Randriamamiarizafy Ignace : Mody i Dada dia milamina

Ct ignace

Ct ignaceMiatsaravelantsihy ny frantsay hoy ny Ct Ignace Randriamamiarizafy teny amin’ny Magro Behoririka nilaza fa tsy nanasa ireo izay vato misakana ny fitadiavam-bahaolana eto amin’ny firenena tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay teo iny. Mody milaza izy fa tsy nandeha tany koa ireo be galona Malagasy kanefa galonan’ ny  tafika Malagasy no nanaovan’ny tafika frantsay tao. Tsy fantatra marina hoy ity olomboantendry ity izay tena fahavalo eto. Rajoelina no fahavalo tany am-boalohany , izao indray ny samy mpifahavalo miady amin’ny Sadc, ny Malagasy sasany indray manohatra ny FFKM. Tsy fantatra intsony izay mpiaradia ankehitriny. Nanontany tena ity mpanao politika   hoe ny tena  tomponandraikitra amin’izao korontana izao dia Rajoelina izay hamporisihan’ny frantsay. Rehefa tena nandinika ny raharaham-pirenena ny tenako hoy izy dia misy zavatra roa tsy misy vahaolana eto , dia ny fampihavanan’ny FFKM izay te hiroso amin’ny tena fampihavana nefa ary ambadika misy sakana. Raha nanomboka io ny FFKM hoy izy  dia nanoratra tany amin’-dRajoelina sy ny FFKM ny filoha Tanzaniana namporisika hoe ataovy fa mankato io ny Sadc ary mangataka izahay ny  hanamorana ny fodian’ny filoha Ravalomanana hanatrika ny fivoriana. Ny tsy te hihavana hoy izy  dia nolaviny fodian’I Dada.Gaga ny tena fa misy masoivoho milaza   fa misy kotontana io fampihavanana io. Fa inona ihany no atao eto hoy ny fanotaniana napetrany. Raha jerena dia misy vahiny koa izany ao ambadika ao.Ny tena marina hoy Ignace dia  mody i Dada dia milamina ny raharaha. Misy milaza amin’ny radio fa atao toerana Tarhir  ny eny Andohalo mody hoe hivavaka.  Tsy manana kianja intsony isika hoy izy  fa ny mpitondra teto dia niainga teo amin’ny kianjan’ny 13 May.Ratsiraka na dia tsy teny aza dia misy tantara mifaningotra ihany .Ny filoha Ravalomanana  ihany koa dia teny .Rajoelina  farany teo dia nidina teny amin’nykianajn’ny 13. Ny antony hoy izy  dia tsotra ihany fantany tsara fa raha mbola navelany teo io dia hanongana azy ny olona.Noho izany dia  hankaiza ny olona rehefa hitokona?Manerantany anefa hoy ity mpanao politika ity dia manana toerana avokoa. Ny any Malagasy dia nopotehin-dRajoelina izay  tsy misy antony hanapotehana ny kianjan’ny 13 May fa fahatahorana fa hiverina eo ny gasy hanongana azy. Momba ny fifidianana dia nambarany  mihemotra foana izany. Raha mbola Rajoelina no eo hoy izy dia tsy misy fifidianana eto. Raha tsy diso aho  dia tamin’ny 15 Aprily dia nilaza ny governemanta fa tapitra amin’ny 18 Aprily ny fepotoana fametrahana ny kandidà ho filoham-pirenena. Nivory ny Tvg ka nanolotra ny kandidàny.Ny movansy Ravalomanana dia nanao tamin’ny fomba manetriketrika ny fametrahana ny maha kandidà an’I Neny. Fantany Rajoelina tsara  izany rehefa avy eo izy nandeha tany frantsa ary rehefa tafaverina avy any dia nametraka antsokosoko ny kandidàny. Ny antony hoy Ignace dia mieritreritra Rajoelina fa aleo hirotsaka fa tsy misy afaka hifaninana amin’ny Ramatoa Lalao Ravalomanana raha tsy izy. Ireo mpanolontsaina azy no nilaza tamin’ny hoe apetraho ny anao dia lazaina fa mandika lalàna ianao dia ampiarina amin’io ihany koa  ny an-dRamatoa Lalao Ravalomanana. Raha tena vonona hirotsaka Rajoelina hoy izy  dia napetrany tamin’ny Aprily io fa ny  tena marina dia hanao takalon’aina an-dRamatoa Lalao izy. Rehefa nanontaniana ny Sadc dia nilaza fa mandika lalàna Rajoelina. Ny lalàna gasy ihany no afaka mandrara na hilatsaka na tsia. Lazaina hoy Ignace  fa tsy nipetraka teto enim-bolana Ramatoa Lalao Ravalomanana nefa misy olona hafa ao fa tsy tenenina mihitsy. Asaina manao didy hitsivolana Rajoelina hoe mahazo misintona sy manova ny CES ary avy eo dia lazaina fa tsy mahafeno fepetra Ramatoa Lalao Ravalomanana. Rajoelina hatrany hoy izy no ampiasaina amin’izany.  Raha tena vonona izy dia  dia tsy manaiky io didy hitsivolana io satria izy tenany ihany no hanao sonia io. Efa nomanina tao io ka ho hitantsika eo raha sahy hanala izy na tsia , ampy izay ny fandikana ny tondrozotra hoy ity olomboantendry ity.

4 pensées sur “Randriamamiarizafy Ignace : Mody i Dada dia milamina”

  1. Mafy ity manjo antsika¨!! rava ny firenena, potika i madagasikara, i dada tsy tafody, i neny roahina tsy hilatsaka, i lafrantsa nandresy, isika resy milamina tony hatrany, resy tsy miady hono toa mody tsy resy e! (heverina fa mbola tsy vonona na mbola mandefitra mandra-pa, hay kanosa beuhh isika no tena marina!)
    Vita kabary!!!!!!!!!!

  2. O R i Ignace aza fady Atoa Ignace ,DIA MBOLA HeVERINAO SY IREO MIARA DIA @ NAO FA HO VITAN NY KABARY FOANA VE ITY RAHARAHA ITY.
    RAHA TSY FANTATRAREO FA I RAJOELINA NO SAKANA TSY MAINTSY HALANA AINGANA dia ianareo no mila miala aingana ,fa tsy hita izay hilana anareo .

  3. Rahoviana ny kabary no ho vita ry Ilay a???
    Domelina milaza fotsiny fa MISY FANOHANANA SY TOMPON’ANDRAIKITRA MAVITRIKA
    ao amabdika izay avy ao @ Ankolafy Ra8 tompoko fa aza mody fanina daholo a!!!Zana-baratra angah lany e!!!
    Matoa misy ny faniliana an’i Neny dia mazava fa efa misy MANOME TOKY AO HO ATAOn’i la frantsa saribakoly.

  4. Fa maninona no tsy misy resaka mba fanerena ny SADC mihintsy ny @ fanatanterahana ilay FR e???
    fa toa vao maika zavatra tsy misy hidirany akory izay fantany TSARA NY ANTONY TSY NAHATEO an’i
    NENY FA MODY ADALA DAHOLO IRETO RAJAKOM-BAZAHA .AIZA IZAY Mba FIDRIKINANA NY @’ILAY FANATANTERAHANA ILAY FR???fa ny gena ihany ve no avela hiteny sy arahana satria senegaly mahazo baiko e???zoantsika izany fa ireo no nampanao ilay FR fa
    tsy mody avadika ny resaka @ faniliana an’i Neny.
    Isika ihany io oah!!tsy misy hifaniliana eo fa ny mpitarika no MOAKA efa VOAVIDY dia izao arirarira lava izao ilay resaka dia izay izanyeeeee

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *