MANANDAFY RAKOTONIRINA : Hisy Mantasoa 10 eto

manandafy

manandafyNy mahazatra teto amintsika hoy ny Cst Manandafy Rakotonirina androany teny amin’ny Magro Behoririka dia ny HCC no nandray ny filatsahan-kofidiana ho filohan’ny Repoblika ary izy koa no mamoaka ny didy. Tamin’ity anefa hoyizy di anozaraina , ny HCC sy CES izay nandray  ny filatsahan-kofidiana . Izany no nisy hoe diso ny kandidà Rajoelina, Ratsiraka, Lalao Ravalomanana. Tratra hoy izy izao ny enimbolana.Nivory tsy arapotoana hoy izy ny mpanao lalàna hanao ny CES vaovao,nampian’ireo nanao sonia ny tondrozotra. Izao no manahirana hoy Manandafy dia rehefa tsy hifanaraka ny mpanao politika dia hanao toy ny Mantasoa. Iza no nandresy amin’ity dia hanao Mantasoa 10, smay hitondra valim-pifidianana, ka hikorontana eto isika. Anio Mantasoa 1, rahampitso Mantasoa 2, iza hoy izy no hahatanty izany. .Mahasahy inareo mpitsara ho izy raha hikitika fa izahay tsy hanaiky ny hikitihana an’i Neny. Raha sanatria ka manota fady ireo hoe tsy mahazo milatsaka dia hitantsika ny hanaovana azy. Manerana izao tontolo izao hoy izy dia ny mpifidy no manapaka izay hitondra azy. Nilaza tamin’ny 26 Jona teo ny amerikana hoy Manandafy fa demokratika no ivoahana amin’ny krizy fa tsy terana. Namafisin’ny  mpiandraiki-draharahany izany tamin’ny fetim-pireneny.. Inona no fahefana ananany amin’ny famaizana ny Malagasy. Ny ao amin’ny GIC dia mampiady anegly fa izahay amerika tsy manaiky izany. Ankoatra izay hoy izy dia ny Sinoa, Rosia, Angilisy dia tsy manaiky, anjorombala irery ny frantsay. Ho hitantsika eo raha misy zavatra tsy mandeha. Raha manao ny andraikiny i Chissano hoy izy dia mikarama izy ary raha mhalava ny krizy dia maha betsaka ny karamany.

1 pensée sur “MANANDAFY RAKOTONIRINA : Hisy Mantasoa 10 eto”

  1. razafimahaleo, manandafy, andrianarivo, rakotonandrasana,razanamahasoa… iza ary ireo olona ireo? tsy dia lavitra eo ry commandant charles sy Lylison,…
    raha mbola ampiana an-dry vital,monja, ramangason, reboza,…
    Mazava izy izay!
    Rehefa tsy izany dia fahadisoana politika no natao!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *