Kandidà Laza Razafiarison : naverina eny Antanimora indray

970226_371450892981096_1281557217_n

970226_371450892981096_1281557217_nTsy tanteraka androany. Nahemotra ho amin’ny alatsinainy izao indray ny famoahana ny didim-pitsarana taorian’ny nisamborana ny kandidà Laza Razafiarison, mpitarika ny antoko Avotra ho an’ny firenena sy ireo namany, fito hafa. Voalaza fa noho ny tsy fahafenoan’ny porofo no anton’izany.

Anisan’ny vesatra iampangana ity mpanao politika, nisongadina tampoka ity ny tsy nanarahany ny baikon’ny mpitandro filaminana tamin’ny fampitandremana efa natao. Eo koa ny fitarihana hetsika tsy nahazoana alalana.

Niverina notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora izany i Laza Razafiarison, miandry ny fiandohan’ny herinandro indray.

Marihina fa rakotra mpitandro filaminana ny teo amin’ny fitsarana Anosy, androany ankoatra ireo vahoaka mpomba an’ity kandidà ity tonga maro nanotrona azy.

1 pensée sur “Kandidà Laza Razafiarison : naverina eny Antanimora indray”

  1. mbola ho vesabesarana mafjmafy fa mbola tsy ampy .
    Fa ny foza orange izany nahazo alalana tsara HANDROBA SY HANAO SORONA
    NY VAHOAKA SY HAMOTIKA NY FANANAM-BAHOAKA TOY IRENY????MAHONENA!!!
    Ohatra ilay tondrozotra ihany io e!!misy ilay izy rehefa ilainy fa tsy manan-kery kosa ho an’i
    FODIAN’i DADA
    NY HAINO AMAN-JERY
    FIVOAHAN’NY GADRA POLITIKA .
    Mbola hitady lainga2 manara-penjtra indray hamotehana io olona io fa inona moa????dia atao koa izao
    mba handrahonana izay mbola tė hietsika e!!!
    Jereo ity mpanao ratsy fa tsy sahy miseho masoandro akory, inona no tokony hanafenana ity tava raha tena
    manana ny rariny ireto alika voky taolana????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *