Lalao Ravalomanana : nanotrona ny fankalazana ny faha 45 taona ny FJKM

Neny Lalao RAVALOMANANA TAO FJKM TRANOVATO TOAMASINA ( 16 AOUT 13) (8)

Neny Lalao RAVALOMANANA TAO FJKM TRANOVATO TOAMASINA ( 16 AOUT 13) (8)Tonga niara niombom-bavaka tamin’ireo mpino maro be teto Toamasina, tamin’ny fanombohan’ ny ivon’ny fankalazana ny faha 45 taonan’ny FJKM, Ramatoa Lalao Ravalomanana androany tao amin’ny FJKM Tranovato Fitiavana. Nanotrona izany ihany koa ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot, ny CST Rasamimaka Mahefalahy, ny CST Leriva Manahirana, ny CT Justin. Tonga mavitrika ihany koa ny foibe FJKM , nahitana ny mpitandrina , filoha mpanampy Zakatsara Jean Louis, ny tonian’ny departemantan’ny fiangonana, Radimison Jonah, ny sekretera jeneralin’ny FJKM, ny mpitandrina Mariniasy. Ny bokin’ny  Isaia 58 : 1/5 no nitondran’ny mpitandrina Rakotondrazanany Handritiana Fanomezana, filoha synodaly, ny hafatra tamin’izany. “Ezaho ny antsonao f’aza atao malemy”, manantena zavatra aminao Andriamanitra koa mitenena foana ary milaza ny marina hatrany hoy izy. Ny sekretera jeneralin’ny FJKM, ny mpitandrina Maraniasy no nitarika ny fotoana. Taorian’ny fotoam-pivavahana dia niara nijery ny fampiratiana ny tantaran’ny FJKM nanomboka tany ampiandohana tao amin’ny Lycée David Jones ny rehetra.

2 pensées sur “Lalao Ravalomanana : nanotrona ny fankalazana ny faha 45 taona ny FJKM”

  1. Za koa tena tiako be ny paozin’i Neny! dia nanary lamba sahady ve kosa Neny e??
    za aza vao saika haka tahaka.Gasigasy aza ariana Neny fa iny no mahagasy antsika a!!
    TENA MBA RAITRA MIHINTSY NENY IZANY ALOHA e!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *