy ny sns mandra-paha..!

    Ny maika sy tsy maintsy hatao aingana dia ny fifidianana ,izay fotoana hafahan’ny Malagasy manome ny hevina sy misafidy izay Malagasy heverina fa azo antoka , fa mendrika ary tsy hamitaka azy eo amin’ny fitantana ny Tany sy ny Firenena..
    Izao dia rebireben’ny adala izay mitana mafy ny « fahefana  » nangalariny toa ny alika mamikitra ny hena tsy nisasarany..
    Isika ve dia dondrona sa tsy manan-kery ka hanaiky ireo alika sy tsy valahara ireo ?

  16. Hay ato daholo ny akama ???
    tsy haiko ny any aminareo any fa za ity tena matin’ny hafanana,
    tapitra ny tabilao 40* ity, Mahajanga no fetra.
    Toy izany koa ato ny pôlitika , mafana fotsiny fa tsy hita hoe mankaiza na inona no vokatra???
    manome litika be indraindray.

  17. Tsotra ny fanafodiny ranona â ! Matory ao anaty benoara amin’ny alina ; ary amin’ny antoandro manao miakanjo toy ny kankana !

  18. masaka ve ny kitonotono ao e???mba tsarovy bavy fa aza mihinan-drery.

    Mba faly aho fa na dia sabotsy sady andro fialan-tsasatra aza dia tsy manadino ny
    tanindrazana ny akama rehetra. Mankasitraka e!!

  19. Vendredi 26 juillet 2013*18h00->Intimidation : le domicile de l’Inspecteur Fanomeza a été perquisitionné. Il en a été de même pour ceux qui s’occupent de la sécurité de Neny Lalao Ravalomanana./Les membres du CT et les nouveaux membres de la Ces pro-Rajoelina concocteraient un plan pour rejeter la candidature de Neny Ravalomanana selon le CT Mamisoa./ Ratsirahonana serait le représentant de la Mouvance Rajoelina au sein de la Ces. Il briguerait la présidence de cette Cour./

  20. Fanjanahan-tsaina nentin’ny frantsay ny fampitsarahana ny pomitique sy ny fivavahana « poubelle politique-ny tantaran’ny frantsay izany , izay tsy nahatanty nyhetraketraky ny mpitondra fivavahana katolika.dia nifanaraka ny roa tonta fa tsy mahazo mikasika politique intsony ny mpitondra katolika io fifanarahana io no atao hoe concordat( loi de 1*05)..
    Eto Madagasikara dia tsy nisy izany talohan’ny fanjanahana frantsay: ny protestantisme dia naton-dRANAVALONA II ho fivavahan’ny Fanjakana ary ny pastera dia nisy fepetra mikasika ny fitandremany sy ny fivavahany..
    Ireo pastera ireo kosa anefa atrizao dia tsy manao politique ao am-piangonana
    Ho azy ireo dia iray ny asany na ao ampiangonana na any ivelan’ny fiangonana dia : manompo an’Andriamanitra
    -sy manompo ny tanindrazany..
    Izay ny fenitry ny protestanta rehetra…
    Hatao ahoana no manompo sy tia an’ANDRIAMANITRA raha toa ka ny Malagasy itanao isan’andr ,mifanerasera aminao tsy hainao ny manompo sy mitia azy ?
    Fa inona moa ny atao hoe politique ? Fahaizana mitantana nytanana ionena ( science et gestion de la cité).

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *