Ankolafy Ravalomanana : Hidina an-dalam-be ho etsy Ambohijatovo

conf press mouv ra_8 (6)

conf press mouv ra_8 (4)Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety io hariva io tetsy Faravohitra ny Movansy Ravalomanana, nahitana ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, ny filoha lefitry ny CST Razafimanantsoa Hanitra, ny CST Manandafy Rakotonirina, Benja Andriamihanta, Guy Rivo Andrianarisoa,  Satrobory, Mahafaritsy Samuel.

Hidina an-dalam-be ny Ankolafy Ravalomanana manomboka rahampitso Talata 20 Aogositra amin’ny 11 ora ho fanoherana ny fanalana an’i Lalao Ravalomanana tsy ho kandidà. Miantso ny vahoaka tia tanindrazana avy eto an-dRenivohitra ny Ankolafy Ravalomanana mba hampiseho hery amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena  fa tsy rariny ireny fanapahankevitry ny CES ireny. Raha  mihevitra ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa mety ny faniliana ny olona mamim-bahoaka dia tokony tonga dia atolony izay olona tiany ho filoha amin’izay tsy mandany vola hoy i Mamy Rakotoarivelo. Tsy noraharahian’ny CES ny fiarovan-tena nataon’ny Ankolafy ny Sabotsy teo hoy i Mamy Rakotoarivelo. Tena fanapahan-kevitra politika no navoakan’ny CES iny ary toy ny didy navoakan’ny CES teo aloha koa azo atao ny manova izany hoy izy.

25 pensées sur “Ankolafy Ravalomanana : Hidina an-dalam-be ho etsy Ambohijatovo”

  1. Tsara ny midina an-dalambe , tandremo anefa sao tsy vita h@ farany fa izay no tena handrasan’ny frantay dia vita madagasikara sy ny mponina ao aminy

  2. michel dit :
    19 août 2013 à 14 h 53 min
    Mitondra ny vahoaka midina andalambe ireo ministra sy mouvance rehetra tafiditra ao anaty systéme ,na tsisy hilanana anareo intsony…/.

    hevitry i conseiller tao @tiako i Madagasikara.

    ARY AIZA NY MEDIA RADIO SY TELE an ‘ny MOUVANCE ,?????

    Aoka tsy ho taitaitra ry Guy Rivo, Satrobory sns…Araho tsara izao toro-hevitra izao :

    1 – Miala aingana amin’ny rafim-poza rehetra ny movansy Ravalomanana, na be vava tsy mety miala aza Mamy mpamitaka.
    2 – Akatso ny machine administrative
    3 – Midina an-dalambe « 13 mai, Ambohijatovo sns… »
    4 – Esorina ny Foza
    5 – Mametraka tetezamita tena izy

    FA TSY MANAO CONFERENCE DE PRESSE TOA IZAO, MITABATABA MAMPISEHO FA MANAO ZAVATRA NEFA KITOATOA, SATIRA MIARAMILA INDRAY NO EO AMBOHIJATOVO RAHAMPITSO DIA SAMY HIVERINA ANY AN-TRANONY DAHOLO. MBA ASIO FISAINANA KELY RY ZAREO FA AZA MANAONAO FOANA TOA IZAO IANAREO MAIKA NANAO AN’IO CONFERENCE DE PRESSE IO.

  3. Efa ela no niandrasana fivoahana andalambe pacifique loatra isika gasy.
    Io porofo mitohaka @ tenda egypte, mila faizina sy alevina tanteraka i frantsafrika.

  4. Tsy aleo ve aloha aorianan´ny baccalauréat no mano izany fidinana andalam-be fa matiantoka ny zanantsika nianatra sy niandry izao fanadinana izao, ary efa ao anatiny mihitsy r zareo.

    tsy takatro hoe ahona ilay  » vahoaka tia tanindrazana antsoinareo  » efa mampanahy ny hoe tia tanindrazana satria efa betsaka no lasa tia vola fotsiny izao, fa lazao fotsiny hoe. miantso ny vahoaka izay leo krizy sy mahatsapa fa mialy sy sahirana aminízao tetezamitatra izao, miantso ireo vahoaka Mlagasy hifanome tanana, hiaraka hanongana izao didy jadona izao ary hitaky ny demokradia fa tsyhosena amin´ny tany ny safin´ny vahoaka.

  5. Gaga aho hoy ny ganagana fa dia inona ary no andrasana reiolona a ! Toa resa-be fotsiny no mivoaka isan’andro vaky izao. Mahagaga !

  6. raha ny vahoaka mpanaraka an i lalao ravalomanana dia sur fa tsy ho omby na dia analakely iray manontolo aza fa tsy ambohijatovo fotsiny, saingy ny ankamaroan’ireo dia pacifique sy misaina tsara. Tsy ho eny ambohijatovo izy satria efa hita mazava fa robot mahazo baiko ny miaramila miandry eny. Izay extremiste mafàna fo ihany no ho eny ary tsy misy hataon’ny militaire robot indray tànana akory dia hoe levona. ka ny fidirana forcing an’ambohijatovo ve no stratégie mba hitanareo handavana ny décision an’ny CES vaovao ?

  7. MANOHANA 100% ny hevitrao ry Michel sy FNamarihana.

    Ny zavatra hipoitra mantsy eto dia MODY HITONTONA eny dia NY ALIKA MOA EFA VONONA koa
    HANDATSA-DRÁ na aina mihintsy aza mba tsy hisy hiverina intsony dia HANJAVONA ETO INDRAY ILAY TOLONA.
    Ny zavatra tena mampalahelo dia TSY NISY IRAY AKORY MBA NIHERITRERITRA FA MISY IREO MPIANATRA
    MANALA BAC @’IZAO AO DIA HO KOTABAISIKA @’ity HAGEGENA diso TOERANA SY DISO FOTOANA.
    Raha tena nusy ny fanoherana dia ny FOMBA NANOLOANA IREO CES aza dia efa TSY ARA-DALANA koa naninona
    no tsy NOSAKANANA araka ny LÀLANA fa izao vao MODY MODY MANOMĖ LITIKA!!!!!!!,MANKALEO !!!!
    TSY NALEO VE NISOROKA TOA IZAY MITSABO?????TSY AO MIHINTSY ILAY FITIAVAN-TANINDRAZANA fa tssss

  8. …….dia manao ALASAFAY fotsiny sisa fa efa tsy hita intsony izay hanaronana ilay
    FITAVOZAVOZANA sa tSY HAY INTSONY ny ANTONY KOA ALOHA e!!!
    Tsy tokony ho AMBOHIJATOVO IHANY fa ERAKY NY FARITANY indrindra ireo rehetra efa nandalovan’i Neny
    rehetra ireny dia atao laza-masaka @ TV sns fa tsy KONOKONONINA toy izao dia avy eo HANJAVONA HO AZY.

    NY VOKATRA KOA NO ANDRASANAY FA IZAY LAZAINAREO EO TSY HISY HINO NA HANANTENA TSY MISY
    AMINAREO INTSONY EO , koa ALEFA ARY MBA HO HITANAY dia ho FIRY INDRAY NO HOSAMBOTSAMBORINA
    eo indray sy HATAO SORONA satria TSY MATY PAIKA AKORY FA ALASAFAY NO HATAO. FIALANA BALA FOTSINY.

  9. DESOBEISSANCE CIVIQUE , manomboka @ ireo tafiditra tao @ SYTEME.RAY IRETO FARANY NO MIHANTSI VAHOAKA HANAO IZANY .

    LA SEULE SOLUTION POUR SAUVER L ESPOIR DU PEUPLE LE PLUS PAUVRE DU MONDE.

  10. / Fidison de la Mouvance Zafy Albert lance un appel à la Mouvance Ravalomanana de sortir du système.

    Ces Elections Truquées doivent etre torpillées …

  11. DESOBEISSANCE CIVIQUE ,manomboka @ireo tafiditra ao @ systéme ,NY VOTONASANAREO MINISTRA NA CT NA CST DIA NY MANALA AN DRAJOELINA SY NY FITONDRANY « maimbo fanjanahatany ».
    AVY EO IANAREO MIANTSO NY VAHOAKA HANAO IZANY DESOBEISSANCE IZANY .

    RAHA TSY IZAY NO HATAONAREO DIA HO KLASIN NY DIKY IANAREO.

  12. TAIRO NY DESOBEISSANCE DIA HALEO IZY NO MANDROKA ANAREO.

    MILA DESOBEISSANCE MASIAKA NY VAHOAKA R I LAY NANDRA RETO A!

  13. DESOBEISSANCE AVANT DEMISSION R I NANDRAAA!!!!!!!

    tairo nèy vahoaka hanao DESOBEISSANCE IZAO ANKEHITRINY IZAO …

  14. Mampalaelo mitsy ireto zanak’i dada ireto ka….. Efa eo i neny amafa ny ranomaso fa aza mifendrofendro intsony e 😀

  15. …efa henonay koa ilay hoe: » ‘ndana tsenao ny reninareo  » ry yNaina a!!!
    Haiko anie ianao io e!!!mpams mandeha alina aza msy mahita hihihiiiiii
    TONGA @ TANJONAREO NAREO IZAO DIA NY HAKA NY TOERAN’i DADA sy ny RENINAY??????
    tsy maintsy hiseho eny ihany ny marina e!!!samy ho tsarain’ny tantara eto.
    Ary toa tsy nisy tohiny ity RESAKA HETSIKA HONO sa ??????????
    Mba misy afaka manome vao2 farany ve azafady tompoko isany izay manana ny momba ity CINEMA ….

    TSY HAMAFA NY RANOMASONAY NO NAHATONGAVANY FA HAMONJY NY TANINDRAZANA IZAY
    ANJAKAN’ I DEVOLY KA POTIKA SY RAVA2.

  16. ranavalona/ Mahereza ry ise a! Rehefa mamaky ny commentaire-nao rehetra aho dia tsapako fa ianao io mihitsy irony karazan’irony olona tsy dia misaina firy irony fa vava mipentsompentsona fotsiny. Ataoko hoe zanak’i dada a, nefa kianinao daholo izao mpitarika rehetra izao. Atao hoe tia tanindrazana nefa tsy mbola itako hoe inona no hetsika mba efa nataona ho fanehoana an’izany, ankotran’ny mitabataba ato @ forum.
    ………………………
    Tsy azoko mihitsy hoe, fa inona ilay toeran’ny dada sy neninareo e? Ilay tany ao @ magro ve? Aza matahotra fa tsy hisy haka an’io avy ka, afaka mitokona ao foana ianareo mandrapatogan’i dadanareo.

  17. Clap clap ranavalona !
    Fantatrao tsara ny hoe « chassez le naturel », il revient au galop » ; hitanao ihany koa ilay foza taranaka tanalahy izay rehefa dinihina, dia tena biby mahatsiravina !

    Tsara ho fantatry ny rehetra, fa ny foza dia teto foana, nanohana ankolaka olona tsy azo antoka ary tsy valahara mihintsy !

    Tsy nisy tohiny ny resaka « hetsika » hoy ianao ranavalona ??? Tsara azavaina angamba ny resaka !

    Ny fialàna tao amin’io rafitra io moa dia tsy asiana resaka intsony, na dia efa ela aza no naroson’ny rehetra !

    Nisy nizesta fa tokony hanao « hetsika » rehefa tsy natao izany atramin’izay, satria « nahazo toky avy amin’i domelina ary i gista » fa HOMENA halàlana ; kinanjo vao nipoitra dia tonga ny moregy, dia nilefa daholo ireo izay « mody » niseho teny !!

    Dia handeha ny resaka, satria ny Midi M/car moa dia efa nandroso resaka fa hoe ilay « hetsika » no hahitàna ny lanjan’ny movansa ! Raha ny zavatra nitranga izany, dia na ny lalitra izay tohizan’ny sasany hoanin’ny vahoaka aza, mbola mavesatra sy manan-danja kokoa !!!

    Hita tao amin’ny Midi :

    « Le poids de la mouvance Ravalomanana dans l’échiquier politique dépend du succès de la démonstration de force d’aujourd’hui. La communauté internationale en tiendra compte ».
    RAJAOFERA Eugène (La voix de son maitre)

    I Ramatoa Ravalomanana dia tsy nanaiky an’io hetsika izay efa fantatra fa fandrika, kanefa dia nihinian’ny sasany natao niaraka tamin’ny mpanongam-panjakàna ihany !
    Niaraha-nahita sy nihaino ny valiny !

    Iza no nanao sonia niaraka tamin’ilay Péri-Péri, ary iza koa moa ilay niteny hoe hànana ny fahaleovan-tenany amin’izay ny CES vaovao (izay tsy menatra nandray sy nizara vola amin’na miliara) ?

  18. Kintana!
    VOALAZANAO TSARA NY OLONA TOY ITONY MODY MIOVAOVA ANARANA ITONY

    Misaotra lesy a!!azonao tsara hoe: IZA !!!soa fa MITOVY FIJERY DAHOLO NY TENA ZANAK’i DADA ETO
    fa toy itony TANALAHY MPISOLELAKA FOTSINY ,tsy hita hoe ahoana na hanao inona fa toa vao maika
    MAMPIVANDRAVANDRA.

    MISAOTRA BETSAKA @’ILAY HAFATRA FARANY RY yNaina fa tiako be!!!tsy maintsy miseho ihany ity tandroka
    @ farany.
    indrissssss ity toe-tsaina!!!MAHONENA!!!!

  19. Oadray ! Niverina indray i Ra…… marina mafy.
    Ary i Doma angaha lany vanja ry Ra…..Naina ? Kou tsa ho raharahabe ve ny « Applé moi Msé le Présidà » ? Tsy hisy intsony fa vongany sisa no midiridiry ary hiady antrano no hiafaran’ireo kisoa mamoavary : Roindefo, Roland Rasy Iraka sy ny sisa fa de milaza aho izay

  20. Isika rehetra manaratsy ny mpitarika eto, aza misy manaraka azy ireo intsony fa tarito ny anareo @ hevitrareo dia ho hitantsika eo.

    Izahay mihoby rehefa mahomby ianareo.

    Asa fa tsy kabary atao fa aza lany rora sy mandany andro eto @ forum. Haratsiana daholo izao rehetra izao nefa tsisy apôka akory fa mivovo fotsiny eto @ forum.

    Ambarao ho rempoko rendanitra fa tsy manaraka ireo mpitarika movansy tsisy atokona ireo intsony ianareo ary asehoy ny action ataonareo fa aza manao mahery an-tanàna ato anaty forum.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *