Lalao Ravalomanana : nidina an-dalam-be naneho ny finoany niaraka tamin’ny FJKM

Fankalazana ny faha 45 taona ny FJKM (23)

Fankalazana ny faha 45 taona ny FJKM (24)Nanatanteraka  diabe niaraka tamin’ny mpino maro be avy amin’ny synodam-paritany 37 manera an’i Madagasikara ( misy solon-tena ihany koa ny avy any ampita) ny FJKM androany ho fankalazana ny faha 45 taona nijoroan’ny fiangonana. Vory lanina ny mpitarika sy ny mpitandrina eo anivon’ny fiangonana notarihan’ny filohany ny mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina. Tonga tao ihany koa i Neny Lalao Ravalomanana vadin’ny filoha mpanampy, ny filoha mpanampy  mpitandrina Zarazaka Jean Louis, ny sekretera jeneraly ny mpitandrina Mariniasy, ny filoha synodaly marobe, ny mpitandrina misolontena ny faritra manerana ny Nosy, ny mpino Kristiana isan-tsokajiny, sns. Niala teo an-tampon-tananan’i Toamasina ny diabe nandalo ny FJKM Tranovato Fitiavana ary nihazo tao amin’ny Lycée David Jones izay  toerana nanaovana ny fotoam-bavaka lehibe ao anatin’ny fankalazana ny ivon’ny faha 45 taonan’ny FJKM. Nosafidiana ihany koa ity  toerana ity satria dia teto no nanambarana ny  fiangonana telo tonta ho iray dia ny FJKM tamin’ny 18 Aogositra 1918. Ny mpitandrina sady filohan’ny Fiangonana, Lala Rasendrahasina no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary Andriamatoa ZARAZAKA Jean Louis , Filoha Mpanampy Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe no nitorinteny. Isaia 58, 6-12 no nitondrany ny hafatra. Any Fianarantsoa ny 10 Novambra ho avy izao no hamaranana ny fankalazana ity faha 45 taona ny FJKM ity.

 

5 pensées sur “Lalao Ravalomanana : nidina an-dalam-be naneho ny finoany niaraka tamin’ny FJKM”

  1. tandem lalao botozaza no hita @ sary: mety hilaza ny décision ny mouvanse ra8 ve izao sary izao mikasika ny nanilihana an’i neny sy ny safidy ho raisina tsy ho ela ?

    Wait and see (botozaza président, lalao PM)

  2. « …Sur ce point précis, je dis que l’Histoire démontre que pas une superpuissance n’a été capable de vaincre un petit État resté solidaire. Je le dis, parce que devant l’ampleur de l’agression extérieure, certains en sont arrivés à baisser les bras et à s’en remettre à Dieu. Autrement dit, ils s’en sont remis au principe de la délégation et non au principe de l’action, oubliant que c’est lorsque nous faisons notre devoir que Dieu est de notre côté et que la victoire est à nous. C’est pourquoi si nous avons suffisamment conscience de ce point précis et que nous nous tenons ensemble, le blanc contre le noir, je suis persuadé sans aucune hésitation ou exagération que nous serons en mesure de sortir facilement de cette crise, malgré et à cause du sang versé et du prix cruel que nous avons payé… » Bashar El Hassad lors de son discours de fin de ramadan.

    Extrait fotsiny io fa tsara vakiana hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany fa mahakasika antsika koa.
    http://www.voltaire.net

  3. Tiako be ilay fihetsik’i Neny tsy maka taitra mihintsy,Neny a!! ny hisolo anao anie ary ato hono efa
    HIFAMAKY LOHA e!!!!alaoery Neny fa mba tė aheno ny teninao farany izahay @’izao HAGEGENA izao indray a!

    Efa misy mangovotr’ homana sahady fa Botozaza indray no asolo an’i Neny fa tsy Kotovelo?marary fo @’izany eo!!!

  4. Mendrika NENY an ! Tsy mitsanga-menantra ny malagsy fa sady maotina mitondra ny fahendrena sy reharehan’ny tanindrazantsika.
    Ho ela velona ianao sy DADA hiaro ny tany viravirain’ireto tsy mataho-tody, be fialonana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *