MAMY TIANA RAVELONANOSY : TSY MANAIKY INTSONY ISIKA

Ravelonanosy Mamy Tiana

Ravelonanosy Mamy TianaRahampitso atoandro ny hamoaka ny lisitr’ireo kandidà vaovao ny CES Eo am-piandrasana izany dia efa niakatrakatra ny feo teny amin’ny Magro Behoririka androany ho an’reo mpomba ny kandidà Lalao Ravalomanana. Tsy manaiky intsony isika hoy ny Ct Ravelonanosy Mamy Tiana, ny antony dia ao amin’ny lalàna rehetra eto Madagasikara , na ny lalàna iraisam-pirenena dia nanaiky iiska ao amin’ny andininy faha 120 fa tsy azo iverenana ny didm-pitsarana efa navoakan’ny didim-pitsarana iray. Noho izany hoy izy dia tsy manaiky isika satria any lalàna eto amintsika izay izy ireo ihany no nanao azy. Izay no nahatonga ny movansy Ravalomanana tsy hanala na hanampy intsony ny maha kandidà an’i Neny. Ny CES vaovao hoy ity mpanao politika ity, raha ny tena marina, ary amin’ny fitsarana di atena tokony hahaleontena amin’ny fitsarana fa tsy idiran’ny politika. Io fitsarana io fotsiny hoy izy dia efa nanamafy fa nirona amin’ny fanapahan-kevitra politika ny fitsarana. Ny antsika hoy izy olomboantendry ity dia iray ny isan’ny solontena ao ka raha atao ny tsanga-tànana di aresy isika, saingy amin’ny fitsarana dia rehefa lalàna dia lalàna. Ampiharo ny lalàna hoy izy fa ho hitan’ny iraisam-pirenena eo isika raha mivoana io. Mety firenena vitsivitsy ihany no faly amin’ny fanesorana kandidà . Firenena tsy mandala ny demokrasia izany amiko hoy izy fa raha tena mandala ny demokrasia ny firenena iray dia manaiky fifidianana malalaka. Io fitsarana io aza hoy izy izao no ataony ka ny ataony voalohany dia fitsarana politika izay nampidirana an-dRajoelina na di atara aza ny fametrahana ny antontan-taratasiny. NY faharo adia nampiditra ny mpanao politika ihany koa. Noho izany hoy Mamy Tiana dia tsy manaiky isika satria rehefa lalàna dia lalàna. Io no didim-pitsarana nivoaka teo ka raha tiana ho meloka indray dia mamoha didy hafa eo. Tsy manaiky isika fa tazonintsika ny fahamarinana , raha ohatra isika nangalatra dia diso. Misy andiana kandidà hoy izy tsy mahatanty ny hilatsahan’i Neny dia mitady ny hanilihana azy sao ahazo atody eo ka izay no atahoran’ireo . Noho izany dia ianareo no tena fanendriben’ny firenena satria atosiky ny olona any an-kady. Ny fositra voalohany hoy Mamy Tiana dia ny mpitondra fat teo aloha izay matahotra ny hiverenan’ny movansy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *