FFM : Basin’ariary fito

sylvain-rabotoarison

sylvain-rabotoarisonManoloana ny krizy politika izay mbola tsy voavaha eto amin’ny firenena dia anisan’ny voambolana naverimberin’ireo antoko politika, olon-tsotra ny resaka fampihavanana. Ho an’ingahy Chissano dia nilaza mazava izy fa fifidianana aloha vao fampihavanana, miditra tafahoatra amin’ny tsy tokony hidirany ilay rangahy ity, ny fomba fisainana sy ny soavina Malagasy anefa dia mametra hatrany ny mahazava-dehibe ny fihavanana, izay tsy hain’io  vazaha mainty io velively izany. Koa raha tsy ilaina moa izany ny fampihavanana, nahoana nonasiana andrim-panjakana manokana momba izany  (FFM), izay voasoratra tao anatin’ny tondrozotra ary neken’ny fikambanana iraisam-pirenena sy ny mpanelanelana iraisam-pirenena? Mivoy fotsiny ny hevitry ny Frantsay manilika ny filoha Ravalomanana io tsy mila fihavanana io,  efa nanambara  ireto Frantsay ireto fa vita ny  fifidianana vao mahazo mody ny filoha Ravalomanana, io hevitra io no mahatonga ny Chissano hanamafy hatrany fa tsy mila fampihavanana ny Gasy alohan’ny fifidianana.

FFM sa FFKM ?

Io fampihavanana io no heverin’ny maro fa làlana iray entina hivoahana amin’izao krizy izao.  Ny fomba hanatanterahana izany anefa no olana amin’izao fotoana izao. Nisy ireo rafitra natsangana izay voalaza fa hanao izany fampihavanana izany toy ny Ray amandreny mijoro, ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM), ary ny FFKM. Ho an’ny FFM dia niarahan’ny rehetra nahalala fa nifandrombahana ny nidirana ho mpikambana tao anatin’izany, ary nisy mihitsy aza ny fanaovana kolikoly. Amin’ny maha ray aman-dreny azy izay moa dia noheverina fa ireo zokiolona izay efa nisotro rorono ao anatin’izany. Tombontsoa maro no azon’izy reo mpikambana ao anatin’ny FFM toy ny karama isam-bolana sns. Araka ny fantatra mantsy izao dia tsy voaloa ny karaman’ireo mpikambana ao anatin’ny FFM ireto ka mitaky izany izy ireo. Ho an’ny vahoaka Malagasy raha ny tena marina dia izany mpampihavana izany dia tsy karamaina fa manana fandavan-tena. Ny FFKM izay efa nandray andraikitra hanao izay fampihavanana izay hatramin’ny taona 1991 ka mitohy amin’izao fotoana izao dia tsy nandray karama. Ireo mpizaika mpandray anjara  no nasainy nando vola 300 000Ar. Ankehitriny ny rehetra dia samy milaza fa ny fampihavanana ataon’ny FFKM no vaha olana ivoahana amin’izao krizy izao. Ny FFM anefa dia mitaky vola be kanefa tsy nahavita izay fampihavanana amin’ny samy Malagasy izay. Nisy ny fampihaonana ireo ankolafin-kery izay nataony teny amin’ny CCI Ivato , ka nisian’ny miaramila manao saro-tava niambina ny mpizaika. Tsy nahavaha olana anefa izany fa niala maina tahaka ny takotra. Ny faran’ny teo indray dia anisan’ny niaraka namoaka tamin’ny vaomiera manokana tao amin’ny fitsarana an-tampony namoaka ireo lisitry ny olona tokony hahazo ny famontsoran-keloka ny FFM. Ny zavamisy dia nolavin’ny  minisitry ny fitsarana ny lisitr’ireo manamboninahitra sasan-tsasany ka tsy navela nivoaka ny fonja. Hatreto aloha dia tsy fahombiazana hatrany ny asa nataon’izy ireo mahakasika ity fampihavanana ity. Basin’ ariary fito izany ny FFM ka sady tsy takatry ny mahantra no tsy tian’ny mpanankarena. Aleon’ireto FFM ireto tokoa mantsy very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola.

7 pensées sur “FFM : Basin’ariary fito”

  1. Sady tsy hiira ve no tsy hanO tsianjery???
    Raha vao ilay Takolaka sy saoka toy izao no mandeha aloha dia efa …..tsa mamely e!!,
    Dia mba inona hono no nataondry zareo FFM izany no dia mahasahy mitaky vol ry zalah???
    dė gg elah!!!!dia ny tena no menatsa!!mba ray aman-dreny ve izany???

  2. Na FFM na FFKM na izay anarana nentiny vondrona samihafa misy, na mbola hisy dia tsy lasa alavitra fa renindozatra foana ihany no handrava izany satria ny hanjanaka hatrany any Madgasikara no efa nomasohan-dry zareo hatr@ taonjato firy izay ka mbola ho firy manaraka!
    Ny mpandrava samihafa ny gena na arabo na vozongo na gasy voavidy ary hatrany @ ONU sy C.I no ampiasain’io renindozatra io fa ry zareo miafina ambadika sy be « pli vava »
    Tsy vitany malagasy irery ny nanohitra, jereo fotsiny ny niantra t@ 1947 ary mbola tsy ho vitany koa izao 2013 satria tena rombotra lafrantsa renindozatra fa krizy daholo izay hihodinany ka tsy tia hizara ny haremben’i Madagsikara @ firenena afa, izay krizy koa ka tia hangalatra « bôjo » satria mihesona be anaty fampianarany FFKM ny tompony harena e!!!!
    Izoa ilay fiteniny sasany hoe  » Aza mba….ihany an »!

  3. AOKA IZAY NY RESABE :
    HOMEO NY LALANA MANDEHA @ DESOBEISSANCE SY AMBANY RAJOELINA.

    ity miandry ces 3 ity dia dia kilalaon ny foza ,ARY HO LASA TAHAKAN NY REFERENDUM 2010 NY foza ,izay tsy fantatra ny marina @ na nakatoavin ny mouvance na tsia .

  4. Ces candidats qui ont porté plainte contre les ca,didats validés par la première ces n’ont-ils pas été motivés par le simple faut de voir diminuer le nombre de leurs concurrents , qui plus est ,les surpassent de très loin sur le plan de la notoriété..Ce motif n’est pas juridique et leur plainte n’aurait pas due être recevable , car relève du droit de la chose jugée.
    Lè-dessus , il existe une grande gêne morale , sociétale et ceci ressemble à s’y méprendre à de la pure mesquinerie !
    Les candidats invalidés peuvent aussi portés plainte en invoquant le non respect l’article 21 du droit de l’Homme et du Citoyen qui stipule que ::
    -que tout citoyen a le droit de participer (se porter candidat ou candidate ) aux électins ) à la gestion des affaires deson Pays
    -que tout citoyen peut élire le candidat ou la candidate qu’il ou elle estime capable de gérer les affaires du Pays
    Tous les Malgaches peuvent et doivent porter plainte auprès de la ces pourfaire respecter l’article 21 du Droit de l’homme et du Citoyen
    Nous devons pas accepter ce diktat ,qui est nul et non avenu

  5. Anontanio kotovelo fa izy no mpanao kisonia any Michel a!!
    Araka ny fantatra aloha dia:ny iraisam-pirenena nandà ,ary tsy iny fifidianana iny ihany
    fa ny fanonganam-panjakana mihintsy ,fa ny MPANAO KISONIA MANAIKY dia mba manaraka
    koa ry zareo ao @ Iraisam-pirenena, ry zareo koa aza mba fanina koh!!!
     » mety amintsika » hono izao e!! na hoe  » isika anie mandefitra foana e! » dia izao fanitsahana an-
    tampon-doha izao no hita.
    Dia avela koa ilay GENA RATSY INY HANAO IZAY TIANY HATAO i Chissano io.
    Ny GENA ihany no mana-gena olona anie ry zareo e!!

  6. Fa ny foza mafy ady anie tsy mahafantatra fa efa mandray vola be i Chissan’alika mamoaka anireny fanambarana ireny e! Ny foza fatsora mpanao pôlitika no tena mahafantatra satria io no antopivelomany.
    109 no vosazy tsy hita izay apoakan’i Chissan’alika! na ny Farantay miseho ho mpanaradalàna aza mbola lasa manampy an’i TGvongatay olona vosazy!
    AIZA IANAO RAMALAGASY???

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *