Fanendrena ny solontenan’ny mpitsara ao amin’ny CES : nampiaka-peo ny SMM

smm

smmAnisan’ny nalaza tato ato ny mahaksika ny fanovana ny mpikambana eo anivon’ny CES. Efa neken’ny HCC ny volavolan-dalàna momba izany rehefa nandalo teny amin’ny rafitra mpanao lalàna roa tonta izany. Voalaza ao anatin’izany fa tsy azo averina ireo mpitsara mpikambana teo aloha, noho izany dia tsy maintsy hiverina hifidy izay ho solontenany ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara. Araka ny nambaran’ny filohan’ny SMM Andriamatoa Auguste Arnaud dia tsy vaha olana ny fanovana ny rafitra CES. Ny antony hoy izy dia raha hisy didim-pitsarana indray rahampitso dia hiteny indray ve isika hoe akisaka izahay mpitsara namoaka didim-pitsarana ka ilaza sanatria izany hoe delegen’ny fokontany, depiote, no ampidirina ao.Rehefa didim-pitsarana tsy azo ivalozana dia mijanona amin’izay. Tsy vaha olana ihany koa ny fanovana ireo mpitsara tao anatin’io rafitra ka nampidirana olona hafa. Ny didim-pitsarana dia lasa fanapahan-kevitra politika. Ny tena olana hoy izy dia efa nivoka tao anatin’ny lalàm-panorenena isika nanomboka tamin’ny fanekena iny tondrozotra iny , ka izay foana no mitohy ankehitriny ka hanosihosena ny fiandrianan’ny fitsarana. Raha lany teny amin’ny HCC io dia efa nihazakazaka sahady ny tato amin’ny fitsarana izay tao amin’ny fitsarana an-tampony no nikarakara fifidianana Ny an’Ikongo hoy izy dia tsy misy telefaonina ka ho very zo izany ireo namanay any afa tsy ny fitsaran’Ikongo ka tsy faka hilatsaka ho fidiana ho ao amin’ny CES.

3 pensées sur “Fanendrena ny solontenan’ny mpitsara ao amin’ny CES : nampiaka-peo ny SMM”

  1. Mba ataovy matotra ilay tolonareo Zalah fa ten tsy mety a!!
    tairo @’izay fa ela loatra ka ianareo no ho tratra farany eo an!!
    Efa fantatra tompoko fa tsy vahaolana no tadiavina eto fa: FIANTSIANA a!!!FANDETEANA ny firenena tsy
    HIVOAKA, sao mahazo 4l eo daholo ny VAHOAKA MALAGASY ka manjary mitovy tantana daholo ny rehetra
    manjary tsy misy mpijery intsony ireo mpanana 4.4.

    Mba manantena HETSIKA MANARA-PENITRA avy aminareo ny vahoaka tompoko mpitsara ô!!!sao ela fitery
    ronono eeeeee efa PÔTĖPÔTĖKA Nie ny firenena e!!mba avoty RĖ GASIKARA RY MPITSARA Ô!!!!!! mba
    miangavy rė tompoko fa mijaly ny vahoaka eeeeeeee

  2. Ny masoko ve no ?
    nefa ianao Auguste Arnaud mbô hitako photogénique ihany
    fa lasaaaaa toa Mivindina ny tarehy, ary mba niakaran’ny taux choléstérol sao sanatria lanin’ny toaka
    raha atao safo-be-mantsina: toa manaka an-dry Lanto tgv be panda an
    ao raha

    Kay moa zany nareo AO IHANY

    Mangataka re tompoko ô: ilay blabla tsy miantefa tsy arahinareo asa entitra
    reraka izahay an
    Apprenez comment « expédier le juriste fou » là où il devrait être (hopital psychi manarapenitra firantay)
    que ça saute

    Raha mba izao no ataonareo MIPOAKA NY TAKI-BILANY

  3. Ka le Auguste Arnaud ve anaran-gasy sa nanova satria nomen’i frantay nasionaliteny ?
    Hafahafabe le tarehiny, toa miaina la nuit, misoritra @ endriny ny trasin’ny oisiky, Pasitisy ditifry !!!
    Raha mijery ny endrin’izy mianakavy aloha dia tsy ho ela velona ireo, ho todian’ny nataony aby, hilofika tsy ho ela e ! Mba afaka manome ny sarin’i TGV mivady sy ny akolitany 4 ans après ve i Solo Razafy ?
    Misaotra mialoha

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *