HILARION RARISON : Tsy azo ekena ny fanesorana an’I Neny

hilarionNa dia efa lasa aza ny iraky ny mpanelanelana teto amintsika dia mbola nisy akony ihany izany amin’ireo mpanao politika samihafa. Ho an’ny Ct Hilarion Rarison dia nambarany teny amin’ny Magro Behoririka fa mampiady kary no ataon’ny frantsay, Sadc, Simao teto.Hafa ny resaka ataon’ny rehefa mihaona amin’ny Pr Zafy izy , hafa ihany koa anefa ny fanambarany rehefa mihaona amin’ny Ratsiraka, dia torak’izany koa amin’ny hafa, miampy fanaratsiana sy fandokafana mba hampiady ireo filohan’ny movansy efatra. Iza no meloka hoy ny fanontaniana napetrany, ny nanongam-panjakana tamin’ny 2009 ve sa ny tsy nahafeno enim-bolana fipetrahana teto Madagasikara  noho ny tsy fidiny ? Nahoana ny Sadc hoy izy no mijery fotsiny. Raha vao raikitra ny fifidianana filoha dia tsy misy mahazo ilay 10% ireo kandidà afa tsy I Neny irery satria izy no hibata ny 54 mahery. Tena mahatsikaiky hoy Hilarion ny zavamisy eto. Hita fa tsy foin’ny frantsay ny tombontsoany. Tadiaviny izay tsy ivahan’ny raharaham-pirenena. Raha kajikajy no nataon’ny Gic-M hoy izy sy ny frantsay dia nieritreritra ny hanilika ny movansy Ravalomanana. Raha tao anatin’ny fitondrana ny filoha Ravalomanana hoy ity olom-boantendry ity dia tsy hita Rajoelina sy ny frantsay ka izay no nahatonga azy ireo hanongana ny fitondrana. Tonga indray ity ny fifidianana filoham-pirenena dia io sakanana io indray i Neny. I Dada sy Neny hoy ity mpanao politika ity dia mbola tsy nivadika izany fa Rajoelina no nivadika.Ny mampalahelo hoy izy dia nilaza Rajoelina avy tany Seychelles rehefa nandeha ny Ni..Ni.. hoe tsy mety miova mihitsy ilay rangahy iny. Mitovy amin’izao fepetra izao no napetrany.Nilaza izy fa raha tsy milatsaka ny filoha Ravalomanana dia tsy milatsaka izy, dia nanaiky I Chissano. I dada anefa hoy Hilarion dia nanao fanambarana fa tsy hanao fa Rajoelina tsy sahy nanao fanambarana ofisialy. Rehefa nanao fifampiarabana anefa teny Iavoloha dia nanome tsiny ny iraisam-pirenena. Nahoana no tsy sazian’ny iraisam-pirenena izy tamin’izany.Tsy azo ekena hoy izy ny faneosroana an’I Neny sady tsy mody Ravalomanana. Ny tondrozotra ihany no mitovy amin’ny fampihavanan’ny FFKM izay fampodiana an’I Dada. Inona no nataonareo GIC-M fa tsy nisy zavabita teto. Ny praiminsiitra milaza hoy izy  fa ny tondrozotra no mibaiko azy nefa tsy nankeny Ivato.Momba ny filazan’ny masoivoho vahiny iray  fa mety hiteraka krizy sy korontana ny ataon’ny FFKM,dia nambrany fa nahavariana ihany izany fa ray amandreny efatra hamaky baiboly ka lazaina fa hanakorontana. Fantany hoy Hilarion fa raha handeha io fampihavanana io dia mody I Dada. Fifidianana filoham-pirenena ihany no tadiavinstika ary milatsaka i Neny.

3 réflexions sur « HILARION RARISON : Tsy azo ekena ny fanesorana an’I Neny »

  1. INONA NY KABARY NANTAONAREO SY R I MAMY ARY I HANITRA NO TANTERAKA NANDRITRA IZAY EFA TAONA IZAY ,
    TSY MAHAVOA IANAREO KA MILA FIHEVERANA FA VERY NY TANINDRAZANA RAHA AOTRANAREO NO HANDRASANA.

  2. Miandry MANGIDY fa tsy mba ilay Mamy raha ireo no andrasaka e!
    @’izay mihamivaralila andro aman’lina efa tsy takona hafenina intsoby ilay
    TSY FAHOMBIAZANA sy FISOLELAHANA . TTTSSYYY MAMELYYY!!!!!tsisy hilana azy!!!mandany volam-
    panjakana fotsiny.

    mba miandry vokatra izahay tompoko isany fa MIJALY NY VAHOAKA aaaaaaaaaaMIALA REHEFA TSY HAMOKATRA FA
    TSY VAO MAIKA HANAMPITROTRAKA @ FIOSONAM-POTAKA @ FOZA aaaaaaaaa miala tsiny fa tena tsy rariny e!!!
    mba misy mahatsiaro tena ve @’ireto lazaina fa mpitarika e????MIJALY NY VAHOAKA TOMPOKO ISANY Ô MIANDRY NY
    HAGEGENAREO sy n TSY FIHEVERANA na TSY FIRARAHIANA MIHINTSY AZA. MISAOTRA TOMPOKO!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *