RAVELONANOSY MAMY TIANA : Sasatry ny miarina ny FAT

MyDago.com23

MyDago.com23Raha nanamarika isika hoy ny Ct Ravelonanosy Mamy Tiana androany teny amin’ny Magro Behoririka dia izay rafitra nantsangan’ny fat teto dia nidaboka daholo. Ny CES ireny dia ho esorina sahady, ny Govrenemanta, ny chefs d’Etats 34. Sasatry ny miarina ny fat hoy izy . Momba ny dian-dRajoelina any Tanzania dia nambarany fa zavatra roa no mety hitranga. Ny voalohany dia na hitazona ny teny nomeny izy hoe izaho tsy hiala, ny faharoa dia higafy hoe aleo koa Lalao Ravalomanana hiala raha hiala aho. Izay hoy Mamy Tiana no hiantsoana antsika hoe hiditra tolona vaovao isika dia ny fitazonana ny maha ara-dalàna an’i Neny Aza mieritreritra izany fifidianana solombavam-bahoaka sy ny hetsika etsy sy eroa isika fa eto ankianja ihany. Misy mitady hanley tsaho hoy izy ny tolona ataontsika eto noho izany dia tsy miala eto isika. Tamin’ny Sabotsy teo hoy izy dia niezaka  nanao hetsika izay tratra isika, fa amin’ny Sabotsy izao kosa dia tolon’ny vahoaka Malagasy no atao ka hiantsoana antsika any amin’ny faritra. Ny vahoaka Malagasy ihany hoy izy no manan-tsafidy amin’ny fampandaniana an’i Neny. Noho  izany dia hiaraka hitondra am-bavaka eto isika satria efa akaiky ny 31 Jolay fepotoana nomen’ny GIC hanesorana ny maha kandidà an’i Neny. Tsotra ny antsika hoy Mamy Tiana voalohany dia i Neny, faharoa dia I Neny ihany , fahatelo dia i Neny hatrany. Tokana ihany ny fivoahantsika amin’ny krizy dia ny fahazoantsika mitazona ny kandidà Lalao Ravalomanana.

1 pensée sur “RAVELONANOSY MAMY TIANA : Sasatry ny miarina ny FAT”

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *