Ankolafy Ravalomanana : Tsy maika hanolotra olona ao amin’ny CES

Ankolafy

AnkolafyTsy maika ! “Hatramin’izao aloha, tsy mbola misy dinika ary tsy mbola nandray fanapahan-kevitra amin’ny fanolorana olona ho eo anivon’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana izahay”, hoy ny filoha lefitry ny CTS Hanitra Razafimanantsoa, sady anisan’ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana, androany. Nohamafisiny fa tsy maintsy handray baiko sy toromarika avy amin’ny ankolafy na vondrona politika azy ireo olona hatolotra ary hiaro ny tombontsoany sy ny mety aminy. “Ohatra, toy ny eo anivon’ny governemanta sy ny parlemanta amin’izao fotoana izao… manatanteraka sy mitondra ny hevitry ny ankolafy misy azy ireny. Ho toy izany koa ny CES… Aminay tena fampidirana resaka politika ao amin’ny CES ny fanoloran’ny ankolafy olona ao”, hoy izy. Mbola nanterin’ity anisan’ny lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana ity ihany koa fa ny fianakviambe iraisam-pirenena mihitsy izao no manery ny Malagasy hanitsakitsaka ny lalàna. “Terena hamoaka ny  lisitry ny kandidà vaovao indray ny CS”, hoy ihany izy. Mazava ny an’ny ankolafy Ravalomanana. Ny hitady fomba hijanonan’i Neny amin’ny maha kandidà azy no maha maika azy ireo. “Miankina amin’izany ny ho tohin’ny raharaha”, hoy ihany izy.

6 pensées sur “Ankolafy Ravalomanana : Tsy maika hanolotra olona ao amin’ny CES”

  1. Ary nankaiza daholo ny tsikera teto ry zareo????
    hhhnnnnnnnnn ……….mandady ny trambo eeeeeeeeeeee
    Fanainiana sa ………??????? aleteo lalin-dalina ihany ny FIRENENA fa mbola tsy ampy ô…….

  2. « Tsy maika ny hanolotra satria efa FANTATRA ILAY HO ATOLOTRA FA NY FANOLORANA
    AZY NO SAROTSAROTRA KA VAO HITADY FIKA MILAY HAMAHANANA LALITRA NY VAHOAKA
    INDRAY FA EFA BE IZAY FAMPIESONANA IZAY NANDAITRA FOANA KA METY HO INTY NO FARANY MANARA-
    PENITRA INDRINDRA DIA NY HANDAKANA an’ i RENINAREO LALAO RAVALOMANANA » »

    Aza dia fafana intsony ny tsikerako fa avelao mba hiaraha-mahita eto ilay MARINA e!! misaotra tompoko !!!

  3. Tena marina izany ! Raha ny ara-dalàna sy ny hoe demôkrasia no tadiavina atramin’izay, dia mba tokony avela haneho ny heviny ny rehetra ê !
    Toa tsy hitako intsony koa ny napetrako !

  4. Dė gaaaag eeeelahhhh….?????nanjavona e!!!
    Ny marina tsy dia fiteny matetika fa ny mampalahelo dia
    EFA IZAO VE NY MAHAZO NY FIRENENA DIA MBOLA MAHASAHY MANAO VINANY
    IHANY NY SASANY???SAO DIA MBA TSY METY TOMPOKO Ô!!!mba nandinia ihany tena dia
    mijerė tsara fitaratra e!!!mbola tsy tara tompoko ô!!!rehefa tsy mahatanty tsikera dia MIOVÀ e!!!
    Mba ho an’ny taranaka rė TOMPOKO ISANY ô!!!ny anio anie ho vita e!!!sao lahy hanenenana.
    Ho tsarain’ny tantara eo anie e!!

  5. Nankaiza ny tanteliko teto ô????lan’ny vitsika ô!!
    vitsika in’ ô!!vitsi’ kambo ô!!!……………..

  6. Le Chat:Ratsirahonana
    La Belette:Razanamahasoa
    Le lapin:Rajoelina

    Le premier,faiseur de loi, n’assiste plus aux réunions officielles étant maudit et distancé.
    La deuxième,justicière incapable, se trouve par hasard ministre de la justice étant nulle et non-prévenue.
    Le troisième,se croit au-dessus de la loi, cherche toujours la reconnaissance étant
    incompétent et non-instruit.Et un beau jour…

    Le Chat(s’adressant aux deux autres):Quel est votre rêve le plus cher?
    Le lapin: devenir le président
    Le Chat:Mais tu es déjà le président
    Le lapin:Oui, mais de la transition
    Le Chat:C’est mieux que rien!!!
    La Belette:Être à la garde des sceaux
    Le Chat:Tu y es déjà
    La Belette:mais je ne garde rien (même pas une affaire, c’est le conseil des ministres qui gère tout)
    Le Chat:Les sots ne gardent jamais rien.
    Le Lapin et La belette:Et toi,gros minet, quel est ton rêve le plus cher?
    Le Chat:Dépasser Ranjeva Raymond
    Le Lapin:Que compte-tu faire pour y parvenir?
    Le Chat:demander à Ranjeva si j’en suis capable.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *