Oniveritén’Antananarivo : Tsy manaiky ny hanaovana ny kianja-na golf

ankatso manif contre golfe

ankatso manif contre golfeNanatanteraka fihetsiketsehana teny amin’ny Esplanade teny Ankatso ny androany Zoma 12 Jolay 2013 ireo mpampianatra, mpandraharaha, mpianatra. Hetsika izay nentina nanohitra ny famarotana tany amin’ny mpandraharaha iray nataon’ny praiminisitra lefitra misahana ny asa fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo. Vory lanona teny an-toerana araka izany ireo fiakaviam-ben’ny Oniveristén ‘Antananarivo. Tany mirefy 39ha97a amin’ny 50ha no lasan’ity mpandraharaha iray ity  hanaovana tetik’asa kianja fanaovana golf  iraisam-pirenena raha ny didim-pitondrana nivoaka ny 10 Aprily 2013. Nambaran’ny tale kabinetran’ny Oniveristén’Antananarivo Andriamiandravola Alain fa efa niakatra fitsarana ny raharaha. Ny fitsarana  tampony hoy izy  izay efa nandidy ny fampitsaharana ny didim-panjakana noraisin’ny praiminisitra lefitra misahana ny asa fampandrosoana sy ny fananjariana ny tany tamin’ny 10 Aprily 2013, io didy io no nahatonga resabe. Ny  14 May ny fiadidiana ny Oniversité hoy izy no nangataka ny  filankevim-panjakana hanafoanana  ny fampiharana io didy mpitondrana io. Telo andro taorian’izay anefa  ny 17 May dia efa nivoaka ny didy fampihantoana izay  nampafantarina  io na ny praiministra lefitra na ny fiadidiana ny Oniversité. Ny 24 May  dia nandefa mpiasa ny praiministra lefitra hanao “borne.”Tsy  nisy zavatra nataonay hoy izy  fa izahay tsy nieritreritra hoe  tsy ahazo rariny. Eo am-piandrasana ny didy izy ireo ankehitriny. Mitaky ny hameranana ny tany Ho an’ny mpianatra kosa dia nambaran’ny solontenan’izy ireo fa mitaky ny famerenana ny tany ny mpianatra. Tsy mila tomponandraikitra mivarotra firenena tahaka izany izahay hoy izy ireo ,izany ve ny olona miendrika mpitondra firenena. N’inon’inona izahay tsy hanaiky io,aoka mba ho tsinjovina ny zana-bahoaka, tsy misy tomboantsoa ho anay izany kianja fanaovana golf izany.

29 pensées sur “Oniveritén’Antananarivo : Tsy manaiky ny hanaovana ny kianja-na golf”

  1. Raha izay moa no handoavana ny volan’ireto mpianatra sy mpampianatra maninona fa
    saingy haitraitra fanaovana ny vahoaka ho teny tsinontsinona no tena marina ??..
    Ny vahoaka matin’ ny hanoanana ry zareo hangalatra ny taninao hilalaovana Golf « MATESA ZĖ MATY eeeeeeee »
    Ny fahorian’ny vahoaka fifalian’i foza.Mahazo aina be ny foza @’izao fahavoazan »i Gasy izao.

  2. Hay ve ka mbola ilay hajo ihany e???tsy naleo aloha mba natao hoe:
    ho hanaovana fampieleza-kevitra a???efa mampiseho vangy sahady izy izany.
    Izay kosa angamba no ahalany azy kah???dia manatenà fa ho avy eo daholo ny mpilalao baolina lavalava
    fahanany isanandro ao HANDRIPAKA NY MPIANATRA INDRAY.MBOLA TSY AMPY AZY NY FATY ANY ATSIMO.
    IO KOA NO TENA FANGOLOKA MODY MITAPY FA TENA …….tssssss
    Iza moa ity mba ho antenaina hanoana eo ray olona fa miady aloha izay voa dia ny sisa mitazana raha mbola tsy
    tonga any aminao ilay TAOLAM- BE TSY MITAPAKA?????

  3. Coucou jiaby e !
    Elaela koa anie zaho tsy nanoratra fa tegna kivy be mieritreritra fiaignan’ny gasy tsy manjary.
    Bon courage à tous

  4. I Hajo. Crapule, voleur de haut niveau; Santionany @ asany izao. Mbola tsy feno ngamba le 60 miliara. Tany analiny hekatra nampanofaina (mody navoka gazety fa Ar 150000000 ny hofany ampolon-taonany maro fa ny efa any ampaosiny tsy mba navoakany gazety. Ohatrinona ny vola azony t@ bloc sanitaire izay firy avo heny @ budget bloc sanitaire ministere rano no nanaovany azy . Ataovy @ isana fotodrafitr’asa nataony ireny dia hitanao fa mora no mahazo le 60 miliara ra tsy efa tafakatra 100 miliara zao.
    Tadidio foana fa FOZA i Hajo ary foza fetsi poza. Tadidio tsara @ ilay andro iray farany.

  5. Mba manana porofo amin’izany ve e ???
    Io anie ny filohan’ ny oniversité taloha ihany no nangataka fiaraha-miasa amin’ny golf international ee !! Nahazo « accord » t@ Présidence io sady nisy aval an’ny ministère de l’enseignement supérieur izay io no ni-attribué-ana an’ilay terrain !!! Ny tao @ VPDAT nanao ny asany fotsiny ohatran’ireny misy manao demande ireny fotsiny …arahina ny lalàna sy ny procédure !!!

  6. Période de transition : Gestion des affaires courantes no atao, fa tsy bizina na fanomezana tanim-panjakàna hanaovana golf !
    Izay diso, dia diso !

  7. Fa ahoana Baby no dia mitsoaka an-daharana toy izao a???
    dia avelanao irery ve ny akama rehetra???MIVERENA e!!!

  8. Angaha tanindrazana ihany no amidin’ny sasany ? Fa kisoa angaha, ireny vehivavy marobe ahondrana any ivelany ireny, ireny miandry kila eraky ny tretoara ireny ?
    Loza !

  9. Coucou Ranavalona,
    Tena kivy be oà fa tsy miala laharana tsy akory an !
    Tsikaritro ny artikla momba an’i Neny tany Moramanga. Nofy sa tena izy ???
    I Kintana kou toa niavy !
    Njara a ! Ato iany ny akama fa aza adino.

  10. Io dia efa hay fa Kotozafy ihany no i Lekisisy e!!I Kamilly ihany no Vitaly.
    Ny mpitarika ao @ Ankolafy koa no tokony ho soloina HAINGANA DIA HAINGANA
    raha tė ahita mangirana .Efa tsy mamy intsony fa efa tena mangidy ilay izy koa aiza moa no ho tafavoaka ity raharaha???

    Baby tsy manofy sė fa tena i Neny io ary dia hitanao fa mamiratra daholo izay lalovany, tsy hitan’isė ilay Neny nihazakazaka
    madinidinika tany Morondava a??mbola mitana tsara an!!!tsinjitsinjiny mihintsy ny tanan fa ianao angah ahoana???
    MAMY BE ZANY NENY ZANY !!!mmmuuooooaaahhhhh bà mifotetaka be mihintsy Neny a!!Homba anao ny AVO indrindra e!!

  11. Aza de mamely mafy Ra Kintana a ! Ny firenena iraisiana sy ny Pôty tsy hadino na oviana na oviana.
    Vakansy zaho izao ka vonona handray ny tolona sady misy fotoana hamakiko ny artikla tsy voaharako. Mafy ny asa ary vao teo aho no nihaino ny hiragasy « Bazarikely » ka tena tonga saina be !
    Masina ny tanindrazana ary misaotra manokana an’i Ranavalona namaly ny fanontaniako momba ny fahatongavan’i NENIMALALA antanin-drazana. Midika io fa misy fiovàna ny fandehan-javatra « môramôra mais surement ». Misaotra anareo ni-assurer sady tsy kivy e !

  12. rehefa nivarotra tanindrazana de nivarotra fa tsy hahodikodona ny resaka. so de mbola mihevitra anay ho vendrana fona ry foza orana.So de mieritreritra ny ho afaka @ foza ko ary hajo sy ny forongony. Foza mandrakizay ary tena anisan’ny fototr izao olana izao sy ny fahantrana tsiroaman-tany. Fa fototry ny fangoronan-karena ho azy. i Hajo sy ny ekipany dia anisan’ ny olona haripaka à andro iray. Firy mo ny olona mijaly sy fadirnovana. Ary mendrika ny havaly aminy izany. Izy ono navita zavatr betsaka t@ tetezamita. Fa izy ko no nahazo vola betsaka ndrindra t@ etezamita; aza mataotra fa mba haka @ reny zahay refa tonga ny andro ray/ misy hatsembohanay reny.

  13. marina zany gasy kanto a. sady Hajo ve mahazo fitondran eo tsy dia efa lova mandrakizay hoandry zareo madagasikara. Ankadinandriana aza kaominina kely io dia nifandovan’izy mianakavy. Sady tsy izany ve le oe fianakaviana nanambatra vola 60 tapitrisa. de gaga ialahy. misy fetrany ny azo anaovana loham-poza ry hajo sy ny ekipanya. MISY FETRANY. ARY ANAREO NY ALLER FA MBA AN’NY VAHOAKA KOSA NY RETOUR.

  14. RA MANDALO EO AMIN’NY LE TRANO FITARATRA BE ANIO « BLINDE » NGAMBA AM LE ANDRO RAY DAE MAHITA SORATRA OE « EFA IO IZY »LE MPANGORON-KARENA, MPANGALATRA, FETSI-POZA MODY TSY MITENITENY FA MANAO TSAKO AN-TSENA.
    IO IZY SY NY EKIPANY REFA TONGA NY ANDRO RAY HAKANA IZAY NALAINY. DE GAGA IALAHY

  15. REFA NY AO ANTRANON-DRY FOZA ORANA TOKOA NGAMBA NO LOHARAN’NY VAHOAKA VO HO TONGA SAINA KA MBA TENA HIKARO-DALANA. NY AHY LO LE TANANA SY FANANANA BE AN’I HAJO FOZA ORANA AO NO ANJARAKO E.

  16. Amiko na iza na iza nanapa-kevitra tamin’io dia olona tsy manjary. Raha hanitatra ny Infrastructures ny Oniversité, satria miha-maro ny zaza malagasy mba te hahay dia atao aiza? Dia izany ve no atao hoe tia tanidrazana nefa mambotry ny zanaka malagasy aoriana? Tokony hotohanana ireo eny @onoversite. Amin’izay dia aseho ho hitan’ny mpivarotra tanidrazana fa tsy vendrana akory ny malagasy ary tsy resy tsy akory ny olo-mangina

  17. Mba fantatrao ve moa ry baby ny dikan’izany hoe petite « piqûre » de rappel izany ? MDR !

    Ekena à 100% ny voalazanao rafeno !

    Ilay Hajo koa, dia PCA-n’ny FID ! Misy afaka manao fikarohana kely ve ianareo, mikaroka ny tena vitan’io FID io, ary vola avy aiza daholo no ampiasainy ? Dia iza avy daholo koa ny olona miasa sy mitantana an’io Fikambanana io ?
    Mba tsara ho fantatra ihany ny valiny, sao dia mba miasa ao daholo ireo « fianakaviana » miliônera !!

  18. Ny FID dia manao asa tanamaro na HIMO hitsinjovana ireo sahirana. Anisan’ny asany io. Tsy mahagaga raha nanao izay hahatafidirany ao i hajo satria vola be no miasa ao. ary dia inoako fa mbola any @ sehatra hafa misy bizina ihany ko le jiolahy ambony latabatra io, bizina vola na tany na zavatra sarobidy. ilay tany nampanofainy iny ne maty sur aho fa misy zavatra sarobidy zao ao amban tany ao dia hotrandrahany @ alalan’io orin’asa nampanofainy azy io e. ra tsy izany ve Ar 150000000 fotsiny ny hofany mandritra ny ampolon-taonany maro. jereo ny gazety. ketrika daholo zany. Fa naninona ny budget AGT no anisan’ny betsaka indrindra. satria misy ketrika ao. fetsi-poza io jiolahy ambony latabatra io. mila manao fikarohana isika @ ireo lafin-javatra ireo dia aparitaka. mody mangingina fa mihinanana sy miketrika. tsy manaiky anaovana fitaovana ny hatsembohanay iahay satria izahay secteur priv no anisan’ny mando hetra hampihodinana ny raharaha eto @ firenena. sa volan’ny fianakaviana ko no mody hanaovana asa kely etsy sy eroa. Ra ny volaben’ny VPAGT ve tsy efa toa inona ny zavabita. Mifohaza isika fa mandady ny foza.

  19. HAY LE TV KOLO AN’I HAJO FOZA ORANA E. MILAY KOSA LE MIJERY FOZA MIADY A. OLONA OATR IRENY VE NO MBA ITONDRA FANABEAZANA OAN NY TARANAKA MALAGASY. DE GAGA ELA. MBAY TANY. OLONA TEZAINA HANGALATRA VE? HANAO KOLIKOLY? HO FETSI POZA? DE GAGA ELA. MPIVAROTRA TANINDRAZANA. MPANODIKODIMBOLA. MPANAO VALIVATY. TIA TENA. AONA NO ANANAN LA 60 MILIARA AO ANATIN NY 3 TAONA

  20. nga mijanona ny ketriky ny foza orane e. mitovy @ io ihany. ny halatra ko zao any mande. mila mikaroka sika de amparitaka ny vaovao. Fongory tony foza oran tony fa manimba ny tany.

  21. merci Ratsimilaho.
    So de V iray ko ty. Volana. Specialiste @ fampanantenana volana. Jreo ne ny nanaovany ny canal Andriantany eo Ampefiloha. Aménagement du territoire nefa mody takonana tamboho fotsiny le falo sy rano maloto be. De gaga ela. Zany ve no Président tsy ngamab voatapina daholo ny kiloty sy pataloha ary silipo rovitry ny gasy. Nefa de lazaina fa be vola ndrindra. Maninona zao ra nomena vola reo sahirana nanala ireo fako reo.
    Zao de mila haringana zany.

  22. MAFINARITRA ZANY FIKAROHANA ATAONTSIKA IZANY. MISAOTRA ATSIKA REHETRA.EFA MANOMBOKA TENA FANTATRA IHANY TY HAJO FOZA TY. FA MANINONA MO NO IO VPAGT IO NO BE VOLA NDRINDRA. TSOTRA NY VALINY. SATRI EFA TOMPONY KETRIKA NO MITARIKA AZY. RA VO RESAKA VOLA DE TSY MAINTSY AO HAJO. JEREO KAY CA FID KO LERY.
    APARITAHO NY HAFATRA

  23. tena atakalon’i Hajo terrain Golf ilalaovany sy ny mpanambola mitovy aminy ary ny mpiara-misosy aminy tokoa ev ny tanin’i Oniversité izay lova ho an’ny taranaka malagasy. Tena tsy mendrika, tsy mendrika ny ho malagasy akory ke fisainana. Iza mo no afaka ialalao amin’izany. Tsy izy sy ry andry domelina ary richard rabaomba. tena tsy mendrika ny ho malagasy. mino aho fa misy farany ny zava-drehetra. izany ve ny ho filoham-pirenena tsy ho lasa terrain de golf mbamin’ny pistes aéroport eran’ny madagasika. rehefa avy manala azy manidina @ jet privé izy dia manao golf amin’izay; tsy mendrika ny ho malagasy akory. Aiza ny farany?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *