MAMY RAKOTOARIVELO : TOKANA NY PLAN NY MOVANSY RAVALOMANANA DIA I NENY IHANY

IMG_0155

IMG_0097Feno hipoka androany ny kianjan’ny Magro Behoririka. Vahoaka maro no nanohina ny antson’ny movansy Ravalomanana tamin’izany hetsika ho fanoherana ny fanapahankevitry ny GIC-M ny amin’ny hanalana ny kandidà Lalao Ravalomanana. Tonga teny avokoa ireo mpikambana avy amin’ny movansy Ravalomanana, nahitana ny filohan’ny antoko Zanak’i Dada Rakotoarivony Jean Pierre, ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy, ny filoha lefitry ny Cst Hanitra Razafimanatsoa, ireo Cst sy Ct avy amin’ny movansy. Ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy dia nanambara tamin’ny fandraisam-pitenena nataon’ny fa nampianarina isika hoe araho ny lalàna na eto an-toerana na iraisam-pirenena. Nivoaka hoy izy ny CES, ny didy navoakany. Lalàna iny ary nanaiky isika dia lazaina fa tsy ara-dalàna ka hosaziana isika. Mahagaga hoy izy dia ny  fianakaviam-be iraisam-pirenena raha tsy nampiharina ny tondrozotra dia nisy sazy nataony fa rehefa nilatsaka i Neny dia hosaziana. Rehefa hita ho Mamy fa ho lany i Neny dia hoe esory indray, tsy azo ekena izany. Misy aza hoy izy ny sasany tsy tapitra akory ny fivorian’ny GIC dia nampihatra sazy.Maimaika hoy izy satria natahotra an’i Neny. Ny filoha Ravalomanana dia tsy maintsy mikatsaka ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy, ary vonona ny movansy Ravalomanana hiarahiasa hanatanteraka izany. Mbola manamafy izahay hoy Mamy fa ny vahoaka Malagasy dia vonona hiarahiasa amin’ny firenena mandala ny maha malagasy. Manaraka izany hoy izy dia nilaza ny GIC  fa tsy maintsy esorina ny kandidà  telo , eto izahay hoy izy dia manamafy ho ren-tany ho rendanitra fa ny kandidà Lalao Ravalomanana dia manaraka ny fepetra. Aleo handeha ny kandidà 41 izay matahotra ny hilatsaka dia aleo hijanona fa tsy maninona. Na Rajoelina aza dia aleo hilatsaka. Misy firenena iray hoy ity olomboantendry ity izay matahotra fa sao miverina ny filoha Ravalomanana. Matahotra ny tomboantsoany izay nangalarina izy ireo. Ny firenena izay hitsangana eo hotantanin’i Dada sy I Neny dia hiara hiasa amin’ny firenena rehetra. Isika hoy izy tsy mankahala frantsay  fa isika mankahala ny france-afrika. Tsy manaiky ny fitsabatsabahan’ny mpitondra frantsay. Amphany amin’ny mpitondra frantsay hoy Mamy no mitady hampiady ny samy Malagasy.  Momba ny diniky ny FFKM dia nambarany fa tokony handroso ny diniky ny FFKM. Ny movansy Ravalomanana hoy izy dia misaotra ny FFKM arymangataka azy ireo hanohy izany izay eto Antananarivo no atao mba hiverenan’i Dada rehefa mihavana izy efatra mirahalahy dia mihavana ny malagasy.
Misy miteny hoe raha tsy eken’ny fikambanana iraisam-pirenena  ahoana  manana plan B ve ianareo. Tsy manana plan B izany izahay hoy izy fa tokana ihany dia i Neny izay no plan tokan’ny movansy Ravalomanana. Izahay hoy Mamy tsy hanala ny kandidàn’i Neny, ny vahoaka Malagasy no mangataka azy ho filoham-pirenena. Raha dradraina hoy izy fa avelao ny vahoaka hifidy izay filoha hitantana azy mandritra ny 5taona. Aza sakantsakanana ny vahoaka Malagasy fa fantatrareo fikambanana iraisampirenena fa i Neny no tian’ny Vahoaka.

11 pensées sur “MAMY RAKOTOARIVELO : TOKANA NY PLAN NY MOVANSY RAVALOMANANA DIA I NENY IHANY”

  1. Misaotra indrindra anao aho Andriamatoa Mamy Rakotoarivelo fa mijoro amin’ny hevitrao ianao ary sahy milaza koa ny marina – Tsy tokony ho voarebireby loatra isika na hatahotra an’ireo izay mampitahotra –

    Rehefa tsy mifanaraka mantsy ny malagasy dia miditra soa aman-tsara ny vahiny – Tsy avela hahazo vahana mihitsy izy ireo fa aoka ny lalàna izay voasoratra ao amin’ny Tondrozotra ihany no arahantsika – Izany koa moa no voalaza hatramin’izay ka ahoana amin’izao fotoana izao tsy arahina indray ? Tsy kilalaon-jaza re ny fiainana fa tokony hampiseho amin’ireo izay te-hanova indray zavatra indray.

    Ny Sadec no nanao iny tondrozotra iny – hampisehoy an-drizareo tsara fa ny tsy tokony hovàna amin’izay tiany hatao ny fanarahana an’iny tondrozotra iny – Manana ny mpanao lalànany koa ny malagasy na mety io na tsy mety amin-drizareo ka tokony hitandrina ny mpanao lalàna eto amintsika mba tsy hanovanova izay lalàna tian-drizareo hatao koa.

    Aiza ny fiandrianantsika malagasy raha toy izao no miseho ;

    Fa maivan-doha loatra va re tompoko isika ka atao an’izao é ?

  2. Allo ! Baby…! Faly miarahaba aloha e!
    Fa mazavba be ny tenin’i Raozy : Sady mazava no mafonja ara-dalàna.
    Ny tatitra naton’i CLOSETOU koa ? aoka fotsiny fa tsy mandiso fanantenana tokoa ny Mpitarika atokisan’ny Vahoaka. Sady Tatitra avy ao an-toerana ka misy lanjany tsara
    Halo Hery Atoa Mamy Rakotoarivelo, fa be ny mpanenjika a !
    Tohizo ary mijoroa hatrany amin’ny hevitrao. Ny trambo tsy lavitra akory 😉

  3. Coucou Njara,
    Ato iany ny akama fa tsy manadino tsy akory ary misaotra anareo nanamafy sy niatrika ny tolona hatra@izay. Enga anie ka hody ventiny ny kabary teny @ Magro na dia ahiana aza ny tsy ahombiazan’ny filatsahan’i NENY noho ireto MPAMOSAVY mivoaka antoandrobe nanahary ireto.
    Mahereza daholo e !

  4. Mazava be ny tenin’i Raozy an @’ilay resaka tondrozotra !!!!
    Koa ny ahy dia BAINGA MIVADIKA NO ANDRASAKO e!!!
    resaka maha-be loabary fotsiny, bla bla bla……….
    GADRA MIVOAKA
    HAINO AMAN-JERY
    DADA MODY
    Reefa tanteraka ireo na misy hetsika ho FITAKIANA IREO ary HITA ,izay aho vao MINO izay teny iray lazaina eto .
    EFA ELA NO NANDRENESANA AN’ AMBATOBEVOHOKA e!!!! arao asa fa tssssssss …….
    Tanterao ny sonia natao e!!tereo izay nanery anareo NANAO INY KISONIA INY fa tsy izao vao MODY MIFANILAKA .
    Leo saka be loha e!!!efa hatahorako ho toy ny fodian’i dada sahady koa ity fandaniana an’i Neny ity, @ fomba ahoana
    raha tsy mbola TANTERAKA ILA Y FR sy FITONIANA TSY MITANILA SNs….

  5. Aoka hazavaina tsra fa ny fikambana iraisam-pirenena dia ny Firenena Mikambana (Nations-Unies ) no manana statut ary zy io no fantatry ny Rehetra.
    fa misy mampiasa ny Communauté Internationale dia ohatry ny milaza fa misy CI hafa akoatry ny Nations-Unies..
    nY sadc sy ny UA dia mihevitra fa tsy haintsika fa ny Nation-Unies no Communauté internationale
    Fantatr’ireo fa raha ny Nations6unies no hasaina hitsra ity  » didy tandremetaka  » ity dia ho rava sy ho sarona ny fikan’izy ireo..Ny USA sy CHINE anie raha ny COnseil de Sécurité no hanagatahana hanome ny heviny momba io dia manana veto ireo Firenena ireo.Frantsa koa manana Fa 2 contre 1 izany ka ysy mety ho an-drizareo !

  6. Tena mafy aloha ilay frantay e @ « Fampiesonana » « Fandaingana » Fandrebirebena » ary indrindra eo @ « Famoronana » : zao indray aloha atao ry lavanify dia manatanteraka foana ilay fozalahy kely masiso miampy ny malagasy 20 millions

  7. en 2013, le revenu par habitant est retombé au niveau de celui de 2001…

    minorité s’est vite enrichie au bord des 4×4 importées de partout
    majorité voient de leurs propres yeux anéanties les efforts produits depuis 2002: croupissent, et le pays qui s’enlise

    à nos jeunes QUEL AVENIR?

    Quoique l’on entreprend pour barrer la route aux Ravalomanana,
    cette CI Communauté Internationale favorisant les putshistes depuis à ce jour
    ….
    IZAHO NO FOTOANA FAMPIASANA NY LAZON’ADY

    nefa koa: tsy défense no lah’asa
    lany andro / antitra / matimaty hoy ny sasany, eo raha miandry paika avy any @ mpamotika tanindrazana

    Olon’Andriamanitra any @ fiaraha-monina misy anareo any avy ianareo dahy Mamy sy Hanitra

    Dia itony ny réalité fa miasa ny herin’ny Satan (na izay mety mahalaza ny mifanohitra @ tsara universel) : http://www.syti.net/Manipulations.html

    Ankoatr’izany ny fianarana norantovina, ny bagazy, traik’hefa nationaly sy maneran-tany

    tsongoim-bolo hoy ny fiteny
    ka ataovy mipôaka … ny tako-bilany hoy Tompokolahy RADO fony 2002

  8. IL N’Y A PAS QUE rAJOELINA qui veut et qui peut dire NON !
    Mme Lalao Ravalomanana SAIT et peut dire NON…..aussi en vertu de la LIBERTE d’expression et et le droit à la Liberté Individuelle : C’est un droit à Tous les Citoyens que Rajoelina FAIT croire qu’il est le seul à Pouvoiir faire ….ce qu’il veut faire.

    Mais qu’attendent la population pour se rebeller contre le clan des militaires pro-rajoelina ???
    Faut il croire que cette population est desormais sous la joug franco-rajoelina et donc ne peut et ne veut plus bouger ??? …..A moins qu’elle soit devenue pro-rajoelina ? Ce qui annoncera la debacle totale dans le pays .
    Mais bon, Rajoelina ne cerne plus rien, ce sont les francais qui mene la danse….des chacals.

  9. Any Japana dia malaza izany atao hoe: »boite à idées » izany ao amin’ny orinasa ary mifaninana mihintsy ny mpiasa manome ny heviny sy ny soso-keviny hanatsarana ny vokatra ao amin’ny orinasa na koa hanafaiganana ny fomba fitondrana ny drafitrasa.
    Koa maninona moa raha asiana ohatran’izany ao amin’ny magro.Samy mieritreritra paikady ny rehetra any an-tranony dia raofin’ny olona azon’i Lalao Ravalomanana atokisana izany isan’andro alohan’ny fisokafan’ny kabary dia atao ao anaty vata ireo taratasy misy ny paikady dia omena an’i Neny raha manatrika izy na aterina any aminy raha sendra tsy eo izy.
    Ahoana ny hevitrareo?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *