Filoha Ravalomanana Marc : tsy hanaiky lembenana amin’io fifidianana isika

dada_New2

dada_New2Niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina androany tetsy amin’ny Magro Behoririka ny filoha Ravalomanana Marc. Samy liana ny rehetra nihaino ny hafatra nampitaina teny an-toerana. Nambarany fa azoko sary an-tsaina hoy izy ny tebibety sy ny alahelo mahazo antsika mianakavy, satria nivoaka tampoka, tsy nampoizina ny didy aman-dalàna nataon’ny sasany. Ao anatin’ny tebiteby ny vahoaka Malagasy. Tsy mora hoy izy ny toerana mahazo ny vahoaka Malagasy. Ny 91%n’ny vahoaka Malagasy dia mahita sy milaza fa diso làlana tanteraka ary mandeha amin’ny tsy izy ny fitantanana raharaham-pirenena.Manampy trotraka izany ny fitsabahana sy ny fanaovana tsinotsinona ny fiandrianampirenena ataon’ny vahiny. Mahatratra eo amin’ny 72%n’ny malagassy hoy ny filoha Ravalomanana Marc no mahatsapa fa atao tsinontsinona ny maha Malagasy ny Malagasy. Ny vahiny avy aty ivelany no manome baiko ary maniraka olona hanao tsindry hazo lenan manararaotra ny fahasahiranana , indrindra mitondra ny irak’ireo firenena mitady ny tomboantsoany manokana. Ka mamily ny safidin’ny vahoaka. Misaotra an’Andriamanitra sy ny vahoaka Malagasy ny tenako hoy izy fa mbola misy ny vahoaka tsy manaiky ny tsindry hazo lena sy mizana tsindrian’ila, fa indrindra fiarovana ny hasina maha Malagasy , Tena misy 72 %n’ny vahoaka Malagasy ankehitriny dia milaza fa tena tsy izy intsony izao ataon’ny vahiny izao, tsy izy rehetra akory satria tsy mitovy hevitra izy ireo. Amin’izao fotoana izao hoy izy dia milaza amin’ireo aho hoe mba tsy rariny loatra ny teny midina ataonareo manilikilika ary tsy manaja ny tondrozotra izay nifanarahana. Tampotampoka teo hoy izy dia nilaza vonona hihaona amiko izy amin’ny herinandro ambony io. Miezaka hatrany aho hoy izy ny mitady ary manao izay tratran’ny hery hamerenana an’I Madagasikara ao anatin’ny tany tan-dalàna, mba ao anatin’ny fanajana ny mahaolombelona.

Ny firaisankinantsika Malagasy hoy izy , ny fijoroantsika no tena zavatra ilaina. Diso hevitra dia diso hevitra ny milaza fa hoe ny fahantran’ny Malagasy no hanararaotan’ny sasany izao. Ahitsiko izay teny izay hoy izy noho ny fananan’ny Malagasy harena tsy toko tsy foroahana, petrole sy vato aty amintsika no mahatonga ny sasany hanao izao tsindry hazo lena izao. Noho ny harenan’ny vahoaka no mahatonga ny sasany hanao ny fizarazarana ny Malagasy. Samia ianareo hoy izy mandinika tsara satria lany andro isika raha isika samy Malagasy no miady eto. Ny tombontsoa lehibe hananantsika dia mitady hanjakan’ny sasany fotsiny. Vao tamin’ity herinandro ity hoy izy ny filoha Mozambikana nilaza fa nahita gaz tany amin’ny lakandranon’I Mozambika. Tsyhanaiky izany mihitsy aho hoy izy ary averiko eto indray fa nya ndro sisa iainako dia hanasoavako ny Malagasy. Rehefa manohana ny filoha Ravalomanana hoy izy, ka mijery ny sezan’ny eo dia tsy manohana ahy izy izay. Raha manohana ahy ianao dia tohano ny vahoaka Malagasy.Mila mijoro isika ary tsy hanaiky lembenana amin’ny ataon’ny sasany fitaovana eo.

Alaivo sary antsaina hoy izy hoe 1% n’ny Malagasy no mananana tomboantsoa amin’izao fitondrana misy izao. Mananaraotra amin’izao fisavoritaha politika izao hoy izy ny vahiny sasany mba handrobana ny fananana, mba hanaovana tsinontsinona ny maha Malagasy ny maha Malagasy. Etsy andanin’izany ihany koa hoy izy dia ny mpitondra tsy mandeha amin’ny lanoniny ny fitantanana misy. Tsy misy firenena eto ambonin’ny tany hoy izy ka olona avy aty ivelany no hilaza hoe esory ity andrimpanjakana ity dia esorina. Mahamenatra izany hoy izy ary tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany. Aza adinonareo hoy izy fa iray hetsy ny mponina any Seychelle amin’ireo nosy manodidina ireo, isika nefa 22 tapitrisa. Manainga ny hambom-pon’ny Malagasy rehetra aho hoy izy na tia ahy na tsy tia ahy, na manohana na tsy manohana ahy mba mijoro amin’ny maha Malagasy anao. Ianareo mpitsara mitsara amin’ny mahampitsara marina. Voazalan’ny baiboly hoy izy hoe ianareo mpitsara aoka hitsara amin’ny fahamarinana, manan-janaka sy taranaka ianareo, manana firenena ianareo. Raha nisy ny fanapahan-kevitra hoy izy dia nisy didy nivoaka ary nazava tsar any didy nivoaka tamin’ny 3 May fa tsy azo ivalozana. Nahoana indray no azo ivalozana amin’izao fotoana izao rehefa navoakan’ny HCC. Samy manao izay saim-pantany hoy izy ka araraotin’ny sasany izany tsy fitoviankevitra izany. Izahay ato amin’ny movansy Ravalomanana hoy izy dia tsy matahotra ny fifidianana hiseho eo fa na iza na iza tohananay movansy Ravalomanana dia any foana. Ny tena tadiavinay marina hoy izy dia fitsarana marina fa aoka tsy hanaiky izay tombontsoa any ambadika any.Mampiteny ny moana hoy izy ny hoe misy didy tsy azo ivalozana, misy ny didy azo ivalozana.

Diso be ny filazana fa isika zanak’I dada no tsy te hilamina fa isika Malagasy maika dia maika hamerina ny filaminana ao anatin’ny ara-dalàna ary indrindra ao anatin’ny fifankatiavana, fa ny firaisankina no zavadeibe. Aza avela hanjaka ao anatintsika ny fankahalana olona hoy izy. Efa sangy mihoatra ny loha ity , fa ny vahiny avy ivelany no mitsabaka. Ho avy aho hoy izy hiresaka amin-dry zareo hoe maninona ianareo no manao izany amin’ny Malagasy, fa maninona ianareo Sadc raha manao izany amin’ny firenena 14. Tsy hamelantsika Malagasy na iza na iza ho lany eo hoy izy ka tsy ao anatin’ny tsy fahalalahana, mangaraharaha, ary mandray anjara ny rehetra. Izao ny hafatra omeko anareo rehetra na any ivelany na eto an-kianja, ny toromarika omeko avy aty arahana satria misy dia misy tokoa ny zavatra tsy fantatrareo any Madagasikara. Misy fivoriana izay ataony aty hoy izy ary tsy hanaiky lembenana amin’io fifidianana io aho ary milaza ihany koa aho hoe izahay tsy matahotra fifidianana, fa aleo fifidianana malalaka hahafahan’ny olona misafidy malalaka hitondra azy. Raha tsy miray hina sy mifanja isika hoy izy dia tsy tafaverina ny filaminana aty Madagasikara. Inareo mpanao gazety hoy izy dia aza faly fotsiny amin’ny tomboantsoa amin’ny vidin’ny gazety ianareo fa milaza ny marina ary tezao ny vahoaka. Manana faharetana hoy izy fa omeko anareo ny valiny amin’ny herinandro ho avy io. Aza matahotra izay fampitahorana etsy sy eroa, manana fanantenana, tsy maintsy mijoro isika miaro ny fananana sy ny firenena. Momba ny FFKM dia nambarany fa miantso anareo FFKM ary manohana 100% izahay , tohizo ny fampihavanana.

31 pensées sur “Filoha Ravalomanana Marc : tsy hanaiky lembenana amin’io fifidianana isika”

  1. Misaotra dada niantso, saingy tena tsy misy afatsy ny andraso andraso sisa isika ity, izay sisa no azo atao angamba fa tena kofona ny mpitolona.

    Hihaona @ndry chissano sy ny mpikambana ao @ sadc ianao @ herinandro. Io efa firan’ny rehetra io ianao sy ny mpitolona dia mbola hino ny resaka fampandriana adrisa ataon’ireo aminao ao ihany ve ianao ? Ny lamasinina efa mirifatra fa dia mody hiresaka aminao ao ireo handrebirebena sisa fa efa vita ny paikany rehetra.

    Ny tena solution ry dada omena fa tena andraso andraso lava efa 4 taona sy tapany ange izy ity e! Maro no hilaza hoe herindro ve tsy ho andrinay: Marina izany saingy izahay efa mahita mialoa be izao fa resaka tsy hitondra ho aiza intsony izany ho ataony aminao izany satria efa mazava be daholo izao ny zavamisy ka tsy hita intsony izay mbola hampiova hevitra azy ireo tampoka eo indray hanoloana anao ao anaty efitra ao?????

    Miandry top sisa ny tena mpitolona fa sao dia atoandro faka ronono ry dada ka hilaozan’ny omby miahaka a!!!

    Tsy mino intsony izahay na dia ho tenenina aza hoe minoa fotsiny ihany hoe hiova hevitra hamerina an’i neny ao anaty lisitra tampoka eo ireo satria matikenamaso eo anoloanao na koa hoe norahonanao na koa hoe resinao lahatra tampoka tao anaty efitra tao!!!!!!

  2. Aina ity hoy i Rainimanonja, efa lafo ambongadiny i Madagasikara, passifs loatra sady pacifique ny malagasy.

    Malahelo anao aho ry fireneko. Ny azoko atao angamba dia manao tsara ny ny asako ary manabe sy mampianatra ny zanako mba tsy ho mora ambakaina toa ireo ray andreny taloha sy ankehitriny.

  3. RAVALOMANANA OU PAS ,il y a des principes à respecter ,l’honneur à rétablir ,la souveraineté à recouvrer .
    Tena misy fahatarana ny fahadisona ny fitondrana ny hetsika hamerenana ny aradalana ,nottazoana ny frantsay sy ny tariny dia izao mipritaka izao .
    NO HALEMEN NY FRANTSAY NY HERINAO atoa
    Ravalomanana teo @ international ,ianao no nifandanja t@ Diplomsia Frantsay ,RESY VE IANAO ? nohalemen ny FRANTSAY ny vahoaka @ fampitarozahana ny krizy ..
    AIZA ISIKA ..
    MANGATAKA AN I Atoa isany Zafy sy Ratsiraka Hilaza hanao antso

  4. Ratsirakasy zafy dia mitovy sy complisin’ny lavanify, samy saribakolin’ny frantsay ary samy mahafantatra fa tsy haharesy mouvance ra8 @ fifidianana ary koa vita ary tsy hita intsony vao migadona eto madagasikara Ra8.

    Izaho aloha dia nahatoky anao fona ry dadafa kosa tadidio fa ny rayamandreny tena tia tsy mahatanty ny zanany sy ny vahoaka mijaly sy zanahana toy izay nianjady ny malagasy nandritra ny 4 taona mahery izay.
    Complice enao ary ny halemenao sy ny fatahoranao rà mandriaka , ny fanaovanao tsinotsinona ny olona sy ny egocentrismenao,…, no nahatonga izao.Tsy mendrika itondra fanjakana ianao. Toy ny sarimbavy dia nitsaoka nefa ny olona sy mpomba anao vonona ary vonona hiady amin’ny MPANJANAKA IZAY NY FRANTSAY sy ny saribakoliny.

    Tadidio tsara lay nitsoahanao mangina avy ao ambohitsirohitra ilay mpaminany nangataka ny hiaona taminao satria nisy hafatra hoanao , nefa dia napetrakao ary nijery anao niditra ny fiaranao ary nilaozanao!!!!

    Niteny izy taorinan’iny hoe  » TOY NY NITSOAHANAO MANGINA NY IRAK’ANDRIAMANITRA INY NY FIALANAO EO AMIN FITONDRANA ».
    iNO TOKOA???
    Midika hatrin’ny nitsoahanao mangina, fa tsy olona mpitondra enao , ekeo fa tsy nahavita enao dia aza rebirebena intsony ny olona nanaja sy nitia anao.
    Tsy mbola nisy tany na firenena teto an-tany , tsy nanao revolution sy nisy niady hoany fahafahany tamin’ny alalan’ny Kabary sy fampiesonana.
    Ny vahoakan’Israely tao anaty jadona sy nodidinin’ny Palestinianina nandritra ny fotoana naharitra (absaloma) dia nandray fiadiana ary nitolona ary niaraka tamin’andriamanitra dia naharesy.
    Lainga ny hoe miandrasa eo ary minoa fotsiny ihany.

    Toy ny ray enao nefa diso fanatenana aho ary tsy izaho irery, mendrika anao ny any afrika atsimo ary avelao ny olona hiady hoan’ny taranany fa aza sakanana.

  5. Aza tara loatra ianao fa ny fotoana manakaiky hampafataro @ ireo sadc coi ue fa n’inona n’nona sakana ianao ny tiam-bahoaka ka izay olona toloranao ny handresy sanatria tsy ireo mpanongam-panjakana napitondra faisana ny vahoaka efa taona no hiverina eo tsy lany olo manga ny malagasy fa miandry izay teneninao dia raikitra ny fandresena

  6. Teo @ fitondrana ny filoha lanim-bahoaka dia tsy nisy nahatakatra ny fomba fijeriny sy fiasany ka namela azy ho irery dia notatazany fandrika maimbo nataony renindozatra lafrantsa izy.
    Izay 4 taona mbola nanimpy ny fotokeviny @ fitiavany ny tanindrazany izy ary hatrizao.
    Indrisy izay 4 taona izay mbola mihesona be foana ihany ny malagasy anaty Revy lombotry ny frantsay: tsy tia handroso hanapaka tadi-poitra @ renindozatra ary tsy hihetsika fa hitaraina foana.
    O re olona e: tsy vitan’i M.Ravalomanana sy ny vadiny irery ny tolona tompoko ô.
    Mba niandry fijoroany olona an-toerana na ivelany izy, vonona hiara hiasa aminy fa tsy toa ireo donga isany sady mitonona ho mpitolona no miara miasa @ domelina. Fahaizana afakely hanaovana tolona dia tsy misy toy izany!
    Dia ny filoha M.Ravalomanana foana ihany ve no tokony hanome tanana antsika sa isika vahoaka kosa no tokony hihetsika hanakatra ny tanantsika koa, mba ho mafy ny fifandraisan-tanana sy ny fiarahan-dia e?
    Ankoatry ny resabe @ serasera, nisy hezaka ve izay 4 taona ?
    Sao lahy hihantra aman’ainy filoha izao fitakiana aminy izao: inona no antoka avy amintsika fa ahavita hiaro azy na dia 5′ eo Ivato fotsiny aza ?
    Ny tohiny aleo tsy hanontaniana akory raha izay 4 taona no jerena.

  7. Ho an’i Rakotozafy Mirana,raha momban’i Zafy no lazainao hoe miaraka amin’ny mpanjanaka dia diso ianao satria efa ela izy no tsy tia ny mpanjanaka ary tsy tian’ny mpanjanaka koa.Izy no hany irery nanao sit-in teny amin’ny masoivoho vozongo sy nanao hetsika maro indrindra tamin’ireo ankolafy telo ireo ka aoka re hanana tadidy tsara isika.
    Raha ny momban’i Ratsiraka dia efa nodakan’ny mpanjanaka koa ireny saingy izy moa nahavita zava-dratsy maro ka azoko ny alahelonao.
    Momban’i Ravalomanana,dia ao amin’ny baiboly ny minoa fotsiny ihany.
    Faharoa tadidio fa na iza na iza tratran’ny vavam-basy ka raim-pianakaviana dia mieritreritra indroa fa manaiky ny ho vonoina.Tany Roma tompoko dia rehefa saika hanafika an’io Tanàna manan-tantara i Attila ilay lehiben’ny miaramila torka dia tsy nanantanteraka ny fikasany voalohany rehefa niditra ny tanàna ka naheno ankizy maro nihira ny tononkalon’i Davida tamin’ny fomba niredona sy nampiventso ny fo.Efa rava ny fanjakana romana tamin’izay ka na ny miaramila aza dia efa tsy nivonona ny hiady intsony ary izay sisa fomba nananan’ny romana hampitony ny fon’i Attila.Dia niverina nody izy avy eo.
    Fahatelo, tsy ny testamenta taloha ihany ny baiboly fa ny testamenta vaovao koa.
    Fahefatra zara aza tsy nisy rà nandriaka fanampiny fa saika ady an-trano no niafarany.Tsy ampy anao angaha ireo rehetra maty tamin’ny 26 janoary sy 7 febroary ka tokony ho ampiana ary ny tolona tompoko dia sady an’ny lahy no an’ny vavy.
    Betsaka ny zavatra vitan’i Ravalomanana ary eritrereto hoe:raha maty tamin’ireny izy dia iza no nahasolo azy teo,izao izy mbola velona dia mbola misy ny fanantenana.
    Ary tsetsatsetsa tsiaritra ihany, inona no nataonao hamahana izao olana izao??

  8. Aparitho ho re-tany ren-danitra fa voafintina ao anantin’io voalazan’ i Ravalomanana io ny zava-drehetra.
    Tsy nisy nanampo izao fihodin-javatra izao.
    Resy ivelany fa tsy resy anaty ny Malagasy.
    Ny marina anie tsy maharesy foana eo no ho eo rehefa dinihina ny fianana nefa kosa tsy mba maty.
    Mahereza daholo.

  9. valiny hoan’Ratsimilaho,

    Samy manana ny heviny isika ary izaho tsy hifanditra aminao.
    Nanontany ahy enao hoe ino no mba nataoko? be noho ny mety ao anaty eritreritrao!!!
    fahiny aho niara nilalao tam zanaky ra8 ary mbola nisy izany na tsy teo amin prezi tsony izy!!!
    Mba nisy ny zavatra niseho tsy fantatrao ka zay no nahatonga ahy nanao ny post eo ambony io.
    tsy ra8 irery no hafaka omena tsiny, fa ny gasy no peuple kanosa indrindra eto antany ary fantatry ny frantay sy ny mpanjanaka izany.
    Ny gasy dia napiadiana sy mora avadika noho ny vola sy harena, tia rendrarendra sy sehseho nefa tsy mahazaka mahita gasy hafa tafita ary HORY HAVA-MANANA.
    Tsy mieritreritre ny lavitra fa ny anio ary zatra notolorana sy faly mahazo kely na be anio de mipetraka.
    Zay tsinona no nitaizana azy nandritra ny naha colonie azy.
    Firy ny be antitra no mbola sahy milaza amin’izao hoe takizay ihany mbola zanatany!!!???
    Ampy azy ireo lay manao hoe OUI MISIé! De zaraina ration kapoka vary1 na 2 isantokatrano hoanina herinandro!!! d ts y mila misahirana,…, TSY MAHAGAGA RAHA ATAON’OLO MPIASA SY SARIBAKOLY DIA FALY.
    Zany no notohizan DRADIDI nandritra ny 24 taona dia mbola niaritra sy faly ihany.
    Tonga ny mba olo nitondra fivoarana sy nainga lasa dragona taty @ oseana indiana gasikara ary raha teto ny sommet UA sy OIF t@ 2009 sy 2010 dia tsy nisy naharesy tsony ny fvoaran’ny gasy sy gasikara.

    Indrisy fa vao mahita basy sy krimozena dia mitsoka sy mifitsaka, kanosa tsinona koa!!!
    dia efa hita izao fa mpanao politika maloto daholo ny misy amin’izao fotoana izao. Raha misy ve ireo tsy ho 2000 isa??? Raha 200 roanjato amin’ireo no tsarain’ny vahoaka ara-bakiteny ary atao DINA toy ny fahiny FA TSY MIADY ANTRANO!!!
    dia ilamina MADAGASIKARA.
    RAHA MBOLA HOENTIN-RA8 sy ny gasy amin’ny ady pasifika izany io tsy hisy vokany izany.
    Marina ny anao hoe : raha maty teo izy ‘ iza no ianteherana???
    Afaka milaza aminao aho fa tsy misy herinandro dia vita daolo ny mpanao ratsy eto Gasikara sy ny ady politika raha samy mandray ny tandrify azy ny OLO-MANATSAINA SY SALAMA ERITRERITRA ARY MPITARIKA IRAY!!!
    Saingy indrisy, minoa fotsiny ihany!!!
    Mankasitraka sy salama jiaby.

  10. Mbola hoan Dratsimilaho,
    hoy ianao hoe diso aho fa Zafy dia miady @ mpanjanaka???
    hahaha, izy no nanampy an’i lavanify nanongana an-dra8 nanomboka tao Besarety.Zafy tsy tia ambaniaandro na Merina ( ny anaran’ny alikany dia merina!!!)
    Manontania olo hoe izy no ati-doa nandoro ny Rova Manjakamiadana???
    Mba dinio tsara ny zavatra sy fihetsika nataon’ny Zafy hatram 2009, dia isao ny isan’ny fihaonana nataony niaraka t@ lavanify??? di a jereo fona ny tranga sy seho taorinan’ireo fihaonana ireo!!!
    Zafy tsy mahay politika ary tsy manana lozika mijery lavitra fa manao efe-danonce fotsiny ary fantatry ny Vazaha izany. Izay no tsy ivakian’izy ireo azy ary mahatezitra aningahy PROFESORA!!!ary mahatonga ny complexe d’inférioriteany. (miala tsiny @ tenimbozongo)

    Faha2: Ny baiboly sy ny fivavahana tsy mbola nahalavorary firenena izany. Ny finoana no fototry ny ady rehetra misy eto an-tany hatrizay ka mandrakizao ary mandrakizay.
    Ny silamo milaza fa ny azy no marina sy mety!!!
    Ny Katolika Toandry OMAR sy ny EKAR KATOLIKA izay miroborobo be tato anaty 4 taona sy tapany, JEREO NY TRANOBE VITANY ERAN’NY MADAGASIKARA, na ny eto andrenivohitra fotsiny aza!?!? Ireo tranobe ao Ambanidia, vola avy aiza??? Ambohipo, Ivandry sns tsy hovoatanisa…, mafia be ireo ary miray tsikombakomba amini lavanify sy ny frantay.

    HOY NY VAZAHA HOE »Madagascar est un jardin d’Eden! »
    Marina ny azy, mbola nijanona taraiky sy tsy mivaotra toy ny jurasik park Madagasikara sy ny zavaboahary eo amboniny sy anatiny ka ZANAHAN’NY HAFA SY APIESONIN’NY VAHINY ARY HARARAOTINY ANGALARINA DAOLO NY HARENA MISY ETO MADAGASIKARA.
    AMEN HOY NY MPAMPIESONA NY MPINO!!!

  11. Aoka tsy hifampitifitra samy malagasy isika. Na dia i Andry Rajoelina aza tsy fantany fa io zavatra ataony io dia mihazakazaka any amin’ny fahafatesana. Tsy mbola nisy mpamadika tsara fiafara teto ambonin’ity tany ity hatramin’ny naha-tany ny tany.
    Aoka hiray hina isika hanohitra ireo firantay ireo fa ireo no fahavalo voalohany.
    Misy ny milaza fa ilaina ny midina an-dalambe. Tsara izay ary tokony hatao.
    Misy ny milaza fa ilaina ny manao greve générale. Tsara izany ary tokony hatao.
    Misy ny milaza fa roahina ireo firantay ireo. Tsara izany ary tokony hatao.
    Misy ny milaza fa tokony hanao fifampihavanana. Tsara izany ary tokony hatao.
    ….
    Be ireo zavatra tokony hatao. Raiso ny andraikitra tandrify anao fa raha tsy izany dia afaka 20 taona dia tsy misy an’izany Madagasikara izany intsony eto ambonin’ity tany ity.
    Fotoana hioirana izao fa tsy hifandramatana.
    Mitohy ny tolona. Masina ny tanindrazana.

  12. Miarakan-kevitre @ Samoela ny aty. Efa namidin’i Lavanify t@ vozongo ny tanindrazana, na handresy aza isika vahoaka tôt ou tard dia ainabe vao hahatafarina ny DÉGÂTS.
    Raha ny marina dia aleo manao stragezia, mody tsy miteny fa hivarina any Ampahamarinana ho azy ireo GAIGY ireo.
    Mahavoaozona ange izany mivarotra LOVA izany na ao anatin’ny fianakaviana aza e ! Koa maika fa TANINDRAZA, FIRENENA iray manontolo ??? Tsy an’i Lavanify sy Ratsy irery ny firenena ka ahoana no izy ireo irery no mandidy manapaka ? Mitango ny vola vidin’ny haren’ny malagasy. Tssss !

  13. Hoan’i Rakotozafy Mirana
    Voalohany izaho dia nanao fiofanana miaramila ary milaza aminao fa rehefa voatifitry ny basy na jenjina ny lakrimozena dia mijafajafa mihintsy.
    Faharoa dia fantatry ny raiko tsara i Zafy Albert izay nisy fotoana niara-niasa taminy.Tsy ny merina no tsy tiany fa ny merina manavakavaka.Ary io misimisy ao amintsika.
    Fahatelo dia kanosa ny gasy hoy ianao fa inona daholo ireny 1972,1991,2002,2009 ankoatran’ireo nataon’ny tia tanindrazana tamin’ny 1912,1947,1929 ary raha kanosa ve ny malagasy naninona no nantsoin’ny frantsay hiady natao lohalaharana mihintsy tamin’ireny ady tany indochine ireny? Fa naninona raha izy niseho mafy sy tsy kanosa no tsy naharesy ny viet-namiana?.Ny tolona tsy vitan’ny hoe:maharesy foana na eo ny eo.
    Ny finoana no fototry ny ady hoy ianao;amiko ny tany no tena fototry ny ady.Ary ny baiboly no nataon’ny firenena skandinavy ohatra namolavolana lalàna tany amin-dry zareo dia nanaraka ny erôpa andrefana rehetra taty aoriana.Mbola ny finoana loterana ihany koa no anisan’ny nentin’ny norveziana tany amintsika,manomboka tany antsirabe ka hatrany faradofay mba nanamafisana ny firaisan-kina teo amin’ny Malagasy.Mbola ny finoana kristianina no nahatonga ny nosy maro any pasifika niala tamin’ny cannibalisme taty aoriana.
    Ary farany tsy ny finoana no ratsy fa ireo milaza azy ho mpitondra sasany no mamalan-kira toy i Andriamanajato Richard,Ramino Paul na i Peri.Tsy hoe rehefa roa na telo no ratsy dia ny daholo be no fositra.
    Mbola betsaka koa ny zavatra tsy fantatrao!

  14.  » Rehefa manohana ny filoha Ravalomanana hoy izy, ka mijery ny sezan’ny eo dia tsy manohana ahy izy izay. Raha manohana ahy ianao dia tohano ny vahoaka Malagasy »

    Tsotra ny resaka esoriy i Mamy Rakotoarivelo sy i Pierrot Botozaza, dia amboary ny birao mpitantana ny ankolavy, ajanony any izany teny hoe « movansy » izany fa fitenin’ny olona voazanak’i Lafrantsa. ny teny Malagasy dia mazava sady maro no milaza hoe ANKOLAFY, na FIEREHANA.
    Tsy kivy ny vahoaka fa aorianan’ny filoha Marc Ravalomanana ary tsy ekena io fifidianana ataon’ny frsntsay io.

  15. Lalaovin-dry zalahy daholo anie na ny Jirama aza e: ho tapahina fotsin ny jiro na tsy hisy orana aza amin’izany volana oktobra izany, de tsetsemana ny sofina @ hoe: FANISAM-BATO MANARA-PENITRA

    Izay filoha talohanao kely ati-doha variana manisy sira be amin’angidina maivana, zarazarain’ny firenena ivelany hanjakany

    Anontaniana i LaFrantsa t@ nipoitra ny coup d’etat fa : effet merina contre merina no nampifandrafesina hoy ny akamaroan’ny olona

    Ianao andriamatoa FILOHA no nahalala fa MANANKARENA ITY NOSY MALALANTSIKA ITY
    dia « NO WAY » hou’z

    i RatsianaOrana BERAn’i Andry
    sy
    i GOLDBLATT

    dia miasa fatratra tsy hamela hipika fa REPLAY ny t@ 2002 daholo no sori-dalany eo

    de houz’izy: auto-proclammation ==> re-CON-naissance

  16. Moa va tsy ny president tanzanien no lehiben’ny Sadc ankehitriny: efa nisy nanolotra teto ny FANAMBOARAN’I FRANCE ny lohan’ingahy io

    Jereo ity dradrain’ny MT anaty internet ny anaran’i Ramatoa Zuma filohan’ny UA fa hampiasa fomba entitra hanafaizana izay mitsivalana @ fanapaha-kevitry ny ces & cenit io

    Mila lobbying firenena matanjaka, HAINGANA indrindra, manafoana et/ou MITSIVALANA TANTERAKA momba ireo decisions roa ireo

    MBA TSY HANDAITRA mandrakizay doria ny hoe « impossible n’est pas francais »: ry zareo no nanao ny tantara, fa raisintsika an-tanana

  17. LES MINISTRES – VICE MINISTRES – CT CST – DE LA MOUVANCE .DOIVENT MANIFESTER DEVANT L AMBASSADE DE FRANCE – S ILS TROUVENT INACCEPTABLES LES DECISIONS DE LA COMMUNAUTE INTERNATIONALES SUR LES MALGACHES .

  18. En attendant les consignes de Lalao Ravalomanana, nous pourrions mettre en place des schémas tactiques pour un ralliement massif et multi-tête juste pour faire éparpiller les forces de l’ordre.

    Rehefa manao belote isika dia indraindray na ny karatra 7 aza mihinana valet.Maninona no tsy atao intsony ny ady ambony latabatra.Fa isika angaha vongany noho ireo no manaiky resen’ireo fotsiny.Samy nosoran’ny reniny menaka koa maninona no tsy miady hatramin’ny farany.Izay mihintsy aza no tena tadiavin’ny fahavalo.

    Ataoko fa na ny fidinana eny an-dalambe dia mila planina satria efa nisy ihany ny natao fa nandamoaka ary raha mila planina dia mila mpitarika manana traikefa.Na hakatso fotsiny aza ny administration rehetra dia efa zava-dehibe.

    Farany,ireto avy ny lafiny hazahoan’ny mpandala ny ara-dalàna atao:

    1./ ara-serasera(médiatique):fampielezan-kevitra amin’ny alalan’ny gazety, serasera,radio ary fahita lavitra raha azo atao.Mila mindrana ora amin’ny radio iray ao afrika atsimo i Marc Ravalomanana.

    2./ ara-pifandraisana (diplomatique):trandrahana foana izay mety ho kotri-panantenana.Manao tatitra any amin’ny ireo mpiaro ny zon’olombelona.Maro izy ireo ary azo anoratana daholo.Mahay manoratra koa isika.

    3./ ara-pirehana (stratégique):Misimisy ihany ireo fikambanana izay mety ho raisina ho namana toy ny VOT,MAMIMI,TEZA,MFM miaraka amin’ny ankolafy telo.Ny Mitabe tsy lanin’ny mamba.

    4./ ara-pivavahana (biblique):ity dia ho an’ny mino ary na ny milaza azy tsy mino aza anie dia mivavaka am-po amin’ny zavatra izay iriny na tsy mitodika amin’i Zanahary aza fa amin’ny kintana.Dia mitaiza tena no mitaiza ny eo akaikiny.

    5./ ara-pikomiana (massique):fidinanana an-dalambe,na fikatsoana ny asam-panjakana.Mila faharetana sy firaisan-kina izany.

    Azo hatao miaraka daholo ireo.Se battre sur tous les fronts.Et bottez les fesses des traitres car ils sont pires que les tgvistes.

  19. Misaotra ny Filohan’ny Firenena RAVAOANANA MARC Isika nitondra teny manaa ny tebiteby sy ny ahiahy ary koa fampitoniana satria manome fampanantenana..
    Tsy tsy dia maro ireo maharaka ny hazakazaka ataon’ny filohan’ny Firenena..
    Nyfotoana iasan’ny diplomatie dia miadana ,tsy mirotoroto familanto dia milanto , satria miditra amin’ny an-tsipiany ireo mandinika ny adi-hevitra.., izay nahasarotin’ny SADC sy ny Union Africaine sy ny Union Européenne ary ny frantsay tamin’ny fikasiana ny fifidianana , izay ny tetezamita vaovao no hisahana io fifidianana io rehefa tanteraka ny fametrahana ny totndrozotra..
    Eo isika izao ,na dia nivoaka aza ny hitsivolana tsy mitombona satria hatraitraitra sy resa-drivotra maimbo vola maimbo !

  20. Mankarary fo be koa iry tsikeranao voalohany ambiny iry ry Ratsimilao,
    dia ilay tsikera faharoanao koa amiko TSISY KIANINA, izaho koa dia mitovy fijery aminao
    @’ilay resaka Dadabe Zafy.
    Misy marina tsy azo lavina koa anefa ny voalazan’i Rakotozafy Mirana fa ny hanampiako kely fanazavana
    dia eto @’ilay zava-nitranga t@ 2009 dia hoe: tsy nisy mihintsy nanam-po izao fisehon-javatra izao ny tsirairay eny na dia
    ireo niara-petsapetsa t@ MPANONGANA aza (jereo Mr Razanakolona), koa RAHA NISY FIHETSIKA TSY TANDRINA RE
    TANY ALOHA TANY DIA AOKA TSY HIFANOME TSINY e!!!
    Ilay resaka TOLONA dia tsy midika ho kanosa mihintsy fa ilay TETI-DRATSY MIHINTSY NO EFA VITA MANARA-PENITRA,
    aiza ary hoy ianao Rakotozafy no afaka hanentanana ny vahoaka , isika TSY TV TSY RADIO????
    Ny mpiasam-panjakana efa reraka ka zaran’i assany aza misy ny MPIGREVY HANDRAISANY VOLA FANAMPINY HANAMPIANA
    NY ECOLEGE NA HOFAN-TRANO TSY VOALOHA @ FIVIDIANAN’ i FOZA AZY IREO.
    Dia toy izany hatrany ka izay kely mba afaka mitokona dia HIHOMEHEZAN’i BE VOLA SY BE BOTY FOTSINY .

  21. Misy hadino kely ny antony nandorona ny ROVA dia mbola lafrantsa ihany,
    vao henoko tsy ela fa tsy zakan’i tsenan’i la frantsa mihintsy ny HASINA HANANANTSIKA GASY
    dia voakarama ny jiolahim-boto @’izao HANAZIMBAZIMBA IRENY TOERANA MANAN-KASINA rehetra ireny,
    ny tanjona dia sady fanapotehina ilay TANORA malagasy koa, ka ny ROVA dia anisan’izany ary ny tena ANTONY
    Dia ny FIANTSIANA ADIM-POKO, mbola musy antony hafa koa dia BE LOATRA NY HALATRA TAO efa nanomboka
    t@’ireny mody hoe TSY AZO HIAKARANA TANY AMBONY e!!!sns dia ny farany natao izay NAHAMAY AZY mba……..
    hainao ny tohiny, ( aleo hazava fa tsy Dadabe Zafy no nangalatra azy a!)
    Ny zavamiseho @’izao fotoana dia zavatra efa fantatra fa efa tetik’i la frantsa hatr@ andron’i Deba fa fotsiny ny azy
    nataony TSY RĖ TSAIKA fa NISOSA MORA2 .

  22. na hanaiky lembenana ialahy na tsy hanaiky lembenana, haninona eo nefa e! le ravalondoza ity tena tsisy ilavana azy mihitsy an! Tsiafahy efa miandry an’ialahy! le vendrana ity! jereo ny mason’ialahy eo amin’ny sary fa menan-drongony! le maivan-doha ity!

  23. Mbola any amin’ny Foza ny lafika rehetra. Ka tarito hateza fa ireo hivadika aminy no andrasa fa izay maharitra ihany no … milamina é!

  24. Denise dia lehilahy fa sao misy FANINA, ROMOTRA NY ANAO LAHY fa diso fanantenana
    hay dada mbola VELONA TAO ary MBOLA TSY MANAIKY hihihihiiiiiiiiii
    Miakapokapoka !!!aza misy gaga koa fa BETSAKA NY MIANDRY An’i DADA HILAVO LEFONA FA SAINGY……..
    MAHERY NY ANAY INY e!!!ZANAHARY NO MIARAKA AMINY, miaraka @ TOMPONY KOA IZY KA………..
    ANDRIAMANITRA TSY MANARY NY OLONY.

  25. Manoloana izao zava misy mihatra @ ankolafy Ravalomanana izao dia tsaratsara kokoa raha misy fanapahankevitra entitra sady haingana raisina fa sao ilaozan’ny omby miahaka eto indray.Na miala tao @ fitondrana dia manambara fa tsy handray anjara @ fifidianana, na manambara fa ny candidat Ranona no hotohan’ny ankolafy @ io fifodianana io.Ny ankoatran’izay tena kely dia kely ny lalana hanantanterahana azy.

  26. Mady ny ady ka nitsangana t@ maty RaDenisy/Acadodo.
    Tsy hita intsony i Lavanify fa angamba efa roso, toa an’i Ben Laden hihihihi !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *