Nahazo amnistia ve ny Jeneraly Raoelina dia mbola any am-ponja ?

amnisitia

amnisitiaNisoko mangina ! Iray andro mialoha ny ahatongavan’ny iraky ny Sadc, Chissano sy Simao, nivoaka indray ny lisitra fanampiny 27 hafa, nahazo famotsoran-keloka teo anivon’ny Fitsarana an-tampony. Voakasik’izany avokoa ireo gadra politika, mifandray amin’ny sori-dalana. Anisan’ny lisitra ao anatiny ny Jly Raoelina sy ny Jly Rakotonandrasana Noel. Ny mampalahelo dia natao fitaovana hilazana fotsiny fa mampihatra ny fitoniana ny FAT fa mbola any am-ponja ihany ny Jeneraly Raoelina hatreto. Tafiditra amin’ny fepetra fampitoniana takin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sady takalon’ny hivohan’ny vavan’ny kitapom-bola iombonana misy ireo fanampiana tokony hampandehanana ny fifidianana rahateo. Mazava rahateo ny fepetra avy amin’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Sadc ny hamoahana ireo gadra politika.

Na izany aza, tsy mbola nosokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny fanjakana. Tsy mbola tafaverina an-tanindrazana ireo sesitany politika. Mbola anisan’ny teboka tsy voahaja ao amin’ny sori-dalana izany sady tsy mbola nampiharina.

Andrasana ny ho tohiny.

3 pensées sur “Nahazo amnistia ve ny Jeneraly Raoelina dia mbola any am-ponja ?”

  1. Olona mangovitr’homana ireo tsy mahagaga,
    olona efa sisa-paty @ fampijaliana azy iny dia mbola hatahorana ihany tssss
    olona tsy mataho-tody raha izay ireo tsivalahara ireo.
    HO HITANAY EO IZAY MBA HETSIKA HATAON’IRETO MPANAO KISONIA @’IZANY ZAVATRA
    REHETRA IZANY e!!!!misy tompon’andraikitra MAROMARO AO fa tsy domelina irery.
    Mankahery ny ankohonan’i Jeneraly Raoelina , mahereza tompoko !!Andriamanitra tsy andrin’ny
    hafa endrasantsika.

  2. NY TODY TSY MISY FA NY ATAO NO HIVERINA RY FOZA ORANA ISANY A : DOMELINA, RATSYRAHONA-NA NY HOAVINY SY NY TARANANY, HAJO MPANODINA FANANAM-BAHOAKA, KAMILI VITAINA NY AMINY, RISARA BAOMBA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *