Me Rasamimaka Mahefalahy : Tsy hahasoa ny Malagasy ny nanoloana ny CES

MyDagocom- magro 01 aout 13 (13)

MyDagocom- magro 01 aout 13 (13)Ela ela tsy tazana teny amin’ny Magro Behoririka ny Me Rasamimaka Mahefalahy. Niakatra izahay  hoy izay androany tamin’ny vahoaka teny amin’ny Magro Behoririka namonjy ny fivorian’ny Cst. Nazavainy tamin’izany ny zavanisy tao amin’ny Cst nandritra ny fivoriana omaly izay nandaniana ny volavolan-dalàna momba ny fanovana ny CES. Raha ny tena tokony ho izy hoy ny Cst Mahefalahy dia tokony hodinihan’ny isam-baomiera io lalàna io tao amin’ity andrim-panjakana ity, kanefa dia noterana amboletra fotsiny naroso teo anoloan’ny fivoriam-be. Ny tolo-kevitra napetraky ny movansy Ravalomanana hoy izy dia fanjakana tan-dalàna, apetraka amin’ny maha izy azy ny mpitsara. Voalaza ao amin’ny andininy iray ao amin’ny lalàna io fa tsy tokony ho mpanao politika ny mpitsara ao amin’ny CES. Voalaza ao amin’ny lalàm-panorenana nation-dry zareo tamin’ny 2010 ihany koa hoy izy fa ny fahefana ao amin’ny CES dia tsy tokony hisy resaka politika.  Tsy mety hoy ny Me Rasamimaka ny fametrahana olona politika eo amin’io. Ny antony dia mpitsara enina sisa no ao, kanefa fantatsika fa hisy ny mpanao politika nanao Sonia ny tondrozotra. Ny zavatra hitranga hoy izy dia tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana sy ny tolo-dalàna ny fisian’ny mpanao politika ao. Raha io no ekena hoy ity olomboantendry ity dia tsy am-pilamina ny Malagasy io. Fanontaniana moa no napetrany hoe mino ve isika fa ireo olona napetraka ireo dia tsy hanaraka ny baikon’ny lehibeny? Tsy hahasoa ny Malagasy hoy izy ny nanoloana ny CES ary nampikorontana azy satria tsy mpitsara araka ny tokony ho izy no ao. Nisy mpahay lalàna irayTgv hoy ny Me Rasamimaka niresaka tamiko izay nilaza fa io ny anay fa efa misy fika io fa efa niantso an-dRajoelina aho rehefa any amin’ny HCC io dia lazaina fa tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana. Avy eo asehonay amin’ny GIC fa  efa niezaka Rajoelina fa ny HCC no nandà.

2 pensées sur “Me Rasamimaka Mahefalahy : Tsy hahasoa ny Malagasy ny nanoloana ny CES”

  1. Samia mavavaka mba tsy ho entin’i Domelina devoly mianakavy sy ny taranany ny firenena , moa ve efa nahita olona ratsy « Saina sy fanahy ary vatana » toy ny fianakaviana rajoelina ianareo ?

  2. Ilay mpamahan-dalitra azy no tena enjana fa izay taimbodiana kely io ve misy dikany inona??.
    I Gasikara indray dia efa tsy lavitra , mba tsy hilazako fa EFA AO ANATINY MIHINTSY isika, ao anaty
    vovon’ny LOSIFERA.
    Leom-piadanana ny Gasy,vao tsy ela no nandrenesako fa ny mpianatra taloha tany Antsirabe dia raofin’ny
    Bus daholo tsy an-kanavaka izay mandalo eny @ arabe, na ireo olona andeha hivarotra miloloa entana eny
    an-dalana dia raofin’io Bus io daholo,tena ontsa ny fo nahare izany satria zavatra tsy mbola fahitako izany no
    sady Ataoko fa EFA TENA TSY LAVITRY NY PARADISA isika no NIVERINA ANATY MALOTOM-POZA.
    Ny mpianatra moa dia zaraina fitaovana sy tablier isaky ny fidirana sady TSY MAINTSY MIDITRA LAKILASY
    DAHOLO, io tsy mifidy.
    Ny @’izao dia AMIDY NY ZAZA, @ lafiny rehetra io tsy FERANA an sns…….tsy voatanisa.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *