FITONDRANA AMERIKANA NIARO NY VAHOAKANY, FITONDRAN-DRAJOELINA NAMONO NY MPIANANY !

chine

chineAnisan’ny vaovao nanaitra ny maro tamin’ity herinandro ity ny fanambaran’ny fitondrana amerikana fa hakatona avokoa ao anatin’ny fotoana voafetra ireo masoivohony amin’ireo firenena toa an’i  Israël,  Jordanie,  Koweït,  Libye,  Oman, au Qatar,  Arabie saoudite,  Yémen,  Afghanistan , Bangladesh ary ny eto Antananarivo. Nanomboka ny Alahady 04 Aogositra teo izany fanapahan-kevitra izany ka haharitra hatramin’ny 10 Aogositra izao. Niantso ireo mpiasa miasa ao anatin’ireny masoivoho ireny ny filoha Obama mba hiala faran’izay haingana. Ny hisorohana ny fampihorohoroana ataon’ny silamo mahery fihetsika no voalaza fa antony nandraisana ny fanapahan-kevitra. Arovan’ny fitondrana amerikana ny vahoakany, eny fa na dia izay faran’izay lavitra aza dia nataony andrimaso. Ny eto Madagasikara kosa dia mifanohitra amin’izany ny zavamisy. Ny mpianatra Malagasy any China ohatra dia noroahan’ny fitondrana any an-toerana noho ny tsy fahalavorarian’ny vatsim-pianarana ho azy ireo, izay ny fitondrana Malagasy no tokony hanome izany. Efa ho herintaona mahery no tsy nisy intsony izay vatsim-pianarana izay ka voatery nanao fitakiana ireto mpianatra ireto. Nisy anefa ny fampanantenana nataon-dRajoelina tamin’izy ireo nandritra ny fandalovany tany Chine ny volana Feboary teo. Tamin’izany no nilazany fa aloa ny vatsim-pianarana ho an’ireto mpianatra ireto ao anatin’ny roavolana. Ny zavanisy anefa dia mandrak’androany dia tsy nisy izany vatsim-pianarana izany fa narirarira ireto mpianatra Malagasy any Chine ireto. Ny vahaolana hitan’ny mpitondra FAT ho azy ireo dia ny fampodiana aty an-tanindrazana ireto mpianatra ireto izay tsy misy fitsinjovana akory.Tiahivina etoana ny fahafatesan’ity tovolahy mpianatra tany China ity noho ny tsy vahazahoana vatsim-pianarana tamin’ny taon-dasa ka tsy nahafahany nitsabo ny tenany.

 

3 pensées sur “FITONDRANA AMERIKANA NIARO NY VAHOAKANY, FITONDRAN-DRAJOELINA NAMONO NY MPIANANY !”

  1. FA VAO2 VE ITY LAINGA RAY OLONA,NA NY NAZAHOANY IO
    SEZA IO AZA LAINGA FA ISIKA ANIE MANAIKY E?DE IO IZY IO EO IHANY!
    De jereo koa izy tsy By tsy Ba nefa FILOHA ,koa atao inona izay BAORITRA??mandainga
    dia mandroba dia mampiesona dia FILOHA.
    Ny tena marina koa sao hiaotra azy ireto ankizy no sady mandany vola ,TSISY HILIBANA .

  2. Jean Louis Rakotoamboa estime que le véritable problème réside dans le code électoral.

    IO INDRAY R I DONDRONA IRETO VOHHIZINA ,TSY FANTATR ELAHISANY FA IRAJOELINA ANDRY VE NO FOSOTRA?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *