Manondrana indray i Ruffine sy Guy Maxime ?

ruffine

guy maximeAnisan’ny minisitra fahadimy ao anatin’ny movansy Ravalomanana ny minisitry ny fanapariham-pahefana Ruffine Tsiranana. Efa nesorin’ny movansy Ravalomanana anefa izy fa tsy nanaiky nanala azy Rajoelina tamin’ny fotoan’androny. Nandeha teny anefa ny andro nivadika ho volana, nanaiky ihany ny movansy Ravalomanana. Porofon’izany dia nisy ny fanambarana nation-dRamatoa Ruffine Tsiranana teny amin’ny Magro Behoririka fa tsy miala amin’ny movansy Ravalomanana ny tenany. Hita ihany koa ny tenany tamin’ny fitsidiham-paritra tany Anahindrano nataon-dRamatoa Lalao Ravalomanana tsy ela akory izay. Nahagaga ny maro indray anefa ny nahita an-dRamatoa Minisitra nisolantsolana teo akaikin’ny kandidà Rajoelina tamin’ny fitokanana ny hopitaly manaram-penitra tany Mahajanga ny faran’ny herinandro teo. Raha amin’ny maha minisitra azy dia tsy maninona ny fanatrehany ny lanonam-panjakana fa raha fampielezan-kevitra toy ity nataon-dRajoelina ity kosa dia mampanahy ny maro. Toy izany ihany koa ny Ct Ralaiseheno Guy Maxime tany Mahajanga tamin’ny fanatanterahana ny lalao fair play baolina kitra. Izy no nitolo-tena ho movansy Ravalomanana tamin’izany kanefa tsy nahazo ny tso-drano avy amin’ny mpitarika.

ruffineTongo-bakivaky anefa izy ity sady maharary no mahamenatra, tsy vao izao no misy misabaka na tsy manana hazondamosina ao anatin’ny movansy fa mipoitra hatrany izy ireo, ny anton’izany angamba  dia  mbola tafaverina ao anaty Ankolafy ihany izy ireo na dia nolazaina fa nania aza aty aoriana elabe?   Ny movansy Rajoelina anefa dia tsy misalasala manala ireo izay heveriny fa tsy mahomby no sady mpamadika palitao toy ireo mpikambana ao amin’ny Cst miisa 23 farany teo.

10 pensées sur “Manondrana indray i Ruffine sy Guy Maxime ?”

  1. Dia tsy hay intsony ity politika é.Tena mazava mihitsy ilay sary fa tsy noforonina.Dia ho hita eo ny fandehany.

  2. Efa ela no tsy nahatoky an’i guy maxine io, sady miavona nefa tsy ambony tsy ambany toa lahalik’alika.
    mbola hatokisan’ny antoko ravalomanana ihany anefa izao io guy taxine io. Efa mivalana ny tantara, lasa mampitsoaka. Ereto eo ihany ireo mpamadika sy ireo tsy mety mitarika ny olona handrodana é

  3. Ka tsy maintsy mitady olona hanangonana olona izy izay
    fanantatra fa avy ao @ ankolafy dada dia IREO NY MPAMADIKA FA
    MARIARY, hadinon-dRa guy sahady ilay nanamborana azy teny Analakely ohatry n omby ampahi-be
    maso. Mariana eto koa fa tsy vao voalohany io fa saingy mbola io izy eo ihany , amiko dia misy tsikombakomba
    RATSY ao, fa nahoana no Ramatoa Ruffine ihany no esorina rehwfa manao ny tsy mety fa anahoana i Guy Ralaiseheno
    no tsy nasiana sira akory???ary izy mihintsy no niteny indray andro iry hoe  » HIRAKA NO NALEHANY TANY @ FOZA »
    IZA NO NANIRAKA ARY?????misy tetika maizina ao ary TSIKOMBAKOMBA e!!!hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao rah.
    Faly ery ny devoly rehetra fa NAHAZO NAMANA hihihi!!!!MBOLA MISY AO FA IREO ALOHA NO MAHASAHY MISEHO.
    MBOLA MIASA ANDRIAMANITRA eeeeeeeee

  4. tsy mahita porofoa ary mitady hoe aiza maika misy mivandravandra be toy izao!!!! jereo tsara ny sarin’izy ireo fa i guy maxime fa raisiny tanan-droa mihitsy i rajoelina ary malefaka tsara ny regard-ny,
    ny olona hoatran’ireny no tena very carrière politique, tadidio ny nahazo an’i herizo razafimahaleo nivadika tany @ ratsiraka avy dia potika

  5. Samy mandeha, samy mitady io ry zareo ô ! Ary vokatry ny sonia rehetra izay natao izao !
    Lalam-panorenana fôpla aza, lazaina fa manan-kery !

  6. ContreFaty! NILELAKA NY VODIN’I DOMELINA SISA TSY NATAONY hoe
    Efa saika HIANKOHOKA T@ TANY MIHINTSY RAGUY RALAISEHANO hihihi
    dia ny tena no menatra!!!!
    « fadin-drazanay ny mamadika tanindrazana  » hoy Ralaiseheno teo @ MAGRO fony izy mbola…………
    indrisssssssy!!!!!!MAHONENA!!!!
    Ruffine indray dia hita @ voany ihany ny HAZO NANIRIANY ka tsy asiako sira firy fa mba RAISO NY ANDRAIKITRA
    RĖ RY TENA ZANAK’i DADA @ ITONY OLOM-BOAHOZONA ITONY a!!!!!!!ROASY HIALA TAO FA RAHA TSY IZAY
    DIA MISY PETSAPETSA HIRAISANA AO eeeeeeeeeeeeemamelà ny helony fa tsy fantany izay hataony dia aleo izy
    ho any @’izay ahafatesany any.MIDANADANA NY LALANA MANKANY @ FAHAVEREZANA TOMPOKO ô!!!!!!!

  7. Mbola mamerina fitenenana ihany woa izaho:Esory daholo ny nify ratsy fa manimba ny nify tsara toy izao zavatra miseho izao, tsy hasiana hantra mihitsy fa tokony dia roahina fotsiny izao ary marina mihitsy fa manomboka matim-bola mamadika daholo ny movansa Ravalomanana ka tokony ho mailo isiaka, samy tiana daholo na ny atsy na eroa, izany no atao woe tsy misy saina, zao dia inona indray no mbola havaliny ry maxime guy sy ry nanaratsi ruffine, hita be tsy azo hafenina mihitsy fa tonga dia tsy afaka miala intsony, sa kosa mody woe FAIR PLAY, nefa tena FAIR TSY MILAY, mampalahelo mihabetsaka ny isany JODASY, eny na dia tokony iray ihany aza, tena mampalahelo an!Io koa aloha mbola adalàny ry Mamy Rakotoarivelo sy ny movansa raha mbola hanaiky anizao ihany, efa betsabetsaka ihany mantsy izay mpamadika izay, ny sasany moa dia lasa manao lohana kisoa, sasany indray tsy manaiky ny hiverenany i Ravalomanana marc hody eto aminy tanànana, nefa ny MENA SOFINA eto afaka mipetraka soa aman-tsara manerana any i Madagasikara, ka kapakapao daholo izay manimba ny tany rehetra fa manaratsy vintana.

  8. Betsaka ny ho taitra fa raha izaho dia aleo mamale heloka. Tsy heloka ara-pivavahana izany fa ny hoe fifamelana. Satria Raha handroso @ fifidoanana isika dia mila ny rehetra. Manondrana tokoa ireto olona roa ireto, fa hadin’ny maro sahady angaha ilay fivoriana nokarakarai’ny CSC, lazaina fa komity mpanaramaso ny tondrozotra, izay fitaovn-dRajoelina. Nanao fivoriana izy ireo t@ zoma 5 jolay teo, nefa fivoriana natao mihitsy hanindriana ny efa hatao’ny FFKM. Maro no milaza fa tsy ilainy iny fivoriana iny nefa dia mbola natohy ihany ny alatsinainy teo. Tonga nanatrika iny fivoriana iny i Mamy Rakotoarivelo.
    Ny ahy dia tsotra, i Dada nilaza fa mila hatambatra ny hery. ka aleoko aloha tsy hanejika an’iza n’izao ao 2 ankolafy fa ny fahavalo iombonana ihany dia i Andry Rajoelina sy ny frantsay.. Maro @ ireo manodidina ahy anefa no tsy manaiky izany fomba fijery izany. sady koa maro no tsy mino fa hisy fifidianana @ ity taona ity…
    Aleo hatambatra ny hery. Ny ahy aza dia mbola lasa lavitra ny eritreritro hoe, Aleo ny pro-Ravalomanana, miaraka @ anti-Rajoelina midina an-dalambe.. fa toa nofinofy ihany izany.

  9. Mba vakio kely ity azafady

    MFA : « la décision sur le retour de Marc Ravalomanana appartient uniquement au FFKM »
    9/07/2013 à 10:21 A la une 32 commentaires

    Les militaires se disculpent

    Les militaires se disculpent

    De mieux en mieux dans l’affaire de NOTAM contre Marc Ravalomanana, les forces armées rejettent la faute sur le FFKM. D’après le ministre des Forces armées, la décision du retour ou non de l’exilé d’Afrique du Sud au pays relève uniquement des 4 Chefs d’Églises.

    Les 4 leaders du FFKM ont rencontré les responsables des forces de l’ordre avant la première rencontre des 4 chefs de file politique. Finalement, seuls 3 des personnalités concernées a pu assister à la réunion.

    Le Général André Lucien Rakotoarimasy, ministre des Forces armées a précisé que le FFKM était libre dans sa décision de faire revenir ou pas l’Exilé d’Afrique du Sud. Il n’y a eu aucun débat sur le sujet lors de la rencontre des chefs d’Églises avec les responsables des forces de l’ordre.

    Ces derniers se seraient contentés d’exposer les risques de troubles et d’affrontements civils qu’engendrerait ce retour et de mettre le FFKM face à ses responsabilités.

    Après Andry Rajoelina qui prétendait avoir accepté la rencontre avec les 3 anciens Chefs d’État élus, voici les Forces armées qui se disculpent dans cette affaire. On se demande bien si Ambohitsorohitra et sa nouvelle génération de militaires gradés manara-penitra pourraient un jour cesser de prendre les Malgaches pour des abrutis de la dernière classe.

    Dans une interview, le Pr Albert Zafy a souligné que ce sont les forces de l’ordre qui posent, encore et toujours obstacle à la concrétisation de ce sommet. Les négociations sont toujours en cours pour obtenir l’aval du retour de Marc Ravalomanana avant la reprise de la rencontre du FFKM, prévue 11 juillet.

    Face à la presse, le ministre des Forces armées a indiqué que les forces de l’ordre sont prêtes à prendre leur responsabilité si le FFKM estime que ce retour est indispensable. Le Général André Lucien Rakotoarimasy prévient toutefois que l’arrivée précoce de Marc Ravalomanana pourrait engendrer des affrontements civils à grande échelle qu’on a pu éviter pendant 4 ans.

    « Si on ne réussit pas à contenir la foule en colère contre lui, elle pourrait arriver jusqu’à porter atteinte à son intégrité physique. Nous ne tirerons jamais sur les civils, nous devrons nous limiter aux dispositifs anti-manifestations et émeutes. Si ce scénario arrivait, les partisans de Marc Ravalomanana aussi pourraient chercher à se venger contre les civils de l’autre camp », ont indiqué les responsables des forces de l’ordre. Ces derniers ont ajouté qu’un tel scénario ne découle pas de simples suppositions, mais d’informations crédibles reçues.

    Mitodika manokana aminireto miaramila potaka fople voafidiny i Rajoelina ireto izaho.Iza moa zao no tena mahatezitra ny, vahoaka Ravalomanana sa hianareo matim-bola tokony hiaro ny vahoaka?Tsy menatra akory hianareo miteny woe: Ravalomanana no alam-bahoaka, hianareo ireo mihitsy no tena fosotra tsy misy ilaina anazy daholo ary tokony ho vonoina ho faty daholo fa tsy ny mendrika anareo no ho velona eto amboniny ity tany ity.Miaramila pilanja vola fa tsy pilanja basy, firy aminareo ireo no efa nanatrika ady tany ivelany, ary tsoriko aminareo fa commando 5 fotsiny dia mahafaty anareo rehetra ireo ao anatiny atsasakadiny, gesta no betsaka fa rehefa raikitra ny ady lasa mitsoaka daholo, mihevitra angamba hianareo fa woe manana maimbo vava dia tena matahotra anareo ny vahoaka.Raha tena mafy be hianareo , aleo hidtra malalaka eto i Prezidà Ravalomanana dia hita eo woe iza no tena bé vinany, tsy hitako mihitsy izay atahoranareo any iny olona malagasy iny, iza aza tsy matahotra hiditra eto, nefa hianareo manana basy, ka teniko ho anareo miaramila pilanja any i Rajoelina ireo, mieritrereta tsara aloha ary aza maivan-doha, fa ny tena basy ange dia ny vahoaka ary tena marina izany aloha.

  10. Henjana woa Zandrikely! fanga tsy toro iray de vitan-dRaneny e! tsy ny propagandin-draneny atao mafy fa Rajoelina tsy laninareo izany. Matahotra nga @ popularité ben’n Zandry eran’ny Mada. Fanina hatramin’ny Bekintana koa ty. Inona no tsy natao azy fa mbola mijoro foana aho hoy izy, ny sainam-pirenena an-tanako havanana. Zany ka lehilahy tia tanindrazana! ampiana tafika tsy ampana tafika! marary saina daholo ny moov Rainivoanjo ary efa ialan’ny sasany pas tsikelikely fa hazo boboka. Da Max tsy adala koa. Mitsinjo ny ho avy pôlitikany izy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *