Manoela Ralaimapisainarinony : Mpifanandrina tsy azo ialana ny movansy Ravalomanana

MyDago.com-23Aout13 (8)

MyDago.com-23Aout13 (8)Tsotra ihany no lazaiko hoy ny Ct Manolea Ralaimampisainarinony teny amin’ny Mgaro Behoririka . Mpifanandrina tsy azo ialana ny movansy Ravalomanana. Rehefa tsy ao I Neny dia tsy misy fifidianana vanona eto.Misy paipaika hoy izy ao amin’ny Ceni-T ao satria vao nivoaka ny lisitra dia namoaka ny datim-pifidianana izy ireo. Noho izany hoy Manoela dai samia mivory isam-pokontany fa ny vahoaka no tompon’ny fahefana. Rehefa naheno hoy izy ny filoha rehetra ao amin’ny Sadc fa tsy misy movansy Ravalomanana ao anaty lisitra dia nilaza fa tsy azo ekena izany. Marina ny anareo hoy izy fa naongana izy. Na tiana na tsy tiana dia tsy misy fifidianana mandeha eto raha sy tonga eto ny filoha Ravalomanana. Miantso ny Malagasy rehetra aho hoy Manoela hivoaka fa tsy mety ny fitsabahan’ny firenena sasany. Miantso ny miaramila ihany koa mba ho tena miaramila marina fa tsy miaramilam-bola. Efa niresaka tamin’ny miaramila ingahy Pierrot hoy izy hoe rehefa mivoaka ireo dia asio fa rehefa lany izahay dia ianareo ihany no mitondra eo.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *