JOACHIM CHISSANO : TSY MANAJA NY FENITRY NY DIPLAOMASIA

DSC04431 copieNapetrapetraky ny mpanelanelana notarihan’i Joachim Chissano ny Ankolafy Ravalomanana. Niandry nandritra ny ora  iray tamin’ny fotoana nomen’ireto mpanelanelana ireto Ramatoa Lalao Ravalomanana sy ny Ankolafiny fa tsy tonga teny Faravohitra mihitsy  ny mpanelanelana iraisam-pirenena. Efa tafididitra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo anefa ny fanantonana ny vadin’ny filoham-pirenena. Hita ho fanaovana tsinontsinona ny olona ampiandrasina ny tsy fanajana fotoana eo amin’ny sehatry ny diplomasia  izay nitranga .

Tonga nanotrona an-dRamatoa Lalao Ravalomanana teny  an-toerana  ny filohan’ny delegasiona  Ankolafy Ravalomananana Mamy RAKOTOARIVELO, ny filoha lefitry ny CST Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA, Minisitra Roland RAVATOMANGA, ny filoha nasionalin’ny antoko Zanak’i Dada Jean Pierre RAKOTOARIVONY, ny CST Ranaivoson Henri Roger.

Araka ny fanambaran’i Mamy Rakotoarivelo dia mbola  nandray ny miaramila ry Chissano tamin’ny fotoana tokony handehanany eny Faravohitra . Fomba fiasa tsy matotra izao ataon’ ireto mpanelanelana ireto izao. Nanapa-kevitra araka izany ny kandidà atolotry ny Ankolafy Ravalomanana fa tsy hihaona amin’ireto mpanelanelana ireto  aloha.

henoy eto : http://k002.kiwi6.com/hotlink/s1n39o67dc/la_delegation_internationale_n_est_pas_venue_a_faravohitra.mp3

 

5 pensées sur “JOACHIM CHISSANO : TSY MANAJA NY FENITRY NY DIPLAOMASIA”

  1. Nahazo baiko ny sônagaly ê ! Tsy mahagaga izany !
    Ny tsara ho fantatatra dia ny hoe : Avy aiza ny baiko ? Miaramila izay frantsay no mibaiko azy rehetra, any amin’ny toby any ?

  2. Ka ireto miaramila gasy ankehitriny, be bokitra sy be kibo anie ka ilaina taritina foana ary tsy mahagaga raha mbola ny frantsay ihany no mitantana ireo miaramila saripotaka sao hidaraboka.
    Ho aiza eo anefa e! renindozatra efa nanomana ny paika ratsiny efa ela ary ny gasy mbola mivavaka tsy ankihetsika ihany.
    Efa nanipy tena foana ihany hoe « isika gasy koa anie no diso e »!Dia hasisiko ihany hoe rehefa tys mbola haniky ny fahadisoana ka vonona hanova izay tsy nety dia ho vao maika mafy ny jadona hatsindriny vahiny rehetra.
    Ary ny filoha M.Ravalomanana irery ihany no nahatsapa ny Antony tokony hampitombona aingan ny fari-pahalalana sy fisokafan-tsainany malagasy.Izany no naharombotra ny frantsay dia izao hita sy zakaina ny tohiny.
    Aza mba bado ihany an.
    …Henatra daholo ity n’aiza n’aiza.

  3. Ialah koa aza tsy hita hoe mankaiza fa manao tsidi-pahitra fotsiny eto indraindray kohhhh
    Iza indrayyy????efa hay efa ela izany e!!!aza manody ny Gavomanta fa toa miesona daholo ity.

    Ny gena gena ihany!!fantany tsara koa ny zavatra ataony sy ny olona mibaiko ary harahany koa tsy dia hilainy loatra izay
    fihaonany @ olo-mahitsy sy marina toa an’i Neny, matin-kenamaso Rasissanolona( sisan’i Simao ).

  4. Tsindrio tsara ny hevitra ary vakio batsilana mihitsy ity fitongilan’ny GIC-M ity . Aiza ka tsy mba hiresaka fa dia ny hampita ny hoe ho saziana ianareo raha tsy manaiky, nefa ny malagasy no hidiny ny filohany dia ho sakanana. ILay solotenan’y UE azamanao hoe tsy ilaina ny ataon’ny FFKM. Tsy misy fahafatarana ny toe-tsaina malgasy mihitsy fa dia ny manery olona 22 tapitra @ fahatrana fotsiny.
    Tarito hidina an-dalambe ny olona izao dianey mbola eo ry zareo.
    Atao afa-baraka fa tsy mahalala fomba ireo GIC-M sady mazavabe fa miasa hoan’ilay mpanjanaka dia i lafrantsa izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *