Katedraly Andohalo : Tsy mila vavaka Rajoelina

Lalao Ravalomanana & Culte à Andohalo le 03-07-13-32

Lalao Ravalomanana & Culte à Andohalo le 03-07-13-32Tanteraka teny amin’ny katedraly Andohalo androany maraina ny fiaraha-nivavaka izay notarihan’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy avy ao amin’ny FFKM. Tazana teny an-toerana ny filoham-pirenena teo aloha roalahy dia ny Amiraly Didier Ratsiraka sy ny Profesora Zafy Albert ary Ramatoa  Lalao Ravalomanana. Tsy tazana teny kosa ny filohan’ny tetezamita Rajoelina Andry sy ireo mpiara-dia aminy.  Anisany niverimberina tamin’ny fitarihana tao amin’ity fotoam-bavak a ity ny hoe mila mifamela ny rehetra  indrindra fa mialohan’izao fampihaonana azy efatra mirahalahy.  Ny  Salamo 36 :12 no nentin’ny Mgr Odon Razanakolona nampaherezana an’ireo olona tonga nanatrika izao fiaraha- niombom-bavaka izao ny tokony hanao ny famelan-keloka amin’ny samy olona aloha fa  tsy  hanao toy ny farisianina izay manaja lalàna   sy hampiavaka imason’ny olona fotsiny .  Maro ireo olona eto amin’ny firenena no mbola manana ny toetran’ny farisianina io hoy izy . Ny mpanara-dia amin ‘Andriamanitra dia tsy tokony hanana izany toetra izany. Voalazan’ity farany ihany koa  tamin’ny fandraisam-pitenenana fisaorany ireo mpanatrika izao fotoam-bavaka izao  ny hoe tsy misy hahafahana hivoahana amin’izao krizy izao raha tsy  amin’ny fampihavanana ihany.  Anjaranay ny mikarakara izany hoy izy fa zavam-poana raha tsy Andriamanitra no miasa . Nisy ihany koa ny fitondrana am-bavaka ny tanindrazana sy izao fampihavanana izao izay notanterahan’ny filohan’ny FJKM mpitandrina Rasendrahasina Lala .  Tonga nanotrona sy nanatrika izao fiaraha mivavaka izao ny filohan’ny Kongresy ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo , sy ireo olom-boatendry maro  avy ao amin’ny Ankolafy , ny tangalamena Zakariasy , sy ireo fikambanana politika maro.

Taorian’ny vavaka dia nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety I Neny. Nambarany fa na dia  hanaovan’ny fanjakana antsojay azy izy   dia  tsy hihemotra amin’ny dingana efa nirosoany  satria ny hoavin’ny vahoaka Malagasy no tanjona fa tsy ho an’olon-tokana .

Raha ny fahitan’ny mpanaram-baovao azy dia hita fa Rajoelina sy ny forongony no tena sakana amin’izao fivoahana amin’ny krizy izao, tsy manisy hasiny ny filoham-piangonana, tsy mila vavaka fa vitan’ny miaramila sy ny basiny  izy ireo.

 

9 pensées sur “Katedraly Andohalo : Tsy mila vavaka Rajoelina”

  1. ho an’i zanakolona

    NY FARISEO NA NY FARISIANINA 5PHARISIENS ° DIA IREO OLONA MISEHO MIVAVAKA BE ?TSY DISO ALAHADY NEFA MANGALATRA AKOHO ALATSINAINY..
    HAIN4IZY IREO ARY FANTANY TSARA NY lalana ?HAINY TSIANJERY AKORY AZA FA KOSA TSY AMPIARIN’IZY IREO IZANY.
    HOY NY LALANA HOE : » aza mamono olona  »
    IZA ANEFA NO NANAMPY IREO NAMONO OLONA TAMIN’NY 26 JANVIER SY 07 FEVRIER 2009 ARY NANOTRONA IREO MPANONGAM6PANJAKANA TAMIN4NY 17 MARS 2009 TENY ANTANIMENA ARY TSY TSY NIHETSIKA NA NAMPISEHO FIRAHAHINY RAHA NO VIRAVIRAIN4NY MIARAMILA NY MPANOMPON 4ANDRIAMANITRA LALA RASENDRAHASINA ,

    marina tokoa fa tsy ny rebareba no maha -mpitondra fivavahana

  2. Misaotra neny @ teny fankaherezana hoe  » tsy hiemotra ….. »
    dia ilay tsiky neny a!!tazony hatr@ farany fa zava-dehibe .

    Anntssoooo Deba sy Dadabe Zafy!!!ary iza no tena jamba @’izao , i Deba sa Dadabe Zafy fa toa
    ny iray mijery nefa ilay jerena toa tsy mitodika ????mba vazivazy sO misy aviavy eo indray an

  3. Tsy aleoko lavitra mpitsikilo toy izay toutou kely ohatra ny sasany ( tsy tononina anarana )
    za tsy te hifamaly fa bedin’i Zėzou , Jesoa izany Zėzou izany .
    Aza varinan’ ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso eeeeeeee

  4. AOKA ISIKA TSY HIHANONA AMIN’IZAY TSY HO MOFO KA HAHAY HANDINKA TSARA IZAY FOMBA SY VONDRON’OLONA NA FIRENENA HAHEFAMARINA NY FANANTERAHANA NY FAMAHANA ITY CRISE MIHAMAKA VAHANA ITY !

    Tsapantsika amin’ny lafin’ny rehetra fa sarotra ny tolona atrehantsika atramin’ny 17 mars 2009., izay nahavoatery ny Filoha RAVALOMANANA MARC ,Filohan’ny Firenena nofidiantsika indroa nisesy tsy nisy an-keriny na fanerana fa nataontsikatamin’ny nahintsika sy noho ny fanantanterahan’ny Filoha RAVALOMANANA MARC ny teny nolazaina ary koa noho ny faharesany lahatra momba ny fampandrosoana ny firenena sy ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy eo amin’ny lafiny rehetra : fianarana ,fahasalamana , ny fahazoana mivarotra sy mividy ,ny fifaneraserana ka nilana nanavaozana ireo lalàna simba sy ny fanokafana lalam-baovao..sns, sns
    izany fandrosoana izany no niato tampoka noho ireo tsy valahary mbola manao asam-boto manimba ny fiaraha-monina milamina , nanasarotra ny fiainana an-davan’andro , ny fahaverana asa ,ny tsy fisian’ny fidiram-bola sy ny voka-dratsin’izany : ny ankizy tsy mianatra, ny tsy fisian-trano atoriana ,ny fahasalamana sy ny sakafo tsizarizary..!
    Miala tsiny aho mitantara ny seho-javatra iaraha-mahalala sy iainana !
    Maro ireo eaka misy mba hafahantsika miala amin’izao fahasahiranasy fijaliana ara-batana sy ara-tsaina..
    Teo amin’ny fitavozavozan’ny SADC dia taitra ny ambo-pontsika ka dia nnao izay mba hafantsika mandray anjara mivantana amin’ny tolona hanesorana izao tsilo be manindrona ny tenantsika..
    iony vaha olana ataontsika hoe ny Malasy samy Malagasy ihany dia hahatavoaka Antsika mora eo amin’izao sarotra izao..
    Toa nadamoka iny fa tsy nisesy nivoy intsony
    dia indreo ny FFKM niditra hamitrana ny rovitra sy hampihavana ireo nanao sangy nihaotra ny loha ka nandoro fanan’olona sy tranon’asa miaraka amin’ireo mpiasa kila tao..sns, sns
    Izany moa re olona dia toatoa tsy mampiraika Antsika intsony
    Nanao sy mbola manao izay hafany sy hefany ny FFKM ary manohy izany amin’izao fotoana..izao izy..
    nefa toamnaiky ny soso_kevitry ny mpanongam-panjakanasy ny mpiasa azy ireto yFFKM fa tsy mijoro amin’ny tena heviny izay hampiavana ny Malagasy Rehetra..Tsy masaka tsara ny foto-kevitra dia no taingenan’ireto mpanongam-panjakana ,izay mihevitra fa hisy vokany izany fihaonana izany raha tsy hatao amin’ny fo madi tsy mamela toerana ho an’ny fo lentika sy feno lolom-po sy tsy fitiavana ary tsy arahin’ny fahamarinana !
    dia niarantsika nahita fa tsy tonga nanatrika ny foam-pivavahana fanokana ilay fihaonana izy satria norahonana ilay ilay companie tompon’ny fiaramanidina fa tsy i madagasikara dia tsy miantoka ny olonaentina na ny fiaramanidina amin’izay loza mety hitranga…

    Azo hatao ny Firenena iray ve ny mandrahona tahak’izany ,indrindra fa tsy misy ady an-tanety na anhabakabaka na an-dranomasina eto Madagasikara !
    Koa hoy aho hoe mantsy ny FFKAM : » Tsy vitanareo samy irery iny famahana ny crise eto Madagasikara satria eto Magasikara ny hery mankana ny ny famahana ny crise..Tafiditra ao anatin’ny savorivory diplaomatique ny crise eto Madagasikara satria
    –i frantsa dia mihevitra fa mbola zanan-taniny i Madagasikara
    –ny Firenena Rehetra ao anatin’ny firenena Mikambana dia tsy manaiky izany fanjanahantany izany amin’izao fotoana izao ary matoa moa Frantsa manao saka mitana hena dia misy tombontsoaazy y mitazona an’i madagasikara ho « chasse gardée-ny  » iza no hanaiky izany intsony ?
    Dia nitsofoka niafina tao amin’ny fanelanelana nankin’ny Communauté internale taminy.
    –Maro ireo Firenana mantajaka no i frantsa no tsy manaiky izany fanitsakitsahana ny zon’ny Malagasy hizaka tena.., ka mifanditraamin’ny frantsay iy ireo ary mangataka ny hanaovana fifidianana malalaka sy démocratique ary mazava tsara mba hifianan’ny Malagasy izay olona fantany tsara fa hahefa ny Fitondrana no azo antoka fa hitantana tsara ny Firenena mba hampandroso ny toe-karena sy hanatsara ny fiainan’ny malagasy..
    Ny Malagasy eo am-pifidiana no hanavaka ny voatsara sy ny tsiparifary ,koa aoka hilatsaka izay te-hilatsaka…
    Ny fetim-pirenena ny Amerikanina dia natao ny 03 jolay 2013 ary tamin’ny fankalazanaizany andro lehibe izany dia..isaorana izy ireo tsy manadino Antsika

    « Feno 237 taona rahampitso 04 Jolay 2013 ny nahazoan’i Etazonia ny fahaleovantenany. Ho an’ny masoivohon’ny Amerikana miasa sy monina eto amintsika dia androany no nanatanterahana ny lanonana teny Andranomena.
    Nisy ny kabary nataon’Andriamatoa ERIC WONG, MPIANDRAIKI-DRAHARAHA Amerikana tamin’izany.Namaky ny ampahany fohy tamin’ny hafatra nomen’ny Filoha Barack Obama ho an’ny Fetin’ny 4 Jolay ny tenany, ary navoakan’ny Maison Blanche halina. Hoy indrindra ny Filoha Obama: “Rehefa tonga ny Fetim-pirenena Amerikana, dia indreo isika mankalaza ny zava-bitan’ireo tia tanindrazana feno fahasahiana, izay nanao sonia fanambarana iray ka nitarika revolisiona nanafaka antsika. Tsy mbola fantatr’ireto tia tanindrazana ireto akory ny tena endrik’ilay demokrasia nimatesany tamin’ny taona 1776, saingy tsy niady tamin’ny jadona nataon’ny mpanjaka iray izy ireo mba hahafahan’ny olom-bitsy hanjakazaka na ny namana akaiky hahazo tombony manokana. Ny nentin’izy ireo dia governemanta avy ao amin’ny vahoaka, najoron’ny vahoaka sady miasa ho an’ny vahoaka, ka nankinin’izy ireo tamin’ny taranaka tsirairay ho avy ny fitandroana ilay velirano nijoroana. “ Ny maha-Amerikana antsika dia ny fijoroantsika hiaro foto-kevitra iray… milaza fa mitovy isika rehetra. Izany hevitra izany no mbola mibaiko antsika, ary manosika antsika hitondra ny fanilo sarobidin’ny fahafahana ho any amin’ny ho avy mbola tsy fantatra.” Izany tenin’ny Filoha Obama izany dia ahatafarana tsara ireo soatoavina nohindrahindrain’i Etazonia hatramin’ny niforonany tamin’ny taona 1776. Anisan’izany ny fiankinana amin’ny tanjaky ny demokrasia sy ny lamina demokratika; fiankinana amin’ireo zon’olombelona fototra; ary fiankinana amin’ny fitovian’ny rehetra manoloana ny lalàna. Marina fa mandrafitra ampahany manan-danja ao amin’ny tantaran’i Etazonia sy ny maha-izy azy ny Amerikana ireo soatoavina ireo, ankehitriny kosa dia efa eken’ny firenena maro maneran-tany ny fahamarinany. Tsy latsa-danja amin’izany ny vahoaka Malagasy. Ny fiarovana ny demokrasia, ny zon’olombelona fototra ary ny fitoviana manoloana ny lalàna, no tokony ho tanjon’ireo mitady vahaolana ho an’ny disadisa politika eto Madagasikara. Mbola soatoavina Amerikana fototra iray koa ny fiankinana amin’ny tanjaky ny fitondrana mijoro araka ny lalàm-panorenana, soatoavina izay ankamamian’ny vahoaka miaina fahafahana rehetra maneran-tany. Nandritra ny tantaran’i Etazonia iray manontolo, dia iray ihany ny Lalàm-panorenana nisy, dia ilay vita sonia voalohany tamin’ny taona 1789—io ilay Lalàm-panorenana miantomboka amin’ny teny hoe “Izahay Vahoaka.” “Izahay vahoaka.” Io fehezan-teny io, mihoatra ny noho ny fehezan-teny rehetra hafa, no namaritra an’i Etazonia. Olona an-tapitrisany no nahazo hery tamin’io fehezan-teny io, ary io fehezan-teny io ihany koa no ivo ifotoran’ny asa ataonay eto Madagasikara.Madagasikara manokana
    Mino izahay fa ilaina ny mampiasa vola ho an’ny mponina eto amin’ity firenena ity, ka mba ho ny Malagasy no hanapa-kevitra ny amin’izay ho endriky ny ho aviny. Mamelà ahy ary ianao hanao fanamarihana vitsivitsy momba ny fifidianana eto Madagasikara. • Voalohany indrindra, toy ireo mpiara-miombon’antoka hafa ao anatin’ny Groupe de Contact International ho an’i Madagasikara, ny tanjon’i Etazonia dia ny hitsaharan’ny olana ara-politika sy ara-toe-karena izay nandrava ity firenena ity hatramin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Ny hany làlana ivoahana amin’izany dia ny fifidianana malalaka, ara-drariny ary mangarahara, araka ny vinavina ao amin’ny Tondrozotra tohanan’ny SADC. • Faharoa, raha tiana hahomby ny fifidianana, ankoatry ny fanomanana ara-teknika dia tokony hisy tontolo ara-politika ahitana fanajana ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy famoriana olona, ahitana mpanao gazety afaka mampita vaovao ka tsy hatahotra sazy, ary ahitana manam-pahefana manabe voho ny zon’olombelona sy ny fanjakana tsara tantana. • Fahatelo, ny disadisa ara-politika miverina lava eto Madagasikara dia matetika vokatry ny fifidianana tsy eken’ireo mpandray anjara misongadina nefa nahatsapa voailikilika tao anatin’izany. Noho izany dia tohanan’i Etazonia ny rafi-pifidianana izay manaiky ny fandraisana anjaran’izay mpirotsaka hofidiana rehetra mahafeno ara-dalàna sy ara-drariny ny fepetra takian’ny lalàna manan-kery eto Madagasikara, ary mifanaraka amin’ny vontoatiny sy ny hevitra nandrafetana ny Tondrozotra tohanan’ny SADC. • Farany, tsy i Etazonia mihitsy no hitsara mialoha izay ho vokatry ny fifidianana. Tohananay ny zon’ny vahoaka Malagasy hifidy ny mpitondra azy ao anatin’ny fifidianana malalaka, ara-drariny ary azo ekena; ary tohananay ny ezaka ataon’ny SADC hahitana vahaolana azo itokisana sady mampandray anjara ny rehetra hamahana ny olana ara- politika eto Madagasikara. Mijoro eo akain’ny vahoaka Malagasy hatrany i Etazonia. Ao anatin’ny krizy no iezahanay itondrana fanantenana. Mitondra fanantenana ho an’ity firenena ity izahay amin’ny alàlan’ireo Volontaire avy amin’ny Corps de la Paix miisa 150, izay mahay miteny Malagasy ary monina eto mandritra ny roa taona mba hanatontosa tetik’asa ho an’ny isan-tanàna manerana ny firenena. Mitondra fanantenana izahay amin’ny alàlan’ny fanomezana fanampiana mivantana ny mponina eto Madagasikara mihoatra noho ny ataon’ny firenena hafa na iza na iza, hanamafisana orina ny fanjariana ara-tsakafo sy ny fiadiana amin’ny loza entin’ny tazomoka amin’ny alàlan’ny Birao Amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) sy ny Ivon-toerana ho an’ny ady amin’ny areti-mifindra (CDC). Mitondra fanantenana izahay amin’ny alàlan’ny fanampiana amin’ny fanabeazam-boho ny hatsaran’ny natiora sy ny harena voajanahary ananan’ity firenena ity, amin’ny alàlan’ireo hetsika fanentanana momba ny tontolo iainana. Mitondra fanantenana izahay amin’ny alàlan’ny fanampiana ny tanora, ny mpanao gazety ary ny fiaraha-monim-pirenena ho afaka mampiasa ireo zava-baovao sy teknolojia farany indrindra any amin’ireo foibe ara-kolotsaina sy ara-tserasera mivantana manerana ny firenena. Izany vina feno fanantenana ho an’ny harena ananan’i Madagasikara izany ihany koa no manosika ny maro eo amin’ny sehatry ny fandraharahana.oa mamela ahy hianareo hanararaotra izao fotoana izao hanehoana fankasitrahana ho an’ny mpanohana maro malala-tànana nanampy tamin’ny fanatontosana izao lanonana ho an’ny 4 Jolay izao. Ny tsirairay amin’ireo mpanohana avy amin’ny sehatra tsy miankina ireo dia misolo tena orinasa, entam-barotra na raharaha Amerikana iray manokana—ary ny tsirairay amin’izy ireo dia mifampizara ilay vina hahatongavan’ny Madagasikara mitondra fahombiazana sy fandrosoana ho an’ny vahoaka Malagasy. Koa fisaorana no atolotra ny orinasa Century 21 Madagascar; ExxonMobil; Fedex/Interex SA; Henri Fraise (misolo tena ny Caterpillar); Microsoft; Teknet Group (misolo tena ny Apple Computer); ary ny World Trade Center Antananarivo. Eto am-pamaranana, dia mino i Etazonia fa raha misy rafitra najoro teo amin’ny foto-kevitra demokratika sy ny fahatokiana tsy azo hozongozonina ny amin’ny ho avy, dia azon’ny vahoaka Malagasy atao ny manorina ho avy vaovao ho an’ity firenena ity. Azo antoka aloha fa hitohy hatrany ny fampiasanay vola ho an’ny vahoaka Malagasy. Ho avy miorina amin’ny foto-kevitra hoe “Izahay vahoaka.” Raha mampiasa vola ho an’ny taranaka ho avy mantsy isika, raha toa mampirisika ny hafa hahatakatra ilay vina ho an’i Madagasikara miorina amin’ny harena kobonin’ny ho avy—fa tsy amin’ny olana nentin’ny lasa—dia azo antoka fa hitondra fanantenana, fanavaozana ary tombontsoa izany ho avy izany. Mirary ny soa rehetra ho anareo amin’izao fotoana ankalazantsika ny fahaleovan-tenan’i Amerika—sy ny ho avin’i Madagasikara izao. »

  5. Ny zava mahagaga dia izao , maninona ny FFKM no izao vao taitra sa ve ny andro lava misy hisainana ka izay vao taitra hitady vaha olana, efa nanandrana indray mandeh

  6. Averiko indray , tadidiko fa efa nanandrana indray mandeha ny FFKM hoe hitady vaha olana fa tsy tafavoaka fa nisy ny sakana , nanangona indray ny FFKM ny hevitriny olona hitondrana vaha olana mbola tsy nety ihany faha telo ity mbola tsy tafa ihany ka hoy aho hoe tena hamaha olana ve ny FFKM sa hanadala ny vahoaka malagasy e! raha hamaha olana mantsy ny FFKM dia tokony efa nandray ny fepetra rehetra satria efa fantatra ary tsy afenina fa misy hery roa eto izay mifanandrina dia ny vahoaka sy ny miaramila, ka raha ohatra ny FFKM ka vonona ny hamaha ny olana dia tokony izy mifehy tanteraka ilay hery iray izay mibahana amin’izao fotoana ka mahatonga ny vahoaka mijaly , tsy misy afa-tsy izay no famahana ny olana eto , tsy ny fampodiana an-DRavalomanana no vaha olana , na ny fihavanana , na fiheke keloka fa ny miaramilan-dRajoelina no famahana ny olana eto fa aza hahodikodina ny resaka , raha mahavita ny FFKM fa hilavo lefona ny miaramila dia milamina ity tany ity fa aza adalaina amin’ny resaka fivoriana tsy hita laony ny vahoaka , izay aloha atao voalohany ataovy milavo lefona ny miaramila dia mandeha manaraka ny zavatra rehetra

  7. Dr CELESTIN Robin dit :

    4 juillet 2013 à 19 h 25 min

    Vita ny fihaonana tsy natrehan’ny Filoha RAVALOMANANA MARC , izay ita mivandravandra fa izy no olona nilaina mba hisy dikany ity fihaonana ity.
    Ary tsy dia mazava loatra ny filazana fa nahomby ireo fihaonana ip nefa tsy nanatrika izany ny ny olona-anton’izao fihaonana izao.
    Miara-mihaiky isika fa ny Filoha RAVALOMANANA MARC no niharn’ny asa-boton’ireo mpanongam-panjakana izay notohanan’ity archévêque ity , ary nampian’i Ratsiraka , izay nilaza nyfandraisany anjara tamin’izany..
    Koa aoka tsy hanao kobaka am-bava ka hiseho ho mpamindrana ny rovitra natao sy ho mpamono ny afo narehitra..Fihatsarambelatsihy sy fieboeboana izany..Ary ity fotoam-pivavahana natao tao » anatin’ny cadre katolika » dia fankalazana ny ny fanasoniavana ny fanonganam-panjakana izay natao teny amin’ny cadre katolika teny Antanimena » izay mbola io zanakolona io no nanotro izany ,ary nampiseho ny heriny aza izy satria navelany namingavinga ny Filohan’ny FJKMA ny miaramila , ary izy velon-tsiky tsy mba nanao hetsika na teny nanoherana izany !
    Koa aoka tsy hadainga ary hanao fijery tsy marina ny zava-nisy teto amin’ny Firenena..
    RRAHA HITSABO NY RATRA SY NY AREINA MISY DIA TSARA NY HALAHALANA TSARA NY RANGORY FOTOTRY NY AFO ,NY FIAVIAN’NY RATRA , ARY NY FAMANTARAN’NY VAHOAKA AMPAHA-IBEMASO IZANY FA TSY KONOKONONON’OLONA EFATRA IRERY..
    AN-KALAMANJANA EO IMASOM-BAHOAKA SY EO ANATREHAN’IZAO TONTOLO IZAO NY HANAOVANA NY FIHAINKAENA NY HELOKA BEVAVA NATAO TAMIN’NY MALAGASY SY NY FILOHA-PIRENENA RAVALOMANANA NOFINIDIN4
    ‘NY MALAGASY TAMIN6KALALAHANA SY TAMIN’NY FANAJANA NY ZON’OLOMBELONA SY NY LALAM-PANORENANA..
    ANKOATRA IO FEPETRA IO DIA FIALANA BALA , FANDOSIRANA NY MARINA..
    ARY TSY TOKONY HIRAY TSIKOMBAKOMBA AMIN’ZANY IREO FILOHAN’NY FIANGONANA TSY NANDRAY ANDRAIKITRA TAMIN’NY FANONGANAM-PANJAKANA NOSONIAVINA TAMIN’NY 17 MARS 2009 NY FANANTOTOSANA IZANY !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *