Mitanila amin’ny kandidà Rajoelina ny TVM SY RNM

johary

joharyAnisan’ny nanakian-dry  Johary Ravoajanahary sy  ny ekipany tao amin’ny Tvm tamin’ny fitondran’ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka Ravalomanana Marc ny fotongilanana tafahoatra nataon’ny filoha tamin’izany. Amin’izao fotoana izao anefa dia tafahoatra noho izany aza no miseho ao amin’ny haino amanjerim-panjakana. Ny kandidà Rajoelina hatrany no mibahana mandritra ny fampahalalam-baovao. Hitan’ny be sy ny maro fa notantaraina tamin’ny haino amanjerim-panjakana ny tontolo andron’ny Sabotsy 06 Jolay 2013 ny fitokanana ny hopitaly manaram-penitra nataon-dRajoelina tany Mahajanaga. Mbola naverina tamin’ny fotoanan’ny vaovao ny hariva sy ny ampitso  ihany koa anefa izany. Tsy manaraka ny etika sy ny deontolojia ny asa fanaovan-gazety izany. Tsy manaraka ny lalàna izay nolanian’ny filankevitry ny governemanta farany teo ihany koa izany izay milaza fa tsy azo atao intsony ny manao fampielezan-kevitra. Ankoatra ny fitokanana ny hopitaly izay lazaina fa manaram-penitra dia nisy ny fitondran’ireo mpanao karnavaly balonina lehibe miloko oranjy sy fananganana banderole misy soratra Tgv izay midika tsotra izao fampielezan-kevitra. Matahotra ny tsindry avy any Ambohitsorohitra ve ny mpiasan’ny Tvm sy Rnm sa misolelaka  tsotra izao ?

9 pensées sur “Mitanila amin’ny kandidà Rajoelina ny TVM SY RNM”

  1. VOUS N ARRIVEZ MEME PAS A FAIRE APPLIQUER LA FEUILLE DE ROUTE, AVEC OUVERTURE DES MEDIA INTERDITS PAR LA MARIONNETTE DES POVCONS.

  2. Izay vola dia mety daholo na dia hamarina any an-kady aza koa inona no mahagaga e???
    BIZZINA DAHOLO IZANY!!!fa vao2 ve izany e!!!lainga aza foronina fa vola koa maika fa…….
    ilay valala misy moa ny saosy mitosaka , ANY IANAO RY VAHOAKA . MITÔMANIA FA VOKY NY MPISOLELAKA.

  3. Misy mpanoratra eto amin’i mydago mitondra ny anarana hoe « Laurenco Marques » izay niantsoina an’i « Maputo » renivohitr’ i Mozambika taloha.

  4. Dorana ny traondrajohary sy ny tariny rehefa tonga ny fotoana tsy maninona na dorana koa ny tvm sy ny rnm fa tsy misy ilana azy intsony

  5. Izaho manao hoe:ny trano sy ny toerana angamba tsy ravana fa ny ekipa ao no soloina fa tena efa lo hatrany an-tampon’ny loha.Ny ministra ny filazam-baovao no tokony ho terena hanao izany na manao silence « radio RNM-TVM » indray andro manontolo eran’ny nosy.Ny mihoatra tsy ferana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *