MANANDAFY RAKOTONIRINA : Ny fandresena vazaha dia ny fandresin’i Neny

IMG_0150

IMG_0150Ny kabary ataontsika eto hoy ny Cst Rakotonirina Manandafy teny amin’ny Magro Behoririka androany dia tsy ho anareo manatrika fa ho an’izao tontolo izao. 41 ny kandidà hoy izy ka tsy misy mahavita propangady efataona afa-tsy isika  izao. Mahazo manao izay fitokanana etsy sy eroa fa tsy nahavita tao anatin’ny efataona. Manerana izao tontolo izao hoy Manandafy dia tsy nisy fihetsiketsehana nandritra ny
efataona namerina ny filoha naongana. Tsy navelany hody ny filoha Ravalomanana hoy izy izay efa nalefa tamintsika teto ny  taratasy tamin’izany. Androany  tsy isika irery no  miatrika ady fa ny FFKM miaraka misalahy amintsika. Samy mankasitraka ny hisian’ny fivoriana hoy Manandafy na izy Rajoelina aza. Mahazo matoky isika hoy ity olomboantendry ity  fa vokatry ny herim-pontsika nandritra ny efataona dia ho lany i Neny. Tsy avelantsika  ho raraka an-tany izany. Nisy frantsay hoy izy nialza fa tsy mahazo miverina ny filoha Ravalomanana. Izaho kosa hoy Manandafy dia miteny fa miverina izy.Tamin’ny 27 dia efa nisy mpanao politika nandroaka ambasadaoro, ity izany ny jeneraly nitari-tafika frantsay teto. Isika hoy izy tsy nanomo vazaha fa herim-po eto hanaovantsika azy. Ny fifidianana no handroahantsika azy ary tsy hanao  vavabe tahaka ny tamin’ireny 14 jolay ireny. Nanomboka ny 72 hoy izy isika tsy namono vazaha , fa ny fandresena vazaha dia ny fandresin’i Neny amin’ny fifidianana.Efa lasa raharahan’ny firenena manontolo ny maha kandidà an’i Neny. Ry zalahy hoy Manandafy no mandrahona hoe hakarina any amin’ny ONU. Akaro any fa tsy maninona. Ny mpikambana ao dia USA, Chine  izay mpomba antsika. Ny frantsay irery no manenjika antsika ampiasain’ny Sadc. Raha hikatra any amin’ny filankevitry ny firenena mikambana ny raharaha dia ny mpikambana ao dia firenena manohana antsika ka ho hita eo. Ny frantsay hoy izy efa nitsoaka teto, indrindra ny miaramila. Anisan’ny olona mampiasa vola vahiny betsaka ny Canadiana any Fort Dauphin ka izay dia milaza fa io ambasadaoro io dia ratsy vava. Tsy maintsy mandresy isika hoy izy satria tsy ariantsika ny ezaka nandritra ny efataona.

6 pensées sur “MANANDAFY RAKOTONIRINA : Ny fandresena vazaha dia ny fandresin’i Neny”

  1. SYMBOLE OUI < RAVALOMANANA SYMBOLE DU PROGRES , DE L INDEPENDANCE SURTOUT SON RETOUR ,SYMBOLE DE JUSTICE ET DE LA SOUVERAINETE .
    QUE LES MALGACHES SE BATTENT QUE MADAGASCAR N'EST PAS UN PAYS CONQUIS.

  2. Tsy ny vazaha no tena fahavalo, fa ny toe-tsaina lomorana sy mirefarefa izay toa lasa mahafaly an-dramalagasy ! Tsy mety tonga saina, tsy mety manokatra ny voamasobeany !

  3. …dė ahoana lesy???toa nantenain-kaniry ity , vao maika mampivandravandra?????
    Aza miasa loha @’izay mpitarika fa samy mandeha samy mitady izao e!!
    Fa avy aiza ary iza kosa aloha no nitondra ilay toe-tsaina lesy???ilay kilaingalainga , ory hava-manana
    mitady tany malemy hanorenam-pangady, tsy mahalala afa-tsy ny anio sns…….amiko indray aloha dia
    FANAINIANA HATAO MIHINTSY NY HANAPOTEHINA ILAY TOE-TSAINA MALAGASY mazava ho azy
    MBA HANDROBANA NY HARENTSIKA MORA2 e!!io dia tetika manara-penitry ny mpanjanaka fa marina
    fa isika koa no tsy tonga saina fa MORAMORAINY lava izao dia eo ianao e!!!

  4. Mba mahafinaritr’ahy be ary tena mba tiako mihintsy ianao ‘ty ranavalona !
    Avia mba velesiko kely amin’ny karavasy, dia omeko….. bonbon kanety kely avy eo !

  5. Tsy hainao ve fa bonbon anie ka makarary nify e??aiza ary ianao izany???
    vao maika fa kanety??mahakenda!!!

    Dia mba ahoana iny olom-panjakana iny no dia notaritarisina eraky ny lalana toa iny lesy???
    mba tsy rariny kosa aloha iny e!!nampalahelo ihany lery , fa tsy hita e!!izay ilay hoe: rehefa mbola tsy tonga
    aminao ilay fahavoazana dia afaka miteny ianao .
    Mino aho fa misy antony lery matoa mijabaka toy ireny ka ho hita eo ny tohin’ny tantara.Tsy ho vita mora kosa
    ireny , sa????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *